Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 1
Ny fanisana ny foko roa ambin'ny folo.

       1Tany an'efitra Sinaia, tao amin'ny trano lay fihaonana, tamin'ny andro voalohan'ny volana faharoa, taona faharoa taorian'ny nivoahana tany amin'ny tany Ejipta, dia niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 2Alao isa ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ka ny anaran'ny lehilahy rehetra isam-batan'olona no hisaina tsirairay avy, 3hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, dia ny lehilahy rehetra amin'Israely izay mahatam-piadiana. Hianao sy Aarona no hanisa azy araka ny isan-tokony avy; 4ary lehilahy iray avy amin'ny isam-pokony, izay filohan'ny fokom-pianakaviany avy, no hiaraka aminareo.
       5Ireto no anaran'ny lehilahy hiaraka aminareo: Ny amin'i Robena: Elisora zanak'i Sedeora; 6ny amin'i Simeona: Salamiela zanak'i Sorisadaia; 7ny amin'i Jodà: Nahasona zanak'i Aminadaba; 8ny amin'Isakara: Natanaela zanak'i Soara; 9ny amin'i Zabolona: Eliaba zanak'i Helona; 10ny amin'ny terak'i Josefa: ny amin'i Efraima: Elisamà zanak'i Amioda; ny amin'i Manase: Gamaliela zanak'i Fadasora: 11ny amin'i Benjamina: Abidana zanak'i Jedeona; 12ny amin'i Dana: Ahiesera zanak'i Amisadaia; 13ny amin'i Azera: Fegiela zanak'i Okrana; 14ny amin'i Gada: Eliasafa zanak'i Doela; 15ny amin'i Neftalì: Ahira zanak'i Enana. 16Ireo no voafidy tamin'ny fiangonana. Lohan'ny firenena avy amin'ny razany izy sy mpifehy arivo amin'Israely.
       17Nalain'i Moizy sy Aarona ireo olona izay efa voantendry amin'ny anarany avy, 18dia nanaika ny fiangonana rehetra izy, ka ny hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra rehetra, dia samy nosoratana araka ny fianakaviany sy ny fokony, ary noisaina ny anarany isam-batan'olona. 19Araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy dia nataony ny fanisana tany an'efitra Sinaia.
       20Ny tera-dRobena lahimatoan'Israely, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, no nisainy araka ny anarany isam-batan'olona, ny lehilahy rehetra hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 21dia nisy diman-jato amby enina arivo sy efatra alina no voasoratra ho isan'ny fokon-dRobena.
       22Ny terak'i Simeona, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ny voasoratra ho isan'ireo, rahefa nisaina ny anarany isam-batan'olona, ny lehilahy rehetra hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 23dia nisy telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Simeona.
       24Ny terak'i Gada, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 25dia nisy dimampolo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Gada.
       26Ny terak'i Jodà, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 27dia nisy enin-jato amby efatra arivo sy fito alina novoasoratra ho isan'ny fokon'i Jodà.
       28Ny terak'Isakara, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy mahatam-piadiana, 29dia nisy efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan'ny fokon'Isakara.
       30Ny terak'i Zabolona, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 31dia nisy efa-jato amby fito arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Zabolona.
       32Ny zanak'i Josefa: ny terak'i Efraima, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 33dia nisy diman-jato amby efatra alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Efraima. 34Ny terak'i Manase, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 35dia nisy roan-jato amby roa arivo sy telo alina, no voasoratra ho isan'ny fokon'i Manase.
       36Ny terak'i Benjamina, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 37dia nisy efa-jato amby dimy arivo sy telo alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Benjamina.
       38Ny terak'i Dana, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 39dia nisy fiton-jato amby roa arivo sy enina alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Dana.
       40Ny terak'i Asera, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 41dia nisy diman-jato amby arivo sy efatra alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Asera.
       42Ny terak'i Neftalì, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 43dia nisy efa-jato amby telo arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Neftalì.
       44Ireo no voaisa nisain'i Moizy sy Aarona, mbamin'izy roa ambin'ny folo lahy, filohany amin'Israely, lehilahy iray avy isam-pokony. 45Ny zanak'Israely rehetra izay nisaina araka ny fokom-pianakaviany avy, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra amin'Israely izay mahatam-piadiana, 46ny voaisa rehetra dia nisy dimam-polo amby diman-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
       47Tsy mba nisaina niaraka tamin'ireo ny Levita araka ny fokom-pianakaviany. 48Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 49Aza mba isaina ny fokon'i Levì, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny zanak'Israely izy. 50Fa apetraho aminy kosa ny fikarakarana ny Fonenan'ny vavolombelona mbamin'ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy. Izy ireo no hitondra ny Fonenana mbamin'ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy; izy no hanao ny fanompoana ao aminy; ary izy no hitoby manodidina ny Fonenana. 51Rahefa hifindra ny Fonenana dia ny Levita no hangorona azy; rahefa hiorin-dasy indray ny Fonenana, izy koa no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia hohelohin-ko faty. 52Ny zanak'Israely, dia samy hiorin-dasy ao amin'ny anjara tobiny samy manakaiky ny fanevany araka ny isan-tokony avy. 53Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonenan'ny vavolombelona, mba tsy hipoahan'ny hatezerako ny fiangonan'ny zanak'Israely, ary ny Levita no hiambina ny Fonenan'ny vavolombelona.
       54Dia notanterahin'ny zanak'Israely avokoa izay rehetra nandidian'ny Tompo an'i Moizy; nataony izany. >