Ny Jenezy

Toko faha-31

1 Ren'i Jakoba fa ny zanakalahin'i Labana dia nanao vava hoe: Lasan'i Jakoba avokoa izay nananan-draintsika; ary avy amin'ny ananan-draintsika no nahazoany izao fananany rehetra izao.

2 Hitan'i Jakoba fa niova taminy ka tsy tahaka ny taloha intsony ny endrik'i Labana. 3 Ary Iaveh nilaza tamin'i Jakoba hoe: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao, fa homba anao aho. 4 Ka dia nampilaza tamin-dRasela sy Lià izy hankany aminy any an-tsaha, tany amin'ny biby fiompy. 5 Dia hoy izy tamin'ireo: Hitako fa niova tamiko fa tsy tahaka ny taloha intsony ny tarehin-drainareo; fa efa nomba ahy Andriamanitry ny raiko.

6 Fantatrareo ny nanompoako an-drainareo tamin'ny heriko rehetra, 7 sy ny namitahan-drainareo ahy, fa efa navadiny impolo izao ny karamako; nefa tsy navelan'Andriamanitra hahafaty antoka ahy izy. 8 Fa raha nataony hoe: Ny ondry mara rehetra no ho karamanao, dia mara daholo ny terak'ondry; ary raha nataony hoe: ny sadìka rehetra no ho karamanao, dia sadìka avokoa ny terak'ondry. 9 Koa Andriamanitra no naka ny ompin-drainareo, sy nanome izany ho ahy. 10 Tamin'ny fotoana itadiavan'ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin'ny nofy, fa sadìka sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin'ny ondry vavy. 11 Nisy anjelin'Andriamanitra nilaza tamiko, tamin'ny nofy hoe: Ry Jakoba! Ka novaliako hoe: Inty aho. Dia hoy izy: 12 Atopazo ny masonao ka jereo, fa sadìka sy mara ary sada avokoa ny lahy mikambana amin'ny ondry vavy, satria hitako ny nataon'i Labana taminao. 13 Izaho no Andriamanitr'i Betela izay nanosoranao tsangam-bato sy nanaovanao voady. Ary ankehitriny, miaingà hianao, mialà amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao. 14 Dia namaly Rasela sy Lià, ka nanao hoe: Inona intsony moa no anjara sy lova ho anay ao an-tranon-drainay?

15 Tsy efa nataony toy ny vahiny va izahay, fa efa namidiny, ary haniny ny volanay? 16 Tsy izany ihany koa, fa ny harena rehetra nalain'Andriamanitra tamin-drainay, dia azonay, izahay sy ny zanakay. Koa ankehitriny, ataovy izay nandidian'Andriamanitra anao. 17 Dia niainga Jakoba. Natainginy tamin'ny rameva ny zanany sy ny vadiny.

18 Nentiny avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin'ny harena azony rehetra, dia ny biby fiompy nananany, izay azony tany Kanaana. 19 Nandeha nanety ny ondry kosa Labana, ka nangalarin-dRasela ny Terafiman-drainy. 20 Ary Jakoba namitaka an'i Labana, Arameana, fa tsy nampandrenesiny azy ity hitsoahany. 21 Dia nitsoaka izy, dia izy mbamin'ny fananany rehetra, ka niainga izy, dia nita ny ony ary nanitsy nankany amin'ny tendrombohitra Galaada. 22 Tamin'ny andro fahatelo dia nisy nilaza tamin'i Labana fa lasa nitsoaka Jakoba.

23 Ka nitondra ny rahalahiny homba azy izy, dia nanenjika azy lalan-kafitoana, ary nahatratra azy tao an-tendrombohitra Galaada. 24 Fa Andriamanitra kosa tonga tamin'i Labana, Arameana, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin'i Jakoba. 25 Dia tratran'i Labana Jakoba. Ka Jakoba moa efa niorin-day teo an-tendrombohitra, Labana koa nanorina ny azy mbamin'ny rahalahiny teo an-tendrombohitra Galaada. 26 Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Fa naninona ity hianao? Nandiso fisainana ahy hianao, sy nitondra ny zanako vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra.

27 Nahoana no nitsoaka mangina hianao, sady namitaka ahy, fa tsy nampandre ahy akory, dia ho nalefako hianao tamin-kafaliana sy hira, ary tamin'ampongatapaka sy valiha? 28 Tsy mba navelanao akory aho hanoroka ny zanako lahy aman-janako vavy! Marina raha tsy nanao toy ny adala mihitsy hianao. 29 Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako, saingy niteny tamiko Andriamanitry ny rainareo halina, nanao hoe: Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin'i Jakoba. 30 Ary ankehitriny, manina loatra ny tranon-drainao hianao ka nandeha, nefa ahoana no dia nangalaranao ny andriamanitro? 31 Dia namaly Jakoba, ka nanao tamin'i Labana hoe: Izaho dia natahotra, fa nihevitra hoe: Angamba hesoriny amiko ny zanany vavy.

32 Fa izay hahatratraranao ny andriamanitrao kosa, dia aoka tsy ho velona! Ka zahao, eto anatrehan'ny rahalahintsika, izay anao ato amiko, dia alao. Tsy nahalala Jakoba fa hoe Rasela no nangalatra izany. 33 Dia nidiran'i Labana ny lain'i Jakoba sy ny lain'i Lià, ary ny an'ny ankiziny roa vavy, nefa tsy nahitany na inona na inona. Nivoaka avy ao an-dain'i Lià izy, dia niditra tao an-dain-dRasela. 34 Nalain-dRasela kosa ny terafima dia nataony tao amin'ny laselin'ny rameva, ary nipetrahany teo amboniny. Dia nisava ny tao an-day rehetra Labana ka tsy nahita na inona na inona. 35 Ary hoy Rasela tamin-drainy: Aoka tsy ho tezitra ny tompoko; fa tsy afa-mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka izy, tsy nahita ny terafima. 36 Dia tezitra Jakoba ka nanome tsiny an'i Labana; ary niteny Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko, inona no hadisoako, no dia efa milofo ery hianao manenjika ahy?

37 Efa nisava ny entako rehetra hianao izay, ka inona no fanaka avy any an-tranonao hitanao tao? Asehoy eto anatrehan'ny rahalahiko sy ny rahalahinao izany hitsarany antsika mianaka. 38 Roapolo taona izao no nitoerako tao aminao: ny ondry aman'osivavinao tsy nisy namotsotra; ny ondrilahy ao amin'ny biby fiompinao tsy nohaniko. 39 Ny voaviraviran'ny biby dia, tsy mba nentiko tany aminao; izaho no nivesatra ny faty antoka tamin'izany. Notakinao tamiko avokoa, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina. 40 Ny antoandro aho matin'ny hainandro; ny alina matin'ny hatsiaka, ary ny torimaso nanalavitra ny masoko. 41 Roapolo taona izao no nitoerako tao an-tranonao: ny efatra ambin'ny folo taona, nanompoako anao, hahazoako azy mirahavavy zanakao; ny enin-taona kosa, hahazoako tamin'ny biby fiompinao; ary ny karamako efa navadikao impolo. 42 Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia ny Andriamanitr'i Abrahama sy Ilay atahoran'Isaaka, no nomba ahy, tsy maintsy ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako Andriamanitra, ka nitsara antsika izy halina. 43 Dia namaly Labana ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo, dia zanako vavy, ireo zaza ireo dia zanako; ireo biby fiompy ireo, dia biby fiompiko, ary izao hitanao rehetra izao, dia ahy avokoa. Ka inona no hataoko anio amin'ireto zanako vavy ireto, amin'izy ireo sy amin'ny zanany naterany?

44 Koa ankehitriny, avia hanao fanekem-pihavanana isika, dia izaho sy hianao, mba hisy vavolombelona amiko sy aminao. 45 Dia naka vato anankiray Jakoba naoriny ho tsangam-bato,

46 ka hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Manangòna vato. Dia naka vato izy ireo nataony fanataovana; ka nihinana teo ambonin'ny fanataovana izy rehetra. 47 Yegara-Sahadotà no nataon'i Labana anaran'ny fanataovana; fa Galaada kosa no nataon'i Jakoba anarany. 48 Ary hoy Labana: Ity fanataovana ity no vavolombelona amiko sy aminao anio. Izany no nanaovana ny anarany hoe Galaada, 49 dia atao hoe Mitsipà koa ny anarany, satria hoy Labana: Iaveh hanao andry maso ahy sy hianao, rahefa tafasaraka tsy mifankahita isika. 50 Raha ratsy fitondra ny zanako hianao, na maka vady hafa hirafy amin'ny zanako, tsy misy olombelona hanelanelana antsika; nefa tandremo fa Andriamanitra no ho vavolombelona amiko sy aminao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1547