Bokin'i Ezekiela

Toko faha-16

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, ampahafantaro an'i Jerosalema ny fahavetavetany, ka ataovy hoe: 3 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh amin'i Jerosalema: Ny tanin'ny Kananeana no nihavianao sy nahaterahanao; Amoreana ny rainao, ary Heteana ny reninao. 4 Toy izao ny amin'ny nahaterahanao: Tamin'ny andro nahaterahanao hianao tsy voatapaka tadim-poitra, tsy voampandro tamin'ny rano hadio, tsy voahosotra sira, tsy voahodidina lamban-jaza. 5 Tsy nisy nijery maso antra anao, ka mba nanao iray akory tamin'ireo fikarakarana ireo, noho ny indra fo anao; fa tamin'ny andro nahaterahanao, dia nariana tany an-tsaha hianao, fa narikoriko anao ny olona. 6 Nandalo teo akaikinao aho, dia nahita anao nitsipatsipaka tamin'ny rànao, ka nanao taminao hoe: Miveloma amin'ny rànao.

7 Dia nampitomboiko, toy ny ahitra any an-tsaha hianao, ka nitombo, nihalehibe, tonga tsara tarehy tapitr'ohatra tokoa, naniry nono, ary tonga taona fanambadiana, nefa nihanjahanja hianao, niboridana mihitsy. 8 Nandalo teo akaikinao aho ka nahita anao; dia efa tonga ny fotoananao, dia ny fotoam-pitiavana; ka novelariko taminao ny ila lambako, nanaronako ny fitanjahanao ary nianiana taminao aho, ka nanao fihavanana taminao, - teny marin'ny Tompo Iaveh, - ka dia ahy hianao. 9 Nampandroiko tamin'ny rano hianao, dia nosasako ho afaka aminao ny ra-nao, nohosorako diloilo.

10 Notafiako amborodao hianao, nokiraroako hoditr'ombirano, nohodidiniko rongony fotsy madinika ny lohanao, ary notafiako amparasily. 11 Nohaingoiko tamin'ny firavaka hianao: nasiako haba ny tànanao, sy rado ny vozonao; 12 nasiako masombola ny oronao, ary kavina ny sofinao; ary diadema kanto ny lohanao. 13 Niravaka volamena amam-bolafotsy hianao; ary nitafy rongony fotsy madinika sy amparasily aman'amborodao. Vary tsara indrindra sy tantely aman-diloilo no fihinanao; ary tonga tsara tarehy indrindra hianao, sy nahazo ny fiamboniam-panjakana. 14 Nanehoeho laza hatrany amin'ny firenena ny anaranao noho ny hatsaran-tarehanao, fa lavorary loatra izy, noho ny famirapiratako nataratro taminao, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 15 Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao hianao, ka nitolo-tena ho an'ny olon-kafa noho ny lazanao, nanarana ny fitiavanao tamin'ny mpandalo rehetra, nanolo-tena taminy.

16 Nangalanao ny fitafianao, ka nanaovanao fitoerana avo samihafa soratra ho anao, dia nijangajanga teo amboniny hianao: tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy na oviana na oviana intsony. 17 Nalainao koa ny firavakao, tamin'ny volamena amam-bolafotsiko, izay nomeko anao, dia nanaovanao sarin-dehilahy izay nanoloranao tena hivarina aminy. 18 Ny fitafianao misy amborodao, nalainao natafinao an'ireo; ny diloilo aman-emboka manitra, napetrakao eo anoloan'ireo. 19 Ny mofoko nomeko anao, ny vary tsara indrindra, ny diloiloko aman-tately namahanako anao, nataonao teo anoloan'ireo avokoa, ho fanatitra manam-pofona mahafinaritra. Izany no natao, - teny marin'ny Tompo Tompo. 20 Ny zanakao lahy aman-janakao vavy, naterakao ho ahy, natolotrao ho sorona tamin'ireny handevonany azy. 21 Tsy ampy va ny nitoloranao tena hivarina amin'ireny no dia novonoinao sy natolotrao an'ireo koa ny zanako; nampamakianao ny afo ho fanajana an'ireo? 22 Ary tao anatin'ny fahavetavetana amam-pivarinanao amin'ny hafa rehetra hianao, tsy nahatsiaro akory ny andro nahakely anao, nitanjahanao, niboridananao mihitsy, ary nitsipatsipahanao tamin'ny rànao. 23 Manaraka ny ratsy rehetra nataonao, - lozanao, lozanao! teny marin'ny Tompo Tompo; -

24 nanao zohy amam-pitoerana avo ho anao teny amin'ny kianja rehetra teny hianao. 25 Nasianao ny fitoerana avonao avokoa ny sampanan-dàlana; nolotoinao ny hatsaran-tarehinao; nanolo-tena tamin'ny mpandalo rehetra hianao; nampitomboinao ny fijangajanganao. 26 Nivarina tamin'ny zanak'i Ejipta, nifanila fonenana taminao, dia tamin-dry zareo matanja-batana hianao, ary nampitoboinao ny fijangajanganao, hampahatezitra ahy. 27 Ka indro, naninji-tànana taminao aho: ny anjaranao nahenako; hianao, natolotro hianjadian'ny fahavalonao, dia ireo zanakavavin'ny Filistina izay menatra noho ny fitondran-tena ratsinao. 28 Nivarina tamin'ny zanak'i Asora hianao, satria mbola tsy afa-po; ary na efa nivarina tamin'ireo aza hianao mbola tsy afa-po ihany. 29 Nampitomboinao ny fijangajanganao, teo amin'ny tany Kanaana, ka hatrany Kaldea, nefa na izany aza, tsy mbola nahafa-po anao ihany. 30 Akory izany halemen'ny fonao, - teny marin'ny Tompo Tompo, - no dia nahavitanao izany rehetra izany, izay fanaon'ny vehivavy janga tsy valahara indrindra. 31 Tamin'ny nanaovanao ny zohinao isan-tsampanan-dàlana, sy nanaovanao fitoerana avo teny amin'ny kianja rehetra teny, dia efa tsy toy ny vehivavy janga akory hianao, fa efa tsy nahoanao intsony izay tangy; 32 fa efa toy ny vehivavy maka vadin'olona ka maka olon-kafa ho solon'ny vadiny. 33 Ny vehivavy janga rehetra, omen-tangy; fa hianao kosa, nanangy ny lehilahinao rehetra, mba hahatongavany avy any rehetra any ho amin'ny fijangajanganao. 34 Hafa noho ny amin'ny vehivavy hafa no nihatra taminao, tamin'ny fijangajanganao, fa tsy mba nisy olona nitady anao. Tamin'ny nanomezanao tangy fa tsy mba nomena kosa hianao, dia tonga mifanohitra amin'ny ataon'ny olona ny nataonao. 35 Noho izany, henoy ny tenin'ny Tompo:

36 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho ny volanao lany sy ny fitanjahanao naseho tamin'ny fijangajanganao tamin'ny lehilahinao sy tamin'ny sampy fahavetavetana rehetra, sy noho ny ran'ny zanakao naterinao ho an'ireo, 37 noho izany dia indro, hovoriko avokoa ny lehilahinao rehetra izay nijangajanganao, izay notiavianao rehetra, mbamin'izay rehetra nankahalainao; dia hovoriko avy any rehetra any ireny, hamely anao; hasehoko eo anoloan'izy ireo ny fitanjahanao, ka hahita ny fitanjahanao izy. 38 Hohelohiko araka ny lalàna mahazo ny vehivavy mpaka vadin'olona sy izy mpandatsa-dra hianao, ka hataoko latsa-dra, voan'ny fisafoahana amam-pahasarotam-piaro. 39 Hatolotro eo an-tanan'izy ireo hianao: hazerany ny zohinao, horavany ny fitoerana avonao, hendahany ny fitafianao ary halainy ny firavakao, dia havelany hianao hitanjaka, dia hiboridana mihitsy eo. 40 Hoentiny miakatra hamely anao ny vahoaka voavory hitora-bato anao sy hanagorobaka anao amin'ny sabany. 41 Handoro ny tranonao amin'ny afo izy, ary hanefa fitsarana mahavoa anao eo imason'ny vehivavy betsaka; hataoko mitsahatra ny fijangajanganao, ka dia tsy hanangy intsony hianao. 42 Hanarana ny hatezerako aminao aho, dia ho afaka ny fahasarotam-piaroko aminao, ka hionona aho, fa tsy ho tezitra intsony. 43 Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andron'ny fahatanoranao, sy nampahatezeranao ahy tamin'izany ratsy izany, dia indro hatsingeriko eo an-dohanao ny fitondran-tenanao; - teny marin'ny Tompo Iaveh; fa tsy hanao ny fahalotoana mbamin'ny fahavetavetanao rehetra intsony hianao. 44 Indro fa ny olona rehetra mpilaza ohabolana dia hanao ohabolana momba anao, hoe: Ny zanakavavy, mpanaha-dreny!

45 Tena zanakavavin'ny reny nanary vady aman-janaka hianao; sady rahavavin'ny rahavavinao nanary vady aman-janaka koa; Heteana ny reninareo, ary Amoreana ny rainareo. 46 Ny zokinao vavy, monina ao ankavianao dia Samaria mbamin'ny zanany vavy; ary Sodoma mbamin'ny zanany vavy no zandrinao vavy monina eo ankavananao. 47 Tsy nomba ny làlan'ireo sy nanaraka ny fahavetavetany fotsiny hianao: tsy ampy anao izany, fa nihasimba mihoatra noho ireo aza hianao, tamin'izay nalehanao rehetra. 48 Velona aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh; Sodoma rahavavinao sy ny zanany vavy, tsy nahavita tahaka ny vitanao sy ny zanakao vavy. 49 Fa izao no helok'i Sodoma rahavavinao: avonavona, fananam-be ary fianinana tsy miraikan'izy sy ny zanany vavy, sady tsy mba nitantana ny ory sy ny mahantra izy. 50 Nandroso niavonavona izy ireo, ka nanao fahavetavetana teo imasoko; ary nony nahita izany aho, dia nataoko tsy nisy intsony izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1481