Bokin'i Josoe
Josoe toko 15
Faritanin'i Jodà.
1Ny anjara lasan'ny fokon-taranak'i Jodà, araka ny fianakaviany, tamin'ny filokana, dia nitatra hatrany amin'ny faritanin'i Edoma hatrany amin'ny efitra Sina any atsimo any amin'ny farany atsimo.
2Ny faritry ny taniny amin'ny atsimo dia niantomboka avy amin'ny faran'ny ranomasin-tSira dia amin'ny tendrony mitodika atsimo, 3ka nitohy ao atsimon'ny fiakarana Akdrabima, dia mahazo an'i Sina, sy miakatra any atsimon'i Esrona, niakatra mankany Adara, niolaka any Karkaà, 4avy eo dia nahazo an'i Asmona, nitohy hatramin'ny ranon-driakan'i Ejipta, dia nihatra hatrany amin'ny ranomasina ny faritry ny taniny. Izany no ho faritry ny taninareo any atsimo. 5Ary ny ranomasin-tSira hatramin'ny vavaranon'i Jordany no faritry ny tany atsinanana.
Ny faritry ny tany avaratra dia hatreo amin'ny helo-dranomasin-tSira, amin'ny vavaranon'i Jordany, 6ka niakatra hatrany Beti-Aglà ny faritry ny tany, dia nihazo any avaratr'i Beti-Arabà, ary niakatra hatramin'ny vaton'i Boena, zana-dRobena, ny faritry ny tany; 7niakatra any Debera, nony mby eo amin'ny lohasaha Akora ny faritry ny tany dia nihodina mianavaratra mankany Galgalà, izay manandrify ny fiakaran'i Adomima, atsimon'ny ranon-driaka, ary ny faritry ny tany nihazo tao akaikin'ny ranon'i En-Semesa, ka nihatra hatrany En-Rogela. 8Ary ny faritry ny tany niakatra eo amin'ny lohasahan'i Ben-Enoma, hatrany amin'ny kisolasola atsimon'ny Jeboseana, dia Jerosalema; avy eo dia nisondrotra ny faritry ny tany hatrany an-tampon'ny tendrombohitra manandrify ny lohasaha Enoma eo andrefany, sy amin'ny faran'ny tany lemaky ny Rafaima eo avaratra. 9Avy eo an-tampon'ny tendrombohitra dia nizotra ny faritry ny tany hatrany amin'ny lohan'ny ranon'i Neftoà, nihatra amin'ny tanàna ao an-tendrombohitra Efrona; nandroso ny faritry ny tany mankany Baala, dia Kariata-Jearima izany. 10Avy eo Baala ny faritry ny tany dia niolaka miankandrefana mankany amin'ny tendrombohitra Jarima, dia Keslona izany, nidina mankany Betisamesa nihazo an'i Tamà. 11Ny faritry ny tany nipaka amin'ny kisolasola avaratr'i Akarona, ary nizotra ny faritry ny tany mankany Sekrona, nihazo amin'ny tendrombohitra Baala ary nipaka amin'i Jebneela ary nihatra amin'ny ranomasina. 12Ary ny faritry ny tany andrefana dia ny ranomasina lehibe sy ny taniny.
Izany no faritry ny tanin'ny taranak'i Joda, araka ny fianakaviany, amin'ny lafiny rehetra.
13Araka ny didin'ny Tompo tamin'i Josoe, nomena anjara teo afovoan'ny taranak'i Jodà Kalefa zanak'i Jefone, dia ny tanànan'i Arbe, rain'Enaka, dia Hebrona izany. 14Noroahin'i Kaleba hiala tao izy telo lahy, zanak'i Enaka, dia Sesaia, Ahimàna ary Tolmaia taranak'i Enaka. 15Avy tao, dia niakatra namely ny mponina tao Dabira indray izy. Kariata-Sefera no anaran'i Dabira taloha. 16Hoy Kaleba: Homeko an'i Aksa zanako vavy ho vadiny izay handresy an'i Kariata-Sefera, ka hahafaka azy. 17Otoniela zanak'i Keneza, rahalahin'i Kaleba, no nahafaka azy ka nomen'i Kaleba azy Aksa zanany vavy, ho vadiny. 18Nony nankany amin'i Otoniela ravehivavy, dia namporisika azy hangataka saha amin-drainy; nidina niala tamin'ny ampondrany izy, ka hoy rainy taminy: Inona no ilainao? 19Ary izao no navaliny: Mba omeo fanomezana aho, tany tsy misy rano no namponenanao ahy; ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny ny loharano ambony sy ny loharano ambany izy.
20Izany no lovan'ny fokon-taranak'i Joda, araka ny fianakaviany.
21Ny tanàna izay ao amin'ny fara sisin'ny fokon-taranak'i Joda, manolotra ny faritanin'i Edoma, ny tao amin'ny Negebe, dia Kabseela, Edera, Jagora, 22Kinà, Dimonà, Adadà, 23Kadesa, Asora, sy Jetnama, 24Zifa, Telema, Balota, 25Asora vaovao sy Kariota-Hesrona, dia Asora izany, 26Amama, Samà, Moladà, 27Asergadà Hasemona, Betfeleta, 28Hasersoala, Bersabe, sy Baziotià. 29Baalà, Jima, Esema, 30Eltoloda, Kasila, Harmà, 31Sikelega, Medemenà, Sensenà, 32Lebaota, Seima, Aena, ary Remona: tontaliny, tanàna sivy amby roapolo ary ny zanabohiny.
33Ny tao amin'ny Seeflà dia: Estaola, Sarea, Asena, 34Zanoe, Aen-Ganima, Tafoaha, Enaima, 35Jerimota, Odolama, Sokao, Azeka, 36Saraima, Aditaïma, Gedrà ary Gederotaima: tanàna efatra ambin'ny folo ary ny zanabohiny. 37Sanana, Hadasà, Magdala-Gada, 38Deleana, Masefa, Jektela, 39Lakisa, Baskata, Eglona, 40Kebona, Lehemàna, Ketlisa, 41Giderota, Bet-Dagona, Naamà, ary Makedà: tanàna enina ambin'ny folo ary ny zanabohiny. 42Labana, Etera, Asana, 43Jeftà, Esnà, Nesiba, 44Keilà, Aleziba, ary Maresà, tanàna sivy ary ny zanabohiny, 45Akarona, sy ny tanàna momba azy, ary ny zanabohiny. 46Hatreo Akarona no ho miankandrefana, dia ny tanàna rehetra akaikin'i Azota, mbamin'ny zanabohiny, 47Azota sy ny tanàna momba azy ary ny zanabohiny; Gazà sy ny tanàna momba azy, mbamin'ny zanabohiny, hatramin'ny ranondriakan'i Ejipta, sy hatramin'ny ranomasina Lehibe izay fariny.
48Ny tao amin'ny tendrombohitra dia: Samira, Jetera, Sokota. 49Danà, Kariata-Senà, dia Dabira izany. 50Anaba, Istemao, Anima, 51Gosena, Olòna ary Gilao: tanàna iraika ambin'ny folo ary ny zanabohiny. 52Araba, Domà, Esaàna, 53Janoma, Beti-Tafoà, Afekà, 54Atmatà, Kariat-Arbe, dia Hebrona izany, ary Siora: tanàna sivy, ary ny zanabohiny. 55Maona, Karmela, Zifa, Jotà, 56Jezraela, Jokadama, Zanoe, 57Akaïna, Gabaà, Tamnà: tanàna folo sy ny zanabohiny; 58Halola, Besora, Gedora, 59Mareta, Bet-Anota sy Eltekona, tanàna enina sy ny zanabohiny. 60Kariat-Baala, dia Kariat-Jearima izany ary Arebà: tanàna roa sy ny zanabohiny.
61Ny tao amin'ny efitra: Bet-Aralà, Medina, Sakakà, 62Nebsana, Ir-Hamelàka ary En-Gadi: tanàna enina sy ny zanabohiny.
63Tsy naharoaka ny Jeboseana izay monina ao Jerosalema ny taranak'i Jodà, ka niara-nitoetra tamin'ny taranak'i Jodà ao Jerosalema ny Jeboseana mandraka androany. >