Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 26
Fanisana vaovao.

       1Taorian'izany loza izany, dia niteny tamin'i Moizy sy Eleazara zanak'i Aarona mpisorona Iaveh nanao hoe: 2Alao isa ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana amin'Israely. 3Dia nilaza tamin'ny olona Moizy sy Eleazara mpisorona, tao amin'ny tany lemak'i Moaba, akaikin'i Jordany, tandrifin'i Jerikao, ka nanao hoe: 4Hisaina ny hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy sy ny zanak'Israely, raha nivoaka avy tany amin'ny tany Ejipta izy ireo.
       5Robena lahimatoan'Israely, zana-dRobena: ny fokon'ny Henokita avy tamin'i Henoka; ny fokon'ny Faloita avy tamin'i Falò; 6ny fokon'ny Hesronita avy tamin'i Hesrona; ny fokon'ny Karmita avy tamin'i Karmì. 7Ireo no fokon'ny Robenita, telopolo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina izy no voaisa. 8Zanak'i Falò, dia Eliaba. 9Zanak'i Eliaba dia Namoela sy Datàna ary Abirona. Ireo ilay Datàna sy Abirona, isan'ny mpanolo-tsaina, nikomy tamin'i Moizy sy Aarona tanatin'ny tarik'i Kore, fony izy nikomy tamin'ny Tompo, 10ary nivava ny tany nitelina azy ireo mbamin'i Kore, raha levona izany anotokony izany, ka voadoron'ny afo ny lehilahy dimampolo sy roan-jato, ka tonga fananarana izy ireo. 11Fa tsy maty ny zanak'i Kore.
       12Zanak'i Simeona araka ny fokony avy, ny fokon'ny Namoelita avy tamin'i Namoela; ny fokon'ny Jaminita, avy tamin'i Jamina, 13ny fokon'ny Jakinita avy tamin'i Jakina, ny fokon'ny Zareita avy tamin'i Zare, ny fokon'ny Saolita avy tamin'i Saoly. 14Ireo no fokon'ny Simeonita, roan-jato amby roa arivo sy roa alina izy.
       15Zanak'i Gada, araka ny fokony avy; ny fokon'ny Sefonita avy tamin'i Sefona; ny fokon'ny Agita avy tamin'i Agy; 16ny fokon'ny Oznita avy tamin'i Oznì; ny fokon'ny Herita, avy tamin'i Hera; 17ny fokon'ny Arodita, avy tamin'ny Aroda; ny fokon'ny Arielita avy tamin'i Ariela. 18Ireo no fokon'ny zanak'i Gada, araka ny voaisa amin'izy ireo, dia diman-jato sy efatra alina.
       19Zanak'i Jodà: Era sy Onàna, fa maty tany Kanaana Era sy Onàna. 20Izao no zanak'i Jodà, araka ny fokony avy: Ny fokon'ny Selaita avy tamin'i Selà; ny fokon'ny Farezita, avy tamin'i Farezy; ny fokon'ny Zareita, avy tamin'i Zare. 21Ny zanak'i Farezy dia izao: ny fokon'ny Hesronita avy tamin'i Hesrona; ny fokon'ny Hamolita avy tamin'i Hamola. 22Ireo no fokon'i Jodà, araka ny voaisa amin'izy ireo: diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
       23Zanak'Isakara, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Tolaïta avy tamin'i Tolà; ny fokon'ny Foaita avy tamin'i Foà; 24ny fokon'ny Jasobita avy tamin'i Jasoba; ny fokon'ny Semranita avy tamin'i Semrana. 25Ireo no fokon'Isakara araka ny voaisa amin'izy ireo: telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
       26Zanak'i Zabolona, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Saredita avy tamin'i Sareda; ny fokon'ny Elonita avy tamin'i Elona; ny fokon'ny Jalelita avy tamin'i Jalela. 27Ireo no foko avy tamin'i Zabolona, araka ny voaisa amin'izy ireo, dia diman-jato sy enina alina.
       28Zanak'i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima. 29Zanak'i Manase: ny fokon'ny Makirita, avy tamin'i Makira; ary Makira niteraka an'i Galaada; ny fokon'ny Galaadita avy tamin'i Galaada. 30Izao no zanak'i Galaada: Jezera ihavian'ny fokon'ny Jezerita; avy amin'i Heleka ny fokon'ny Helikita; 31Asriela ihavian'ny fokon'ny Asrielita; Sekema ihavian'ny fokon'ny Sekemita; 32Semidà ihavian'ny fokon'ny Semidaïta; Hefera ihavian'ny fokon'ny Hefrita. 33Salfaada, zanak'i Hefera tsy nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ka ireto no anaran'ny zanakavavin'i Salfaada: Maalà, Noà, Heglà, Melkà ary Tersà. 34Ireo no fokon'i Manase: fiton-jato amby roa arivo sy dimy alina no voaisa amin'izy ireo.
       35Ireto no zanak'i Efraima, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Sotalaïta, avy amin'i Sotalà; ny fokon'ny Bekrita avy amin'i Bekera; ny fokon'ny Tehenita avy amin'i Tehena. 36Ary izao no zanak'i Sotalà: ny fokon'ny Heranita, avy amin'i Heràna. 37Ireo no fokon'ny zanak'i Efraima, araka ny voaisa amin'izy ireo; diman-jato amby roa arivo sy telo alina.
Dia izay no zanak'i Josefa araka ny fokony.
       38Zanak'i Benjamina, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Belaita, avy tamin'i Belà; ny fokon'ny Asbelita, avy tamin'i Asbela; ny fokon'ny Ahiramita avy tamin'i Ahirama; 39ny fokon'ny Sofamita avy tamin'i Sofama; ny fokon'ny Hofamita avy tamin'i Hofama. 40Ary ny zanak'i Belà, dia Hereda sy Noemana: ny fokon'ny Heredita, avy tamin'i Hereda; ny fokon'ny Noemanita, avy tamin'i Noemana; 41Ireo no zanak'i Benjamina, araka ny fokony avy, ary enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina, ny voaisa amin'izy ireo.
       42Izao no zanak'i Dana, araka ny fokony: avy amin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i Dana raka ny fokony. 43Efa-jato amby efatra arivo sy enina alina no tontalin'ny fokon'ny Sohamita araka ny voaisa amin'izy ireo.
       44Zanak'i Asera, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Jemnita avy tamin'i Jemnà; ny fokon'ny Jesoaita, avy tamin'i Jesoaì; ny fokon'ny Brieita, avy tamin'i Brie. 45Avy amin'ny zanak'i Brie: ny fokon'ny Hebrita avy tamin'i Hebera; ny fokon'ny Melkielita avy tamin'i Melkiela. 46Ny anaran'ny zanakavavin'i Asera, dia Sarà. 47Ireo no fokon'ny zanak'i Asera araka ny voaisa amin'izy ireo: efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
       48Zanak'i Neftalì, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Jesielita avy tamin'i Jesiela; ny fokon'ny Gonita, avy tamin'i Gonì; 49ny fokon'ny Jeserita, avy tamin'i Jesera; ny fokon'ny Selemita avy tamin'i Selema. 50Ireo no fokon'i Neftalì araka ny fokony. Efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina ny voaisa amin'izy ireo.
       51Izao no zanak'Israely voaisa: telopolo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
       52Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 53Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isan'ny anarana avy. 54Ny maro isa homenao ny zaratany beba kokoa, ny vitsy isa kosa homenao anjara kelikely kokoa, ka dia samy homena ny anjara lovany araka ny voaisa aminy izy. 55Kanefa hanaovana loka no hizarana ny tany. Araka ny anaran'ny fokom-pianakaviany avy no hahazoany ny zarataniny. 56Loka no hizarana ny lova, na ny ho an'ny maromaro kokoa, na ny ho an'ny vitsivitsy kokoa.
       57Izao kosa no voaisa tamin'ny Levita araka ny fokony avy: ny fokon'ny Gersonita avy tamin'i Gersona; ny fokon'ny Kaatita avy tamin'i Kaata; ny fokon'ny Merarita avy tamin'i Merarì. 58Izao no fokon'i Levì: ny fokon'ny Lobnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Moholita, ny fokon'ny Mosita, ary ny fokon'ny Koreita. 59Kaata niteraka an'i Amrama, ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia Jokabeda, zanakavavin'i Levì, izay nateraky ny reniny tamin'i Levì tany Ejipta, ary izy niteraka an'i Aarona sy Moizy ary Maria anabavin'ireo, tamin'i Amrama. 60Aarona niteraka an'i Nadabà, Abiò, Eleazara ary Itamara. 61Nadabà sy Abiò maty, tamin'izy ireo nanatitra afo hafa teo anatrehan'ny Tompo. 62Ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra voaisa tamin'izy ireo dia telo arivo sy roa alina. Fa tsy mba anatin'ny voaisa tamin'ny zanak'Israely izy ireo, satria tsy mba nomena zaratany teo afovoan'ny zanak'Israely.
       63Ireo no lehilahy voaisan'i Moizy sy Eleazara mpisorona, izay nanisa ny zanak'Israely teo amin'ny tany lemak'i Moaba, akaikin'i Jordany, tandrifin'i Jerikao. 64Tamin'izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan'ny zanak'Israely, izay efa nisain'i Moizy sy Aarona mpisorona tany an'efitra Sinaia. 65Fa ireny efa nilazan'ny Tompo hoe: Ho faty any an'efitra; ka tsy nisy sisa intsony tamin'ireny, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefona, sy Josoe zanak'i Nòna. >