Ny Jenezy

Toko faha-41

51 Ka ny lahimatoa nataon'i Josefa hoe Manase, fa hoy izy: Efa nampanadinoin'Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra sy ny tranon'ikaky rehetra; 52 ary ny zandriny nataony hoe Efraima, fa hoy izy: Efa nampitombo ahy Andriamanitra atý amin'ny tany nijaliako. 53 Nony tapitra ny taon-jina fito tamin'ny tany Ejipta,

54 dia niandoha kosa ny fihavian'ny taona fito mosarena, araka ny voalazan'i Josefa. Ny tany rehetra dia nisy mosary, fa ny tany Ejipta kosa dia nanan-kanin-kohanina. 55 Taty aoriana tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin'i Faraona ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy Faraona tamin'ny Ejipsiana rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa, ary ataovy izay lazainy aminareo. 56 Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary, novohan'i Josefa ny tranom-bary rehetra naorina tany, ary nivarotra tamin'ny Ejipsiana izy; ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin'ny tany Ejipta. 57 Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin'ny tany rehetra, hividy vary amin'i Josefa, fa nihamafy ny mosary tamin'ny tany rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0792