Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-2

1 Tamin'izany andro izany dia namoaka didy Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran'ny vahoakany amin'ny tany rehetra:

2 dia fony Sirinosy no governoran'i Siria no natao izany fanoratana voalohany izany. 3 Dia samy nankany amin'ny tanàna nihaviany avy izy rehetra mba hosoratana. 4 Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan'i Davida atao hoe Betlehema, fa taranaka sy fianakavian'i Davida izy, 5 mba hosoratana izy sy Maria vadiny izay bevohoka. 6 Fa raha tao izy, dia tonga ny fotoana hiterahan'i Maria, 7 ary niteraka ny zanany lahimatoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny. 8 Ary tamin'izany tany izany nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina.

9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitr'Andriamanitra nanelatrelatra manodidina azy ireo ka natahotra dia natahotra izy. 10 Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra hianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an'ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo; 11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. 12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: dia hahita zaza kely voahodidina lamba-jaza, sady mandry ao amin'ny fihinanam-bilona hianareo. 13 Ary niaraka tamin'izay nisy antokon'ny tafika any an-danitra tonga teo amin'ilay anjely, ka nidera an'Andriamanitra, nanao hoe: 14 Voninahitra ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra, ary fiadanana etý an-tany ho amin'ny olona tsara sitra-po! 15 Ary rahefa nandao azy ireo ny anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ny mpiandry ondry nanao hoe: Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin'ny Tompo antsika izany.

16 Dia nankany haingana izy, ka nahita an'i Maria sy Josefa ary ny Zaza kely mandry amin'ny fihinanam-bilona; 17 ary rahefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. 18 Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin'izay nolazain'ny mpiandry ondry taminy; 19 fa Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony. 20 Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy. 21 Ary rahefa afaka ny havaloan'andro ka hoforana ny Zaza, dia natao hoe Jesoa no anarany, araka ilay nataon'ny anjely fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo izy.

22 Ary rahefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn'i Moizy, dia nentiny ho any Jerosalema izy mba hatolotra amin'ny Tompo,

23 araka ny voasoratra ao amin'ny Lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe masina ho an'ny Tompo, 24 ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa, araka ny voalaza ao amin'ny Lalàn'ny Tompo. 25 Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an'Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina,

26 sady efa nanambaran'ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo. 27 Dia nentin'ny Fanahy Masina izy hankao amin'ny tempoly, ka nony nitondra an'i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin'ny Lalàna ny aminy, 28 dia nitrotro azy izy ka nisaotra an'Andriamanitra nanao hoe: 29 Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, 30 fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, 31 izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra, 32 dia fahazavana hanilo ny jentily sady voninahitr'Israely olonao. 33 Dia gaga ny ray aman-drenin'ny Zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy.

34 Ary nitso-drano azy ireo Simeona, ka nilaza tamin'i Maria renin'ny Zaza hoe: Indro, ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin'Israely ary ho famantarana hotoerina, 35 -ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra - mba hiseho ny hevitry ny fo maro. 36 Ary nisy koa mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanak'i Fanoela fokon'i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian'ny nahavirjiny azy,

37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin'ny tempoly, fa nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina tamin'ny fifadian-kanina sy fivavahana. 38 Tonga koa izy tamin'izany fotoana izany, ka nidera an'Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana an'i Jerosalema. 39 Ary nony tanterak'izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn'ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.

40 Ary nitombo sy nihatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan'Andriamanitra. 41 Ary isan-taona ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema amin'ny andro fetin'ny Paka;

42 ka nony efa roa ambin'ny folo taona izy, dia niakatra araka ny fanao amin'izany fety izany izy ireo, 43 ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema Jesoa zazakely, nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany. 44 nataon'izy ireo ho niaraka tamin'ny niray dia taminy izy, ka nandeha làlana indray andro vao nitady azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany; 45 ary nony tsy nahita azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady azy. 46 Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin'ny tempoly izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy,

47 ary talanjona izay rehetra nandre azy noho ny fahendreny sy ny famaliny. 48 Ary nony nahita azy izy ireo dia gaga, ary hoy reniny taminy: Anaka, nahoana hianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady anao. 49 Fa hoy izy taminy: Nahoana no nitady ahy hianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin'ny Raiko aho? 50 Faingy tsy azon'izy ireo ny teny nolazainy taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1363