Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-8

51 Nony tonga tao an-trano izy, dia tsy nisy navelany hiara-miditra aminy afa-tsy Piera sy Jakoba ary Joany, mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy. 52 Nitomany sy ory azy ny olona rehetra, fa hoy Jesoa: Aza mitomany hianareo, tsy maty izy fa matory. 53 Dia niomehezan'izy ireo izy, satria fantany tsara fa maty razazavavy. 54 Ary Jesoa nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, mitsangàna. 55 Dia nody indray ny ainy, ka nitsangana niaraka tamin'izay izy, ary nasainy nomena hanina. 56 Talanjona ny ray aman-dreniny, fa Jesoa nandrara azy tsy hilazalaza amin'olona izay natao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1043