Bokin'i Josoe

Toko faha-15

51 Gosena, Olòna ary Gilao: tanàna iraika ambin'ny folo ary ny zanabohiny. 52 Araba, Domà, Esaàna, 53 Janoma, Beti-Tafoà, Afekà, 54 Atmatà, Kariat-Arbe, dia Hebrona izany, ary Siora: tanàna sivy, ary ny zanabohiny. 55 Maona, Karmela, Zifa, Jotà, 56 Jezraela, Jokadama, Zanoe, 57 Akaïna, Gabaà, Tamnà: tanàna folo sy ny zanabohiny; 58 Halola, Besora, Gedora, 59 Mareta, Bet-Anota sy Eltekona, tanàna enina sy ny zanabohiny. 60 Kariat-Baala, dia Kariat-Jearima izany ary Arebà: tanàna roa sy ny zanabohiny. 61 Ny tao amin'ny efitra: Bet-Aralà, Medina, Sakakà,

62 Nebsana, Ir-Hamelàka ary En-Gadi: tanàna enina sy ny zanabohiny. 63 Tsy naharoaka ny Jeboseana izay monina ao Jerosalema ny taranak'i Jodà, ka niara-nitoetra tamin'ny taranak'i Jodà ao Jerosalema ny Jeboseana mandraka androany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0985