Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-22

51 Fa hoy Jesoa: Aoka izay. Dia nanendry ny sofin-dralehilahy izy, ka nahasitrana azy. 52 Ary hoy Jesoa tamin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpandraharaha amin'ny tempoly ary ny loholona izay tonga teo handray azy: Mova tsy ny hisambotra jiolahy izato fihavinareo, mitondra sabatra sy langilangy! 53 Teo aminareo isan'andro tao an-tempoly aho, nefa tsy nikasi-tànana ahy akory hianareo; fa izao tonga ny fotoanareo sy ny herin'ny maizina. 54 Dia nisambotra azy izy ireo ka nitondra azy tany an-tranon'ny lehiben'ny mpisorona. Piera izany nanaraka teny lavidavitra eny ihany.

55 Ary nampirehitra afo teo afovoan'ny tokotany ny olona, dia nipetraka nanodidina, ka mba niara-nipetraka taminy teo koa Piera. 56 Nisy ankizivavy anankiray kosa nahita azy nipetraka tao akaikin'ny afo, ka nijery azy, dia nanao hoe: Ity koa niaraka taminy. 57 Fa nandà Piera nanao hoe: Ravehivavy, tsy mahalala azy akory aho. 58 Nony afaka kelikely dia nisy lehilahy anankiray koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa lahy naman'irony olona irony. Fa hoy Piera: Ry sakaiza, tsy nàmany akory aho. 59 Ora iray taorian'izany, dia nisy hafa nilaza tamim-pitokiana hoe: Tena marina raha tsy nàmany koa ralehilahy ity, satria Galileana izy. 60 Dia hoy Piera: Ry sakaiza, tsy fantatro izay lazainao. Niaraka tamin'izay raha mbola niteny izy, dia naneno ny akoho. 61 Ary nitodika nijery an'i Piera ny Tompo, ka tsaroan'i Piera ilay tenin'ny Tompo nanao hoe: Alohan'ny maneno akoho anio, dia handà ahy intelo hianao; 62 dia nivoaka tany ivelany izy ka nitomany fatratra. 63 Dia nataon'ireo olona nitana azy fihomehezana Jesoa sady nokapohiny,

64 notampenany ny masony, notehafiny ny tavany, dia hoy izy taminy: Vinanio hoe izay namely anao? 65 Ary maro ny teny ratsy hafa nanaratsiany azy. 66 Nony vao maraina ny andro, dia nivory ny loholona sy ny lohandohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka nentiny tao amin'ny Sanedrina Jesoa, ary hoy izy taminy: Raha hianao no Kristy, dia lazao aminay. 67 Fa hoy izy taminy: Na hilaza aminareo aza aho, tsy hinoanareo akory; 68 ary raha hanontany anareo aza aho, tsy hovalianareo na halefanareo akory. 69 Fa hatramin'izao ny Zanak'olona dia hipetraka eo an-kavanan'ny herin'Andriamanitra. 70 Dia hoy izy rehetra: Zanak'Andriamanitra izany hianao? Ary hoy izy taminy: Voalazanareo, izy aho. 71 Ka hoy izy ireo: Inona indray no ilantsika vavolombelona? Tenantsika no nandre tamin'ny vavany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0938