Ny Jenezy

Toko faha-24

51 Indro Rebekà eo anatrehanao, ento izy ka mandehana, ary aoka ho vadin'ny zanaky ny tomponao izy, araka ny voalazan'ny Tompo. 52 Nony nandre izany ity mpanompon'i Abrahama dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny Tompo. 53 Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin'ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana saro-bidy koa ity anadahiny sy ny reniny. 54 Izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin'ireto olona nomba azy, ary dia nandry. Nony maraina, rahefa nifoha izy ireo, dia hoy ity mpanompo nanao hoe: Alefaso aho hiverina any amin'ny tompoko.

55 Fa hoy ny anadahin-dRebekà sy ny reniny: Aoka re mba hipetrapetraka eto aminay andro vitsivitsy aloha ny zazavavy, hafoloana eo ho eo, vao mandeha, 56 Ary hoy ralehilahy taminy: Aza dia mahela ahy hianareo, fa efa mba nambinin'ny Tompo ny diako; ka alefaso aho handeha hody any amin'ny tompoko. 57 Dia hoy ry zareo: Aoka àry ny zazavavy no hantsointsika hanontaniana izay tiany.

58 Dia nantsoiny Rebekà, ka hoy izy taminy: Te-handeha hiaraka amin'ity lehilahy ity va hianao? Ary hoy ny navaliny: Handeha aho. 59 Izay vao nalefan'izy ireo Rebekà anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ny mpanompon'i Abrahama mbamin'ny olony. 60 Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: Ho tonga alinalina anie hianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin'ny fahavalony anie ny taranakao! 61 Dia niainga Rebekà sy ny ankizivaviny nitaingina teo ambony rameva, niaraka tamin-dralehilahy; ka roso ny dian'ity mpanompo, nitondra an-dRebekà. 62 Tamin'izany Isaaka tonga avy any amin'ny fantsakan'i Kaï-Roy ka nonina teo amin'ny tany Atsimo.

63 Indray hariva, raha ilay nivoaka mba hieritreritra tany an-tsaha iny izy, ka nanopy ny masony, dia indreny misy rameva tamy. 64 Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an'Isaaka, dia nitsambikina niala teny amin'ny rameva; 65 ary nanao tamin'ilay mpanompo hoe: Iza iry lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika iry? Dia hoy ilay mpanompo: Ny tompoko iny. 66 Koa noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany. Nambaran'ity mpanompo tamin'Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony. 67 Dia nampandrosoin'Isaaka Rebekà ho ao an-dain'i Sara reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0556