Ny Jenezy

Toko faha-31

51 Ary hoy koa Labana tamin'i Jakoba: Indro ity fanataovana ity, indro ny tsangam-bato naoriko hanelanelana ahy sy hianao. 52 Ity fantaovana ity no vavolombelona, ary ity tsangam-bato ity no vavolombelona fa izaho tsy hihoatra any aminao, any ambadik'ity fanataovana ity; hianao tsy hihoatra aty amiko, aty ambadik'ity fanataovana ity, sy ity tsangam-bato ity, hanisy ratsy. 53 Ary aoka ny Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Nakora ary Andriamanitry ny razan'ireo no hitsara antsika. 54 Dia nianiana tamin'Ilay atahoran'Isaaka Jakoba. Nanatitra sorona teo an-tendrombohitra Jakoba, ka nanasa ny rahalahiny hihinan-kanina. Dia nihinana izy ireo, sy nipetraka teo an-tendrombohitra nandritra ny alina. 55 Nony ampitso maraina Labana nanoroka ny zanany lahy aman-janany vavy, dia nitso-drano azy, vao lasa niverina ho any an-tranony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1384