Levitika

Toko faha-14

51 Ary halainy ny hazo sedra sy ny hisopa, mbamin'ny lamba mena antitra, sy ny vorona mbola velona, hatsobony ao anatin'ny ran'ilay vorona novonoina sy ao anatin'ny rano velona ka amafazany ny trano impito. 52 Dia handiovany ny trano ny ràn'ilay vorona, ny rano velona, ny vorona velona, ny hazo sedra, ny hisopa, ny lamba mena antitra; 53 ary halefany ho any ivelan-tanàna any an-tsaha ilay vorona velona. Toy izany no hanaovany ny fanonerana ho an'ny trano, dia hadio izy. 54 Izany no lalàna momba ny fery habokàna, sy ny kimavo,

55 ny habokàna amin'ny fitafiana sy ny trano, 56 ny mamontsina, ny anakandro, ary ny hodi-potsy. 57 Izany no hahalalana na maloto na madio ny zavatra anankiray. Izany no lalàna momba ny habokàna.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0375