Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-8

1 Taorian'izany, dia lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra izy nampianatra sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra. Nanaraka azy ny roa ambin'ny folo lahy

2 sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Madelena izay nivoahana demony fito, 3 Joana vadin'i Kozà mpitandrina ny fananan'i Heroda, ary Sozàna mbamin'ny maro hafa koa izay nanampy azy tamin'ny fananany. 4 Ary nisy vahoaka betsaka tafavory tao avy tamin'ny tanàna maro hanatona azy, dia nanao fanoharana izy hoe: 5 Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dàlana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin'ny voro-manidina; 6 ny sasany latsaka tamin'ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando; 7 ny sasany latsaka tamin'ny tsilo ka niara-naniry tamin'ny tsilo, dia voagejany; 8 ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny. Rahefa nilaza izany izy dia niantso hoe: Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana. 9 Nanontanian'ny mpianany azy izay hevitr'izany fanoharana izany,

10 ka izao no navaliny azy: Hianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra. 11 Ka izao àry no hevitr'izany fanoharana izany: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. 12 Ireo teny an-dàlambe no izay nandre, fa avy ny demony ka manesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka ho voavonjy. 13 Ireo latsaka tamin'ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin'ny finoana, fa miala nony mby amin'ny andron'ny fakam-panahy. 14 Ireo latsaka tamin'ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin'ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa. 15 Fa ireo latsaka amin'ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin'ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana. 16 Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara; fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany, mba hahitan'izay miditra ny mazava.

17 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary. 18 Koa tandremo àry ny fihainonareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin'izay heveriny ho ananany aza. 19 Ary tonga hankao amin'i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny, fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan'ny vahoaka,

20 ka nisy nilaza taminy hoe: Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao. 21 Dia novaliany hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko, dia izay mihaino sy mankatò ny tenin'Andriamanitra. 22 Indray andro dia niditra tao amin'ny sambo kely anankiray Jesoa mbamin'ny mpianany ka hoy izy tamin'ireo: Andeha isika hiampita eny an-dafin'ny farihy, dia niainga izy ireo.

23 Teny am-pandehanan'ny sambo dia natory izy; kanjo nasian'ny tafio-drivotra kosa ny farihy, ka nihafeno rano ny sambo ary efa am-bava loza izy ireo. 24 Dia nanatona namoha azy izy ireo ka nanao hoe: Ry Mpampianatra! Ry Mpampianatra! maty izahay! Dia nitsangana izy, nandidy ny rivotra sy ny onjan-drano, ka nitsahatra ireo ary nitony tsara ny andro. 25 Ary hoy izy taminy: Aiza ny finoanareo? Fa raiki-tahotra sy ankona teo izy ireo, ka nifampilaza hoe: Iza moa ity no mandidy ny rivotra sy ny ranomasina, sy eken'izy ireo? 26 Dia nitody tany amin'ny tanin'ny Gerasena tandrifin'i Galilea izy ireo.

27 Nony tafakatra tany an-tanety Jesoa, dia inty nisy lehilahy anankiray nitsena azy avy ao an-tanàna, izay azon'ny demony hatry ny ela ka tsy nitafy akory, na nanana antom-ponenana afa-tsy ny fasana. 28 Raha vao nahatazana n'i Jesoa izy, dia nikiakiaka sy niankohoka teo an-tongony ary niantso mafy hoe: Misy inona raharahainao amiko, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra Avo indrindra ô? Mifona re, aza dia mampijaly ahy! 29 fa Jesoa efa nandidy ny fanahy maloto hiala amin-dralehilahy: Fa matetika no nasian'ny fanahy maloto izy io, ka na nofatorana rojo vy sy nogadran-tongotra aza, dia tapany ny fatorany, ka nentin'ny demony niriorio foana tany an'efitra tany izy. 30 Nanontanian'i Jesoa izy nataony hoe: Iza no anaranao: ka Lejiona no anarako, hoy izy, satria be ny demony tafiditra tao aminy, 31 sady niangavy tamin'i Jesoa ireo mba tsy handidy azy hivarina any amin'ny hantsana. 32 Fa nisy kisoa maro iray dia kosa nihinana teny an-tendrombohitra, ka nangata-dàlana hiditra tamin'ireo ny demony, dia nekeny. 33 Tamin'izay, dia niala tamin-dralehilahy ny demony ka niditra tamin'ny kisoa ka nivarina tamin'ny kisolosolo mideza ho any anaty farihy, dia maty tany. 34 Nandositra ny mpiandry nony nahita izany, ka lasa nilaza izany tany an-tanàna sy tany an-tsaha.

35 Dia nivoaka hizaha izany ny olona, ka nony tonga tany amin'i Jesoa izy ireo, dia nahita ity lehilahy nivoahan'ny demony nipetraka tao amin'ny tongony, sady nitafy no nody saina, ka raiki-tahotra, 36 sady notantarain-dry zareo nanatri-maso tamin'izy ireo koa moa ny nahafahan'ilay azon'ny demony. 37 Tamin'izay ny mponina rehetra tao amin'ny tanin'ny Gerasena nangataka azy hiala teo aminy satria natahotra mafy loatra izy ireo; ka dia niditra tao an-tsambo Jesoa fa ndeha hiverina. 38 Ary nangataka hanaraka azy ilay lehilahy nivoahan'ny demony, fa nasainy nody ihany nataony hoe: 39 Modia any an-tranonao, ary tantarao ny zava-dehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia lasa izy nitory eran'ny tanàna ny soa nataon'i Jesoa taminy. 40 Rahefa tafaverina Jesoa dia nandray azy tsara ny vahoaka, fa niandry azy rahateo izy rehetra.

41 Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe Jaïra izay lehiben'ny sinagoga nanatona azy, dia niankohoka tamin'ny tongony sy nangataka azy hiditra ao an-tranony, 42 fa nanan-janaka vavy tokana tokony ho roa ambin'ny folo taona narary ho faty izy. Nony nandeha Jesoa dia nifanety tamin'ny vahoaka, 43 ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà hatramin'ny roa ambin'ny folo taona, efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny dokotera, fa tsy nisy nahasitrana azy na dia iray aza, 44 nanatona avy ao ivohony, dia nanendry ny moron-tongotr'akanjony, ka nijanona niarka tamin'izay ny fitsihany. 45 Dia hoy Jesoa: Iza moa no nanendry ahy? Samy nandà avokoa izy rehetra, fa Piera sy ny namany no nanao hoe: Ry Mpampianatra ô! vahoaka be no mifanety sy mifanizina aminao, ka hianao manontany hoe: Iza no nanendry ahy? 46 Ary hoy Jesoa: Nisy nanendry ahy, satria reko fa nisy hery nivoaka tamiko. 47 Nony hitan-dravehivavy fa tsy takona azy izy, dia tera-kovitra izy ka inty tamy niankohoka teo amin'ny tongony, sady nanambara teo imason'ny vahoaka ny anton'ny nanendreny azy sy ny nahasitranany niaraka tamin'izay. 48 Ary hoy Jesoa taminy: Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana. 49 Raha mbola niteny izy, dia nisy olona anankiray avy any amin'ilay lehiben'ny sinagoga tonga nilaza taminy hoe: Efa maty ny zanakao vavy, fa aza manasatra ny Mpampianatra.

50 Ren'i Jesoa izany ka hoy izy tamin'ny rain'ilay zazavavy: Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany, dia ho velona ny zanakao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2437