Ny Jenezy
Jenezy toko 41
Nofin'i Faraona sy fisandratan'i Josefa.
1Nony afaka roa taona nipaka dia nanonofy Faraona: Indro nitsangana teo amoron'ny ony izy; 2ary indro nisy ombivavy fito mahafinaritra sady matavy, niakatra avy ao amin'ny ony sy lasa niraotra tao amin'ny ahi-maitso. 3Nanaraka ireo indray dia indreto ombivavy fito hafa ratsy tarehy, mahia, niakatra avy ao amin'ny ony, dia nankeo anilan'iretsy ombivavy efa teo amoron'ny ony rahateo. 4Ary nohanin'ireto ombivavy ratsy tarehy sady mahia iretsy ombivavy mahafinaritra sady matavy. Dia nahatsiaro Faraona.
5Fa natory indray izy dia nanonofy fanindroany; ary indreo nisy salohim-bary fito sady vaventy no tsara tarehy, nisondrotra avy amin'ny tahony iray ihany. 6Nanaraka ireo indray nisy salohim-bary fito naniry sady mahia no main'ny rivotra avy any atsinanana. 7Ary natelin'ireto salohim-bary mahia, iretsy salohim-bary vaventy sady feno tsara. Dia nahatsiaro Faraona; ka indro nofy izany.
8Nitebiteby ny fanahin'i Faraona nony maraina ka nampiantso ny mpanoratra sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta izy. Notantarainy tamin'ireo ny nofiny; nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamin'i Faraona. 9Izay ilay lehiben'ny mpandroso divay vao niteny ka nilaza tamin'i Faraona nanao hoe: Ndeha hampahatsiaro ny fahadisoako taloha aho anio. 10Fony Faraona tezitra tamin'ny mpanompony ka nandatsaka ahy an-tranomaizina, tao an-tranon'ny lehiben'ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben'ny mpitàntana mofo, 11dia nanonofy izahay, indray alina, ka samy nanana ny nofiny izaho sy izy, samy araka ny hevitry ny nofiny avy. 12Niaraka taminay kosa, dia nisy tao zatovo Hebrio, mpanompon'ny lehiben'ny mpiambina, nitantaranay ny nofinay, ka nambarany taminay ny heviny, samy nilazany ny hevitry ny azy avy izahay. 13Ary tanteraka ny zavatra araka ny hevitra nambarany, fa izaho moa, naverin'i Faraona amin'ny raharahako; izy kosa nahantona.
14Dia nampiantsoin'i Faraona Josefa, ka navoaka hiala faingana tao an-tranomaizina. Ary niharatra sy niova fitafiana izy, dia nankany amin'i Faraona.
15Ary hoy Faraona tamin'i Josefa: Nanonofy aho, ka tsy nisy nahalaza ny heviny, ary nandre fa hoe mahalaza ny hevitry ny nofy ambara aminao hianao. 16Dia hoy ny navalin'i Josefa tamin'i Faraona: Tsy izaho fa Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan'i Faraona. 17Ka hoy Faraona tamin'i Josefa: Nofiko nitsangana teo amoron'ny ony aho; 18ary indreo nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy, niakatra avy ao amin'ny ony ka lasa niraotra tao amin'ny ahi-maitso. 19Nanaraka ireo, dia indreo ombivavy fito hafa koa, mahia, ratsy tarehy, sady kaozatra ery, tsy mbola hitako izay ratsy toy izany teto amin'ny tany Ejipta rehetra. 20Nohanin'ireo ombivavy mahia sady ratsy tarehy iretsy ombivavy nialoha azy, dia ireo matavy, 21ka tafiditra tao an-kibony ireo; nefa tsy fantatra ho mby ao an-kibony akory, fa mbola ratsy toy ny taloha ihany ny fijery azy. Izay dia nahatsiaro aho. 22Fa nanonofy indray aho, ka indreo nisy salohim-bary fito feno voa sady tsara tarehy nisondrotra avy amin'ny tahony iray ihany. 23Ary indreo kosa nisy salohim-bary fito botry, mahia sady main'ny rivotra avy any atsinanana, izay naniry nanaraka an'ireny. 24Ary natelin'ireto salohim-bary mahia, iretsy salohim-bary tsara tarehy. Nambarako tamin'ny mpanoratra izany, fa tsy misy mahalaza ny heviny.
25Dia hoy Josefa tamin'i Faraona: Iray ihany ny nofin'i Faraona, ary izay efa hataon'Andriamanitra no nambarany tamin'i Faraona. 26Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona; ny salohim-bary fito tsara tarehy dia fito taona koa; nofy iray ihany izany. 27Ny ombivavy fito saozanina sy ratsy tarehy niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ny salohim-bary foana sy main'ny rivotra avy any atsinanana moa, dia ho fito taona mosarena. 28Koa izany no teny nataoko tamin'i Faraona: izay efa hataon'Andriamanitra no nasehony tamin'i Faraona. 29Indro hisy fito taona zina indrindra eran'ny tany Ejipta rehetra. 30Manaraka izany, hisy kosa fito taona mosarena, ka amin'ny tany Ejipta ho hadino izany fahavokaram-be rehetra izany, ary ny mosary handevona ny tany. 31Tsy ho fantatra intsony ny nisian'ilay fahavokarana noho ny mosary hanaraka izany ao amin'ny tany, fa ho mafy erý. 32Ary ny nofin'i Faraona no naverina indroa, dia satria zavatra naraikitr'Andriamanitra izany sady hotanterahin'Andriamanitra faingana. 33Koa ankehitriny aoka Faraona hizaha lehilahy manan-tsaina sy hendry, ka hanendry azy hanapaka ny tany Ejipta. 34Aoka koa Faraona hanendry mpikarakara hitandrina ny tany, hanangona ny ampahadimin'ny vokatra ao amin'ny tany Ejipta mandritra ny fito taon-jina. 35Aoka hovorin'ireo ny vokatra rehetra azony amin'ireo taona tsara ho avy; aoka hangoniny be dia be ny vary hapetraka eo am-pelatànan'i Faraona ary hatao fitaovana amin'ny tanàna ka hotahirizina. 36Dia izany hanina tehirizina izany, no ho fitaovana amin'ny fito taona mosarena ho tonga amin'ny tany Ejipta; dia tsy ho levon'ny mosary ny tany. 37Sitrak'i Faraona sy ny mpanompony rehetra izany teny izany; 38Ka hoy Faraona tamin'ny mpanompny: Hahita lehilahy tahaka an'ity indray va isika, izay manana ny fanahin'Andriamanitra ao aminy? 39Dia hoy Faraona tamin'i Josefa: Rehefa hianao no efa nampahafantarin'Andriamanitra izany rehetra izany, dia tsy hisy olona hanan-tsaina sy hendry tahaka anao indray. 40Koa dia hianao no hanapaka ny momba ny tranoko, ary ny vahoaka rehetra hanaraka ny teninao; ny seza fiandrianana ihany no haha-ambony ahy noho hianao. 41Ary hoy Faraona tamin'i Josefa: Indro atsangako hanapaka ny tany Ejipta rehetra hianao. 42Dia nalain'i Faraona ny peratra tamin'ny tànany, ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa; sady nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony. 43Nampitaingeniny ny kalesiny faharoa izy, ary nisy niantso teo alohany hoe: Mandohaliha. Toy izany no nananganana azy ho mpanapaka ny tany Ejipta rehetra. 44Ary hoy Faraona tamin'i Josefa: Izaho no Faraona, ary raha tsy teninao, tsy hisy hanainga ny tànany na ny tongony eto amin'ny tany Ejipta rehetra.
45Nomen'i Faraona anarana hoe Tsafnata-Paneaka Josefa; ary natolony ho vadiny Aseneta zanakavavin'i Potifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga Josefa hamangy ny tany Ejipta. 46Efa telopolo taona Josefa raha niseho teo anatrehan'i Faraona, mpanjakan'i Ejipta. Ary niala teo anatrehan'i Faraona izy handeha hitety ny tany Ejipta rehetra.
47Nahavokatra tsy omby fampana ny tany, nandritra ny taon-jina fito. 48Ka Josefa namory ny vokatry ny tany rehetra tamin'izany fito taona izany tany Ejipta, nanangona fitaovana tamin'ny tanàna izy, fa isan-tanàna dia samy nampidirany ny vokatry ny tany manodidina azy avy. 49Koa nahangona vary hoatra ny fasika any an-dranomasina Josefa; ary noho ny fahabetsahany mihoa-pampana dia najanona ny fanisana azy, fa efa tsy tambo hisaina intsony.
50Talohan'ny nahatongavan'ny taona mosarena, dia niteraka roa lahy Josefa, izay naterak'i Aseneta, zanakavavin'i Potifara mpisorona tao Ona, taminy. 51Ka ny lahimatoa nataon'i Josefa hoe Manase, fa hoy izy: Efa nampanadinoin'Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra sy ny tranon'ikaky rehetra; 52ary ny zandriny nataony hoe Efraima, fa hoy izy: Efa nampitombo ahy Andriamanitra atý amin'ny tany nijaliako.
53Nony tapitra ny taon-jina fito tamin'ny tany Ejipta, 54dia niandoha kosa ny fihavian'ny taona fito mosarena, araka ny voalazan'i Josefa. Ny tany rehetra dia nisy mosary, fa ny tany Ejipta kosa dia nanan-kanin-kohanina. 55Taty aoriana tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin'i Faraona ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy Faraona tamin'ny Ejipsiana rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa, ary ataovy izay lazainy aminareo. 56Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary, novohan'i Josefa ny tranom-bary rehetra naorina tany, ary nivarotra tamin'ny Ejipsiana izy; ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin'ny tany Ejipta. 57Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin'ny tany rehetra, hividy vary amin'i Josefa, fa nihamafy ny mosary tamin'ny tany rehetra. >