Bokin'i Ezekiela

Toko faha-16

51 Samaria koa, tsy nahavita antsasaky ny fahotanao akory, fa nampitombo ny fahotanao mihoatra ny azy hianao; ka nanamarina ny rahavavinao hianao, tamin'ny fahavetavetanao rehetra. 52 Aoka hianao koa hitondra ny hanatrao, izay nailikao tamin'ny rahavavinao, noho ny fahotanao izay nampitomboanao ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, fa marina noho hianao izy. Aoka ho safo-kenatra sy hitondra latsa koa hianao, fa efa nanamarina ny rahavavinao. 53 Hampodiko ny lasan-ko babo tamin'izy ireo, dia ny lasan-ko babo tamin'i Sodoma sy ny zanany vavy, ny lasan-ko babo tamin'i Samaria sy ny zanany vavy, ary ny anao lasan-ko babo koa eo amin'ny azy,

54 mba hitondranao ny hanatrao, sy hampangaihay anao noho ny nataonao rehetra hampionona azy. 55 Sodoma rahavavinao sy ny zanany vavy, hody amin'ny toetrany taloha; Samaria sy ny zanany vavy, hody amin'ny toetrany taloha; hianao sy ireo zanakao vavy koa, hody amin'ny toetranareo taloha. 56 Sodoma, rahavavinao tsy mba notononin'ny vavanao akory, tamin'ny andro niavonavonanao, 57 fony mbola tsy naharihary ny haratsianao; toy ny fony hianao nolatsain'ny zanakavavin'i Siria mbamin'ny manodidina rehetra, sy novingavingain'ny zanakavavin'ny Filistina nanodidina anao. 58 Efa nitondra ny valin'ny heloka amam-pahavetavetanao hianao - teny marin'ny Tompo. 59 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, hianao ilay nanatsinontsinona ny fianiananao, tamin'ny nivadihanao ny fanekena.

60 Izaho anefa mbola hahatsiaro ny fanekena nataoko taminao, tamin'ny andron'ny fahatanoranao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao. 61 Hahatsiaro ny fitondran-tenanao hianao ka ho menatra, raha avy izay handraisanao ireo rahavavinao, na ny lehibe noho hianao na ny kely noho hianao, sy hanomezako an'ireo ho zanakao vavy, fa tsy noho ny fanekena taminao akory anefa. 62 Hanorina ny fanekena aminao aho, ka ho fantatrao fa Iaveh aho, 63 mba hahatsiaro sy ho menatra ary tsy hiloa-bava intsony noho ny henatra hianao, rahefa avy izay hanaovako fanonerana ho anao, noho ny nataonao rehetra, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1535