Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-12

51 Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana ety an-tany aho? Tsia, hoy izaho aminareo, fa fampisarahana aza. 52 Satria hatramin'izao raha olona dimy an-trano iray, dia hanao andaniny, ka hifanohitra ny telo amin'ny roa, ary ny roa amin'ny telo; 53 ny ray amin'ny zanany lahy, ary zanakalahy amin'ny rainy; ny reny amin'ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny; ny rafozambavy amin'ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy. 54 Dia hoy koa izy tamin'ny vahoaka: Raha vao mahita rahona avy any andrefana hianareo, dia manao hoe: Ho avy ny orana, ka avy tokoa izy;

55 ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy hianareo: Hafana ny andro, ka tonga tokoa izany. 56 Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao? 57 Nahoana koa no tsy amantaran'ny tenanareo izay marina?

58 Fa raha miara-mandeha amin'izay manana ady aminao hianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dàlana hianareo, fandrao tongany any amin'ny mpitsara hianao ka atolotry ny mpitsara amin'ny mpamatotra, ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina. 59 Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao hianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1438