Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-4

1 Nony fantatry ny Tompo fa ren'ny Farisiana hoe maromaro kokoa ny mpianatr'i Jesoa sy ny olona ataony batemy noho ny an'i Joany

2 - na dia tsy izy aza fa ny mpianany no nanao batemy ny olona, - 3 dia niala tany Jodea izy ka nankany Galilea indray. 4 Ary tsy maintsy hamaky an'i Samaria izy, 5 ka tonga tany amin'ny tanànan'i Samaria anankiray atao hoe Sikara, akaikin'ny saha nomen'i Jakoba an'i Josefa zanany; 6 teo no nisy ny fantsakan'i Jakoba. Ary sasatry ny dia nalehany Jesoa ka nipetraka tsotra izao teo amoron'ny fantsakana, tokony ho tamin'ny ora fahenina. 7 Dia inty nisy vehivavy Samaritana anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy Jesoa taminy: Mba omeo kely aho hosotroiko,

8 fa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany. 9 Dia hoy ilay vehivavy Samaritana taminy: Nahoana hianao no Jody ka no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritana). 10 Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao mantsy ny fanomezan'Andriamanitra sy izay milaza aminao hoe: Mba omeo kely aho hosotroiko, dia hianao indray aza no ho nangataka taminy, ka homeny rano velona. 11 Hoy ravehivavy taminy: hianao, Tompoko, tsy manan-kanovozana, ary ny fantsakana lalina; ka aiza ange no hahazoanao izany rano velona izany? 12 Hianao angaha lehibe noho i Jakoba razantsika, izay nahazoanay ity fantsakana ity sy nisotro teto na ny tenany, na ny zanany mbamin'ny bibiny? 13 Dia hoy Jesoa namaly azy: Izay rehetra misotro amin'ity rano ity mbola hangetaheta ihany; fa izay hisotro amin'ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay, 14 satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin'ny fiainana mandrakizay. 15 Ka hoy ravehivavy taminy: Omeo amin'izany rano izany re aho, Tompoko, mba tsy hangetaheta intsony, dia tsy hankaty hantsaka koa. 16 Fa hoy Jesoa taminy: Mandehana miantsoa ny vadinao, ka mankanesa atý.

17 Tsy manam-bady aho, hoy ravehivavy. Dia hoy Jesoa taminy: Marina ny filazanao hoe: tsy manam-bady aho; 18 fa efa nanam-bady indimy hianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny, ka marina ny voalazanao. 19 Dia hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa Mpaminany hianao. 20 Ny razanay nivavaka teo amin'io tendrombohitra io, ary hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy hivavahana. 21 Ary hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, minoa ahy, fa tonga ny andro, ka tsy amin'io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin'ny Ray. 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jody ny famonjena. 23 Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan'ny mpivavaka marina amin'ny Ray amin'ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin'ny Ray. 24 Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy fahamarinana. 25 Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: Fantatro fa avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy); ka rahefa tonga izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra. 26 Hoy Jesoa taminy: Izaho izay miresaka aminao izao no izy. 27 Tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Ahoana no iresahanao aminy?

28 Ravehivavy kosa tamin'izay dia nandao ny sininy ka lasa nankany an-tanàna nilaza tamin'ny olona hoe: 29 Andeha hianareo hizaha izao Lehilahy izao, fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra; ka izao angaha no Kristy? 30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona hanatona an'i Jesoa. 31 Mbola tsy tonga ny olona dia nanasa azy ny mpianany nanao hoe: Hano, Raby ô. 32 Fa hoy izy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo. 33 Dia nifampilaza hoe ny mpianany: Nisy olona nanati-javatra hohaniny angaha? 34 Fa hoy Jesoa tamin'izy ireo: Ny haniko dia ny manao ny sitra-pon'izay naniraka ahy, sy ny manatanteraka ny asany. 35 Moa tsy lazainareo fa mbola efa-bolana sisa ny taom-pijinjana? Kanefa lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka tazano ny eny an-tsaha, fa efa manopy mena sahady ny vary ka efa ho fijinja. 36 Izay mijinja dia mandray karama, ary mamory vokatra ho an'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. 37 Fa amin'ity marina ilay ohabolana hoe: Hafa no mamafy, hafa no mijinja. 38 Nirahiko hijinja amin'izay tsy nasainareo hianareo, fa olon-kafa no niasa, ka hianareo no nanohy ny asany. 39 Maro ny Samaritana tamin'izany tanàna izany no nino azy, noho ny tenin-dravehivavy nanao hoe: Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra.

40 Fa nony tonga teo aminy ny Samaritana, dia nangataka azy hitoetra tao aminy, ary nitoetra tao indroa andro izy. 41 Ka vao mainka maro aza no nino azy noho ny teny nataony, 42 sy nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao intsony no inoanay fa ny tenanay izao no nandre, ka fantatray fa izy tokoa no Mpamonjy ny olona. 43 Nony afaka ny indroa andro, dia niala tao izy ka nankany Galilea.

44 Fa araka ny efa voalazany dia tsy misy mpaminany hajaina amin'ny taniny. 45 Ary nony tonga tany Galilea izy, dia noraisin'ny Galileana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin'ny andro fety, fa tany koa izy ireo tamin'ny fety. 46 Dia nankany Kanà any Galilea indray izy, tany amin'ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janakalahy narary tany Kafarnaoma,

47 ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea Jesoa, dia nanatona azy izy ka nangataka azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty. 48 Fa hoy Jesoa taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana hianareo, dia tsy mba mety mino; 49 ka hoy ilay manamboninahitra taminy: Andeha re, Tompoko dieny mbola tsy maty ny zanako. 50 Dia hoy Jesoa taminy: Modia, fa velona ny zanakao. Ary nino ny teny nolazain'i Jesoa taminy izy ka lasa nody.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1081