Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

51 Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra: 52 raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. 53 Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: Hataon'ilay io ahoana àry no fanome antsika ny nofony hohanina? 54 Fa hoy Jesoa tamin'izy ireo: Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona hianareo sy tsy misotro ny rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. 55 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin'ny farandro. 56 Fa tena fihinana ny nofoko, ary tena fisotro ny rako. 57 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia mitoetra ao anatiko, ary izaho ao anatiny. 58 Velona ny Ray naniraka ahy, izaho koa dia velona amin'ny Ray: toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana ahy. 59 Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay. 60 Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin'ny sinagoga tany Kafarnaoma izy.

61 Betsaka tamin'ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe: Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany? 62 Ary fantatr'i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka hoy izy taminy: Mahatafintohina anareo va izany? 63 Hanao ahoana hianareo, raha mahita ny Zanak'olona miakatra any amin'izay toerany taloha. 64 Ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr'inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana. 65 Nefa misy tsy mino aminareo. Fa fantatr'i Jesoa hatramin'ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika azy. 66 Ary hoy izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona ahy raha tsy nomen'ny Ray azy izany. 67 Hatramin'izay dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony. 68 Ka hoy Jesoa tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala? 69 Dia namaly Simona Piera ka nanao taminy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza àry izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay; 70 ary izahay efa nino sy nahalala fa hianao no ilay Masin'Andriamanitra. 71 Jesoa namaly azy ireo hoe: Moa tsy izaho no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy? nefa demony ny iray aminareo. 72 Jodasy zanak'i Simona Iskariota no nantsoiny, fa io, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, no hamadika azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2119