Ny Jenezy

Toko faha-24

1 Efa zoky olona sy nandroso fahanterana Abrahama sady nosoavin'ny Tompo tamin'ny zavatra rehetra.

2 Ary hoy Abrahama tamin'ny mpanompony, ilay tranainy indrindra tao an-tranony, nanapaka ny fananany rehetra: Ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao, 3 hampianianiko anao amin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany fa tsy haka vady ho an'ny zanako ao amin'ny zanakavavin'ny Kananeana, izay iraisako monina, hianao, 4 fa any amin'ny tanindrazako, any amin'ny tany nihaviako, no halehanao haka vady ho an'Isaaka zanako. 5 Ary hoy ny navalin'ilay mpanompony: Angamba tsy hety hiaraka amiko hankaty amin'ity tany ity ny vehivavy; ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin'ny tany nihavianao? 6 Hoy Abrahama taminy: Tandremo sao dia entinao mankany ny zanako. 7 Iaveh Andriamanitry ny lanitra izay naka ahy tao an-tranon'ny raiko, sy tany amin'ny tany nahaterahako, izay niteny koa no haniraka ny Anjeliny eo alohanao, ka haka vady avy any ho an'ny zanako hianao. 8 Ary raha tsy mety hanaraka anao ny vehivavy dia afaka amin'izao fianianana ampanaoviko izao hianao; fa aza entinao mankany ny zanako. 9 Dia napetrak'ilay mpanompo tao ambany fen'i Abrahama tompony ny tànany, ka nanao fianianana momba izany teo anatrehany. 10 Naka folo tamin'ny ramevan'ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan'ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesopotamia any an-tanànan'i Nakora no nalehany.

11 Nampandohalihiny teo ivelan'ny tanàna anilan'ny lavaka fantsakàna ny rameva, nony harivariva tamin'ilay fivoahan'ny vehivavy hantsaka iny; 12 ka hoy izy: Ry Iaveh, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, mba ataovy tojo ny tadiaviko aho anio, ary ampisehoy hatsaram-po Abrahama tompoko. 13 Indro aho mijanona eto anilan'ny loharano; ary ny zanakavavin'ny mponina ao an-tanàna hivoaka hantsaka rano, 14 ka aoka izay zazavavy hilazako hoe: Ahilano kely ny sininao mba hisotroako, ka hamaly hoe: Misotroa, fa hampisotroiko koa ny ramevanao, no ho ilay notendrenao ho an'Isaaka mpanomponao. Ary izany no hahafantarako fa nampisehoanao hatsaram-po tokoa ny tompoko. 15 Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony Rebekà, zanakavavin'i Batoela zanak'i Melkà vadin'i Nakora rahalahin'i Abrahama.

16 Fatratra ny hatsaran-tarehin-drazazavavy, sady virijiny izy, fa tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy. Nidina nankeo amin'ny loharano izy, nameno rano ny sininy dia niakatra. 17 Nihazakazaka nitsena azy ity mpanompo ka nanao hoe: Mba avelao aho hisotro rano kely amin'ny sininao. 18 Dia hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy, sady nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny izy. 19 Nony avy nampisotro azy izy, dia nanao hoe: Hantsaka ho an'ny rameva koa aho, hosotroiny mandra-pahafa-po azy. 20 Dia nampidininy faingana teo amin'ny tavy fampisotroam-biby ny rano tao an-tsininy, ka nihazakazaka nantsaka teo am-pantsakana indray izy, ary nantsaka ho an'ny rameva rehetra. 21 Nandinika azy ralehilahy tsy niteny fa nieritreritra na efa nambinin'ny Tompo tokoa ny diany, na tsia. 22 Nony tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny masom-bolamena iray, lanjan'antsasa-tsikla, sy ny haba volamena roa, lanjana folo sikla,

23 ka hoy izy: Zana-jovy moa hianao? Mba lazao ahy kely izany. Ary mba misy toerana azonay andriana va ao an-tranon-drainao? 24 Dia hoy ny navaliny: Zanakavavin'i Batoela zanak'i Melkà, izay naterany tamin'i Nakora aho. 25 Ary hoy koa izy: Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay; sady ny mololo handriana koa dia misy ao. 26 Tamin'izay niondrika ralehilahy, dia niankohoka teo anatrehan'ny Tompo 27 ka nanao hoe: Isaorana anie Iaveh, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, fa tsy niova famindram-po sy fahamarinana amin'ny tompoko; izaho koa notantànan'ny Tompo amin'ny làlana mankaty amin'ny rahalahin'ny tompoko. 28 Dia lasa nihazakazaka razazavavy, nanambara izany zavatra izany tao amin-drainy.

29 Nanana anadahy anankiray atao hoe Labana Rebekà, ka nivoaka nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo amin'ny loharano.

30 Nahita ny masom-bola sy ny haba tany an-tànan'ny anabaviny izy, ary nandre ny tenin-dRebekà anabaviny hoe: Izao sy izao no nolazain-dralehilahy tamiko, ka nankeo amin-dralehilahy izay nijanona teo anilan'ny rameva tao amin'ny loharano izy, ka nanao hoe: 31 Avia hianao izay notahin'ny Tompo. Nahoana no mijanona aty ivelany hianao? Efa namboatra ny trano aho sy fitoerana ho an'ny rameva. 32 Dia niditra tao an-trano ralehilahy. Ary Labana kosa nanesotra ny laselin'ny rameva, dia nanome mololo sy vilona ho an'ny rameva, sy rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona nomba azy. 33 Rahefa izany naroson'i Labana ny sakafo; fa hoy ralehilahy: Tsy hihinana aho raha tsy efa voalazako ny teny hambarako. Lazao àry, hoy Labana. 34 Hoy izy: Mpanompon'i Abrahama aho.

35 Ny tompoko efa nasian'ny Tompo soa be indrindra, ka efa tonga olona be fahefana izy; fa nomeny ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy mpanompovavy, ary rameva aman'ampondra. 36 Efa antitra Sarà, vadin'ny tompoko, no niteraka tamin'ny tompoko zazalahy anankiray izay notolorany ny fananany rehetra. 37 Ary ny tompoko nampianiana ahy, nanao hoe: Aza maka vady ho an-janako amin'ny zanakavavin'ny Kananeana eto tompon'ny tany onenako; 38 fa mankanesa any an-tranon'ikaky, any amin'ny havako, ka any maka vady ho an-janako. 39 Nilaza tamin'ny tompoko aho, nanao hoe: Angamba tsy hety hanaraka ahy hankaty ny vehivavy. 40 Fa novaliany hoe: Iaveh, izay eo anatrehany no handehanako, no haniraka ny Anjeliny hiaraka aminao, sy hanambina ny dianao, ka haka vady ho an-janako, any amin'ny havako sy any an-tranon'ikaky hianao. 41 Afaka amin'ny fianianana nataonao hianao rahefa tonga tany amin'ny havako; ary raha tsy manaiky ny fangatahanao izy ireo dia afaka amin'ny fianianana ampanaoviko hianao. 42 Nony tonga tao am-pantsakana aho androany, dia nanao hoe: Ry Iaveh, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, raha mba sitrakao ihany ny hanambina ny dia nalehako, 43 dia indro aho mijanona eto anilan'ny fantsakàna; ka izay zazavavy tamy hantsaka hilazako hoe: Avelao aho mba hisotro rano kely amin'ny sininao, raha sitrakao, ka hamaly ahy hoe: 44 Misotroa, fa hantsakako mbamin'ny ramevanao koa; no aoka ho ilay vady nalahatry ny Tompo ho an'ny zanaky ny tompoko. 45 Mbola tsy tapitra akory ny teny anakampo nataoko, dia inty Rebekà nivoaka nitondra ny sininy teny an-tsorony, nidina nantsaka teo an-pantsakana; ka hoy aho taminy: Mba omeo kely aho hosotroiko, raha sitrakao. 46 Nampidininy niaraka tamin'izay ny siny teny an-tsorony, sady hoy izy: Misotroa; fa hampisotroiko mbamin'ny ramevanao koa. Nisotro àry aho, ary nampisotroiny koa ny rameva. 47 Dia nanontany azy aho, nanao hoe: Zanak'iza moa hianao? Ary novaliny hoe: Zanak'i Batoela, zanakalahin'i Nakora, izay naterak'i Melkà taminy, aho. Izay dia nasiako kavina ny orony, ary nasiako haba ny tànany. 48 Ary dia niondrika aho, ka niankohoka teo anatrehan'ny Tompo, ary nisaotra an'ny Tompo Andriamanitr'i Abrahama tompoko, izay nitondra ahy tamin'ny làlana marina, mba haka ny zana-drahalahin'ny tompoko ho an'ny zanany. 49 Koa ankehitriny, raha mba hanao izay soa sy marina amin'ny tompoko hianareo, dia lazao amiko; ary raha tsy izany kosa ambarao ahy ihany, mba hiviliako ho amin'ny an-kavanana na ho amin'ny an-kavia. 50 Dia namaly Labana sy Batoela ka nanao hoe: Avy amin'ny Tompo izao zavatra izao ka tsy azonay atao ny milaza aminao hoe tsy mety na mety.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1539