Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-14

51 Ary nisy tovolahy anankiray nanaraka azy, lamba fotsiny no teny an-kodiny, nosamborin'ireo koa; 52 dia nariany ny lambany, ka lasa nandositra niboridana izy. 53 Ary Jesoa nentin'izy ireo ho any amin'ny lehiben'ny mpisorona izay nivorian'ny lohandohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.

54 Piera kosa nanaraka azy teny lavidavitra eny hatrany an-tokotanin'ny lehiben'ny mpisorona, dia niara-nipetraka tamin'ny mpanompo teo anilan'ny afo, sy namindro. 55 Tamin'izay ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpisaina rehetra dia nitady izay hiampangana an'i Jesoa hamonoany azy, nefa tsy nahita; 56 fa maro no niampanga lainga azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany. 57 Nony inona dia nisy nitsangana niampanga lainga azy nanao hoe: 58 Renay izy io nanao hoe: Horavako ity tempoly nataon-tànana ity, dia hanangana hafa tsy nataon-tànana indray aho amin'ny hateloana; 59 fa tsy nifanaraka ny fiampangany na dia tamin'izany aza. 60 Dia nitsangana teo afovoan'izy rehetra ny lehiben'ny mpisorona, ka nanontany an'i Jesoa hoe: Nahoana no tsy valianao izany fiampangan'ireo anao izany? 61 Fa tsy niteny izy, na namaly akory. Dia nanontany azy indray ny lehiben'ny mpisorona nanao hoe: Hianao va no Kristy Zanak'Ilay isaorana? 62 ka novalin'i Jesoa hoe: Izaho no izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo an-kavanan'ilay mahefa ny zavatra rehetra sy avy eo ambonin'ny rahon'ny lanitra. 63 Dia notriarin'ny lehiben'ny mpisorona ny fitafiany, ka hoy izy hoe: Inona indray no ilantsika vavolombelona? 64 Efa renareo teo ny nitenenany ratsy an'Andriamanitra, ka ahoana no hevitrareo? Dia nataon'izy rehetra fa mendrika ho faty izy, 65 ka ny sasany nandrora azy, dia nanarona ny tavany, sy namely totohondry azy ary nanao hoe: Vinanio; ny mpanompo avy no namely tehamaina azy. 66 Ary raha mbola teo ambany amin'ny tokotany Piera, dia nankeo aminy ny anankiray tamin'ny ankizivavin'ny lehiben'ny mpisorona.

67 Nony nahita an'i Piera namindro izy, dia nijery azy, ka nanao taminy hoe: Hianao koa naman'i Jesoa Nazareana. 68 Fa nolaviny hoe: Tsy fantatro, ary tsy azoko akory izay lazainao. Dia nivoaka nankany alatrano izy ary naneno ny akoho. 69 Fa nahita azy indray ilay ankizivavy, ka nilaza tamin'izay teo hoe: Naman'ireny koa io lehilahy io; 70 fa nandà indray izy. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo tamin'i Piera: Naman'ireny tokoa hianao, fa Galileana koa. 71 Tamin'izay sady niozona izy no nianiana hoe: Tsy fantatro akory izany lehilahy antsoinareo izany. 72 Niaraka tamin'izay dia naneno fanindroany ny akoho. Ary tsaroan'i Piera ilay teny nolazain'i Jesoa taminy hoe: Tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà ahy intelo hianao; ka dia nitomany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1773