Bokin'i Jeremia

Toko faha-51

51 Menatra izahay, fa nandre ny fanalam-baraka; safo-kenatra ny tarehinay, fa ny hafa firenena no tonga, nanevateva ny fitoerana masina, ao an-tranon'ny Tompo.

52 Koa indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, hamangiako ny sampiny, ka hitoloko eran'ny taniny rehetra ny vonoina ho faty.

53 Na hisondrotra hatrany an-danitra aza Babela, na hataony tsy azo anihina aza ny tranony mimanda avo, dia ho tongan'ny mpandrava ihany izy, noho ny didiko, - teny marin'ny Tompo.

54 Injany misy horakoraka manako any amin'i Babela any: loza lehibe any amin'ny tanin'ny Kaldeana!

55 Fa mandrava an'i Babela Iaveh, ka ataony mitsahatra ny tabatabany maresaka; mirohondrohona hoatra ny ranobe ny onjan'izy ireo, dia mandefa ny feon'ny firohondrohony.

56 Satria tonga namely azy ny mpandrava, namely an'i Babela; voasambotra ny mpiady maheriny; tapatapaka ny tsipìkany; fa Andriamanitry ny famaliana Iaveh, dia hamaly marina tokoa izy!

57 Hataoko mamo ny mpanapaka aman'olon-kendriny, ny governora amam-pitsarany, ary ny mpiady maheriny, ka ho raiki-tory amin'ny torimaso mandrakizay ireo, dia tsy hifoha intsony, - teny marin'ny Mpanjaka, izay manana anarana hoe: Iavehn'ny tafika.

58 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Efa voafongotra mihitsy ny mandan'i Babela malalaka be; ary voadotra ny vavahadiny avo be. Ka dia zava-poana izany no isasaran'ny vahoaka, ho an'ny afo no hisasaran'ny firenena, ka lany hery foana amin'izay izy.

59 Didy nomen'i Jeremia, mpaminany, an'i Saraiasa, zanak'i Nerisa, zanak'i Maasiasa fony izy nandeha nankany Babilona, niaraka tamin'i Sedesiasa mpanjakan'i Jodà, tamin'ny taona fahefatra nanjakany. Fa Saraiasa no lehiben'ny tao an-dain'ny mpanjaka.

60 Nosoratan'i Jeremia tamin'ny boky iray, avokoa, ny loza hanjo an'i Babilona, dia ireo teny rehetra voasoratra ny amin'i Babilona ireo.

61 Ary hoy Jeremia tamin'i Saraiasa: Rahefa tonga any Babilona hianao dia tandremo ny mba hamaky ireo teny ireo, dia ataovy hoe: 62 Iaveh ô, hianao no nilaza ny amin'ity fitoerana ity fa ho ravana izy ka tsy hisy honina eto intsony, na olona na biby, fa ho tany maty mandrakizay izy! 63 Ary rahefa tapitra ny famakiana ity boky ity, dia asio vato mifehy aminy, ka atsipazo any afovoan'i Eofrata any izy,

64 sy ataovy hoe: Toy izao no hilentehan'i Babilona, sy tsy hifongarany intsony, avy amin'ny loza hahatrako aminy, fa ho lavo lany hery izy. Hatreo no tenin'i Jeremia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.081