Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-26

64 Dia hoy Jesoa taminy: Voalazanao. Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any hianareo hahita ny Zanak'olona mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra be fahefana sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra. 65 Tamin'izay dia notriarin'ilay lehiben'ny mpisorona ny fitafiany ka hoy izy: Niteny ratsy an'Andriamanitra izy, ka ahoana indray no ilantsika vavolombelona? Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an'Andriamanitra: 66 ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Mendrika ho faty izy. 67 Dia nororany ny tavany ka nasiany totohondry izy; 68 ary ny sasany sady namely tehamaina azy no nanao hoe: Vinanio, ry Kristy, iza no namely anao? 69 Tamin'izany Piera nipetraka teo alatrano, ary nisy ankizivavy anankiray nanatona azy ka nanao taminy hoe: Hianao koa naman'i Jesoa Galileana;

70 fa nolaviny teo anatrehan'izy rehetra izany ka hoy izy: Tsy fantatro izay lazainao. 71 Dia nankeo am-bavahady izy, ndeha hitsoaka, fa hitan'ny ankizivavy anankiray hafa koa, ka nolazainy tamin'ny olona teo hoe: Ity koa naman'i Jesoa Nazareana; 72 fa nandà fanindroany indray izy sady nianiana nanao hoe: Tsy fantatro izany lehilahy izany. 73 Nony afaka kelikely dia nohatonin'ny olona teo Piera, ka nilazany hoe: Marina tokoa raha tsy namany hianao, fa na ny fiteninao aza dia ampy hahalalana izany. 74 Ary tamin'izay dia sady niozona izy no nianiana fa tsy fantany izany lehilahy izany. Niaraka tamin'izay naneno ny akoho, 75 ka tsaroan'i Piera ny tenin'i Jesoa nanao hoe: Alohan'ny maneno akoho, handà ahy intelo hianao. Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2529