Ny Fanisana

Toko voalohany

51 Rahefa hifindra ny Fonenana dia ny Levita no hangorona azy; rahefa hiorin-dasy indray ny Fonenana, izy koa no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia hohelohin-ko faty. 52 Ny zanak'Israely, dia samy hiorin-dasy ao amin'ny anjara tobiny samy manakaiky ny fanevany araka ny isan-tokony avy. 53 Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonenan'ny vavolombelona, mba tsy hipoahan'ny hatezerako ny fiangonan'ny zanak'Israely, ary ny Levita no hiambina ny Fonenan'ny vavolombelona. 54 Dia notanterahin'ny zanak'Israely avokoa izay rehetra nandidian'ny Tompo an'i Moizy; nataony izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1222