Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-22

1 Efa mby akaiky ny fetin'ny Azima atao hoe Paka,

2 ary ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nikaroka izay hevitra hamonoana an'i Jesoa, fa natahotra ny vahoaka izy ireo. 3 Nidiran'i Satana kosa Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anisan'ny roa ambin'ny folo lahy, 4 ka lasa izy nankany amin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny manam-pahefana niraharaha ny amin'izay hanolorany azy amin'izy ireo. 5 Dia faly izy ireo ka nanaiky hanome vola azy. 6 Ary nanaiky izy ka nikendry izay fotoana tsy hisy olona hanolorany azy. 7 Dia tonga ny andron'ny Azima izay tsy maintsy hamonoana ny zanak'ondrin'ny Paka,

8 ka naniraka an'i Piera sy Joany Jesoa nanao hoe: Mandehana manamboatra ny Paka hohanintsika. 9 Aiza no tianao hanamboaranay azy? hoy ireo. 10 Dia hoy izy taminy: Indro, rahefa miditra ao an-tanàna hianareo, dia hifanena amin'ny lehilahy ananakiray mitondra siny feno rano, ka manaraha azy any amin'izay trano hidirany, 11 dia lazao amin'ny tompon-trano hoe: Izao no asain'ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efi-trano hihinanako ny Paka miaraka amin'ny mpianatro? 12 Dia hotoroany efi-trano malalaka àry fanaka hianareo, ka ao no amboary izay ilaina. 13 Dia nandeha izy ireo ka nahita araka izay nolazainy taminy, ary nanamboatra ny Paka. 14 Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana izy sy ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy. 15 Ary hoy izy tamin'izy ireo: Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo aho alohan'ny hijaliako,

16 fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana azy intsony aho mandra-pahatanterany any amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 17 Dia nandray kalisy izy ka nisaotra, ary nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo; 18 fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra. 19 Rahefa izany, dia nandray mofo izy, ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe: Ity no vatako, izay atolotra ho anareo; manaova izany ho fahatsiarovana ahy. 20 Dia nataony toy izany koa ny kalisy rahefa avy nihinana, ka hoy izy: Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay alatsaka ho anareo. 21 Kanefa indro ny tànan'izay mamadika ahy efa mby eto amiko eto ambony latabatra. 22 Raha ny Zanak'olona, dia mandeha araka ny lahatra; fa loza ho an'izay lehilahy hamadika azy. 23 Dia nifanontany ny mpianatra hoe iza re no dia hahavita izany amin'izy ireo. 24 Ary velona koa ny ady hevitra tamin'izy ireo, momba ny hahalalany izay lehibe indrindra amin'izy ireo,

25 ka hoy Jesoa taminy: Amin'ny jentily ny mpanjaka no mizaka azy rehetra, ary izay mandidy azy no atao hoe mpanao soa; 26 fa aminareo kosa tsy mba toy izany, fa aoka izay lehibe aminareo no ho toy ny zandry, ary izay mandidy no ho toy ny mpanompo. 27 Fa iza moa no lehibebe kokoa, ny mihinana amin'ny latabatra va sa ny manompo? Moa tsy ny mihinana amin'ny latabatra va? Ary izaho anefa eto aminareo dia toy ny mpanompo. 28 Hianareo moa, naharitra nanaraka ahy tamin'izay nanjo ahy, 29 izaho kosa hanamboatra fanjakana ho anareo, tahaka ny nanamboaran'ny Raiko fanjakana ho ahy, 30 mba hihinananareo sy hisotroanareo eo amin'ny latabatro any amin'ny fanjakako, ary hipetrahanareo amin'ny seza fiandrianana hitsara ny foko roa amin'ny folo amin'Israely. 31 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro Satana nitady hikororoka anareo tahaka ny vary,

32 fa izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rahefa mibebaka hianao dia hamafiso ny rahalahinao. 33 Ary hoy Piera taminy: Vonon-kanaraka anao aho, Tompoko, na ho ao an-tranomaizina, na ho any amin'ny fahafatesana aza. 34 Fa hoy Jesoa: Lazaiko aminao, ry Piera, fa mbola tsy haneno ny akoho anio, dia handà intelo ho tsy mahalala ahy hianao. 35 Ary hoy koa izy tamin'ny mpianany: Raha naniraka anareo tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kiraro aho, moa orin-javatra va hianareo?

36 Tsy orin'inona n'inona izahay, hoy izy ireo. Dia hoy izy taminy: Fa amin'izao kosa izay manan-pitapom-bola aoka hitondra azy; toy izany koa izay manan-kitapom-batsy, ary izay tsy manan-tsabatra aoka hivarotra ny akanjony ka hividy iray: 37 fa lazaiko aminareo fa ity teny voasoratra ity koa tsy maintsy ho tanteraka amiko, dia ilay hoe: Natao lasitra iray amin'ny ratsy fanahy izy; fa efa ho tapitra daholo ny amiko. 38 Dia hoy izy ireo: Tompoko, indreto misy sabatra roa. Dia hoy Jesoa taminy: Ampy izay. 39 Dia nivoaka nankany an-tendrombohitra Oliva araka ny fanaony izy, ka nanaraka azy koa ny mpianany.

40 Nony tonga tany izy dia nanao tamin'izy ireo hoe: Mivavaha mba tsy ho azon'ny fakam-panahy hianareo. 41 Dia nihataka tamin'izy ireo tokony ho tra-toraka izy ka nandohalika, dia nivavaka, 42 nanao hoe: Raiko! raha sitrakao, halaviro ahy ity kapoaka ity; ny sitra-ponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny ahy. 43 Tamin'izay dia nisy anjely anankiray avy tany an-danitra niseho taminy sy nankahery azy. Dia voan'ny fiadiana aina izy, fa vao mainka nivavaka mafimafy kokoa. 44 Ary nanjary toy ny rà ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin'ny tany. 45 Nony nitsangana avy nivavaka izy, dia nankeo amin'ny mpianany ka nahita azy matory noho ny alahelo, 46 ary nilaza taminy hoe: Nahoana no matory hianareo? Mifohaza, ka mivavaha mba tsy ho azon'ny fakam-panahy hianareo. 47 Raha mbola niteny izy, dia indro nisy andian'olona maromaro nitranga, ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, no loha làlana, ary nanatona an'i Jesoa ilay io mba hanoroka azy.

48 Ary hoy Jesoa taminy: Ry Jodasy, dia fanorohana lahy no amadihanao ny Zanak'olona? 49 Nony hitan-dry zareo teo amin'i Jesoa izay hanjò, dia hoy izy taminy: Tompoko, mba hamely amin'ny sabatra va izahay? 50 Dia nasian'ny anankiray taminy tokoa ny mpanompon'ny lehiben'ny mpisorona, ka afaka terý ny sofiny an-kavanana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1092