Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 6
Jesoa tsy enin-kaja tao amin'ny taniny - Ny nanirahan'i Jesoa ny Apostoly - Ny nahafatesan'i Joany Batista - Jesoa mampitombo ny mofo dimy, sy mandeha eny ambony ranomasina.

       1Nony niala teo izy dia nankany amin'ny tany nahabe azy, ary nanaraka azy ny mpianany. 2Ary rahefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin'ny sinagoga izy, ka be tamin'izay nihaino azy no gaga tamin'ny fampianarany sy nanao hoe: Taiza no nahazahoan'izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena azy izao, ary ahoana no ahefan'ny tànany izany asa lehibe izany? 3Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, rahalahin'i Jakoba sy Josefa ary Joda sy Simona? Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny? Dia tafintohina taminy izy ireo. 4Fa hoy Jesoa taminy: Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin'ny taniny sy amin'ny fianakaviany ary amin'ny havany ihany. 5Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin'ny fametrahan-tànana, 6ary gaga izy noho ny tsy finoan'ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra izy.
       7Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy izy, ka naniraka azy tsiroaroa, sy nanome fahefana azy handroaka ny fanahy maloto. 8Ary norarany tsy hitondra na inona na inona eny an-dàlana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, 9fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. 10Ary hoy koa izy taminy: Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin'izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. 11Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo ho fiampangana azy. 12Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin'ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, 13sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.
       14Nahare ny lazan'i Jesoa Heroda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny anarany. Ary hoy ny sasany: Joany Batista nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no iasan'ireo hery mahagaga aminy; 15fa ny sasany kosa nanao hoe: Elia izay; ary ny hafa indray dia hoe: Mpaminany izay, dia toy ny iray amin'ny mpaminany. 16Ary nony nandre izany Heroda dia nanao hoe: Joany izay e, dia ilay notapahiko ny lohany, fa efa nitsangana tamin'ny maty izy. 17Fa Heroda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an'i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin'i Herodiada vadin'i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. 18Satria Joany nanao taminy hoe; Tsy mahazo manam-bady ny vadin-drahalahinao hianao. 19Koa tonga halan'i Herodiada izy sy niriny ho faty aza, saingy tsy azony natao izany 20noho ny tahotr'i Heroda an'i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin'ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana.
       21Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda ka nanaovany fanasana ho an'ny manamboninahiny sy ny tompon'arivo ary ny loholona tany Galilea. 22Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin'i Herodiada ka nahafaly an'i Heroda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao, 23sady nampiany tamim-pianianana hoe: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza. 24Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe: Inona no angatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Joany Batista. 25Dia nidodododo faingana nankao amin'ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan'i Joany Batista. 26Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, 27fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan'i Joany amin'ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan'i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, 28ka nitondra azy tamin'ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. 29Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.
       30Nony niverina teo amin'i Jesoa ny Apostoly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. 31Ary hoy izy taminy: Avia hianareo, ndeha mitokana any amin'ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely; fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. 32Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin'ny tany mangingina. 33Fa hitan'ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin'ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. 34Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro izy.
       35Nony hariva ny andro dia nanatona azy ny mpianany nanao hoe: Ny tany efitra; ny andro efa hariva, 36ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin'ny tanàna sy ny vohitra manodidina. 37Fa izao no navaliny azy ireo: Omeonareo hanina izy; ka hoy ireo taminy: Handeha hividy mofon-denie roan-jato va izahay ka homenay azy hohaniny? 38Ary hoy izy taminy: Manana mofo firy hianareo? Mandehana hoe zahao. Ary rahefa nozahany, dia hoy izy: Mofo dimy sy hazandrano roa. 39Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra hatao antokotokony eny amin'ny ahi-maitso izy ireo; 40ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimam-polo. 41Dia noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra izy, ka nitso-drano. Rahefa izany, novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan'ny olona, ary nozarainy tamin'izy rehetra koa ny hazandrano roa. 42Dia nihinana izy rehetra ka voky; 43ary ny sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin'ny folo ka nentiny nody. 44Dimy arivo lahy anefa no isan'ny nihinana tao. 45Dia noteren'i Jesoa hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin'izay ny mpianany, mba hialoha azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandràvany ny vahoaka; 46ary rahefa avy nanao veloma ny olona izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka.
       47Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan'ny ranomasina, ary Jesoa irery no teny an-tanety. 48Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain'ny rivotra, ka tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra tamin'ny alina, dia nandeha teny ambonin'ny ranomasina izy nankeo aminy, ka saika handalo azy. 49Kanjo nony nahita azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy; 50fa nahita azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý. Niaraka tamin'izay dia niteny taminy izy nanao hoe: Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra. 51Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo, 52fa tsy azony an-tsaina ity fahagagana tamin'ny mofo teo noho ny hadonton'ny fony.
       53Nony tafita izy ireo, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo. 54Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an'i Jesoa niaraka tamin'izay ny olona, 55ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa misy azy. 56Na taiza na taiza nalehany, na tamin'ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran'akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry azy dia sitrana. >