Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 10
Tsy azo ravana ny fanambadiana - Jesoa sy ny zazakely - Ilay zatovo nanan-karena - Ny nilazan'i Jesoa fanintelony ny hijaliany - Ny fangatahan'ny zanak'i Zebede - Bartime, jamba tao Jerikao.
1Nony niala teo izy dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodea, an-dafin'i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony. 2Dia nanatona azy ny Farisiana mba haka fanahy azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy? 3Ary izao no navaliny azy ireo: Ahoana no nandidian'i Moizy anareo? 4Dia hoy izy: Nomen'i Moizy làlana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy. 5Fa hoy kosa Jesoa: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. 6Fa tamin'ny niandohan'izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon'Andriamanitra; 7noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny, 8ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. 9Koa aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'olombelona. 10Nony mby tao an-trano, dia nanontany azy ny amin'izany indray ny mpianany, 11ka hoy izy taminy: Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; 12ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga.
13Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tànana, nefa notenenin'ny mpianatra mafy ireo nitondra; 14ka tezitra Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: Avelao hanatona ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan'Andriamanitra. 15Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any. 16Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tànana, ary notsofiny rano.
17Nony nivoaka handeha izy, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany azy hoe: Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? 18Ary hoy Jesoa taminy: Nahoana no ataonao hoe tsara aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. 19Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao. 20Dia hoy ny navaliny azy: Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany. 21Ary nijery azy Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra hianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka ahy. 22Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy, ka niala tamin'alahelo. 23Ary nijerijery manodidina Jesoa ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Akory ny hasarotry ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 24Nony gaga tamin'izany teniny izany ny mpianany, dia hoy indray Jesoa taminy: Sarotra, anaka, ny hidiran'izay miankina amin'ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 25Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza ary no mety ho voavonjy? 27Fa nojeren'i Jesoa izy ka nilazany hoe: Amin'ny olombelona zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin'Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.
28Ary hoy Piera taminy: Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka anao. 29Dia hoy ny navalin'i Jesoa azy: Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany ahy sy ny Evanjely, 30ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin'ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin'ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin'ny ho avy. 31Fa maro amin'izay farany no ho voalohany, ary amin'izay voalohany no ho farany.
32Ary nony mby teny an-dàlana ho any Jerosalema izy ireo, dia Jesoa no loha làlana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana azy. Dia nalainy indray ny roa ambin'ny folo lahy ka nilazany ny hanjo azy: 33Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak'olona dia hatolotra amin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin'ny jentily; 34dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin'ny andro fahatelo.
35Ary nanatona azy Jakoba sy Joany zanak'i Zebede ka nanao hoe: Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao. 36Inona, hoy izy, no tianareo hataoko aminareo? 37Dia hoy ireo: Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo an-kavananao, ary anankiray mba ho eo an-kavianao any amin'ny voninahitrao. 38Ary hoy Jesoa taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va hianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy ahy? 39Zakanay, hoy ireo taminy. Fa hoy kosa Jesoa: Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; 40fa raha ny hipetraka ao an-kavanako na ao an-kaviako kosa, dia tsy ahy ny hanome izany, fa ho an'izay nanamboarana azy ihany izany.
41Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin'i Jakoba sy Joany; 42fa nantsoin'i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: Fantatrareo fa amin'ny fanjakan'izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpanapaka manam-pahefana. 43Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo, 44ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho andevonareo rehetra. 45Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.
46Dia tonga tao Jerikao izy ireo. Ary tamin'izy sy ny mpianany mbamin'ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao, dia nipetraka nangataka teo amoron-dàlana kosa Bartime jamba zanak'i Time. 47Nony reny fa hoe Jesoa Nazareana izay, dia rafitra niantso izy nanao hoe: Ry Jesoa Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 48Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 49Dia nijanona Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin'ny olona izy sy nilazany hoe: Matokia! mitsangàna, fa antsoiny hianao. 50Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an'i Jesoa izy. 51Inona, hoy Jesoa taminy, no tianao hataoko aminao? Dia hoy ilay jamba: Rabony ô, aoka mba hahiratra aho. 52Mandehana, hoy Jesoa, fa ny finoanao no nahavonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay izy, ka nanaraka azy teny an-dàlana. >