Ny Fanisana

Toko faha-26

51 Izao no zanak'Israely voaisa: telopolo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.

52 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

53 Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isan'ny anarana avy. 54 Ny maro isa homenao ny zaratany beba kokoa, ny vitsy isa kosa homenao anjara kelikely kokoa, ka dia samy homena ny anjara lovany araka ny voaisa aminy izy. 55 Kanefa hanaovana loka no hizarana ny tany. Araka ny anaran'ny fokom-pianakaviany avy no hahazoany ny zarataniny. 56 Loka no hizarana ny lova, na ny ho an'ny maromaro kokoa, na ny ho an'ny vitsivitsy kokoa. 57 Izao kosa no voaisa tamin'ny Levita araka ny fokony avy: ny fokon'ny Gersonita avy tamin'i Gersona; ny fokon'ny Kaatita avy tamin'i Kaata; ny fokon'ny Merarita avy tamin'i Merarì.

58 Izao no fokon'i Levì: ny fokon'ny Lobnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Moholita, ny fokon'ny Mosita, ary ny fokon'ny Koreita. 59 Kaata niteraka an'i Amrama, ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia Jokabeda, zanakavavin'i Levì, izay nateraky ny reniny tamin'i Levì tany Ejipta, ary izy niteraka an'i Aarona sy Moizy ary Maria anabavin'ireo, tamin'i Amrama. 60 Aarona niteraka an'i Nadabà, Abiò, Eleazara ary Itamara. 61 Nadabà sy Abiò maty, tamin'izy ireo nanatitra afo hafa teo anatrehan'ny Tompo. 62 Ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra voaisa tamin'izy ireo dia telo arivo sy roa alina. Fa tsy mba anatin'ny voaisa tamin'ny zanak'Israely izy ireo, satria tsy mba nomena zaratany teo afovoan'ny zanak'Israely. 63 Ireo no lehilahy voaisan'i Moizy sy Eleazara mpisorona, izay nanisa ny zanak'Israely teo amin'ny tany lemak'i Moaba, akaikin'i Jordany, tandrifin'i Jerikao.

64 Tamin'izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan'ny zanak'Israely, izay efa nisain'i Moizy sy Aarona mpisorona tany an'efitra Sinaia. 65 Fa ireny efa nilazan'ny Tompo hoe: Ho faty any an'efitra; ka tsy nisy sisa intsony tamin'ireny, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefona, sy Josoe zanak'i Nòna.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0463