Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-27

51 Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin'ny tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy, 52 nisokatra ny fasana, ary betsaka ny fatin'ny olona masina efa nody mandry no nitsangana; 53 ka nony efa nitsangana tamin'ny maty Jesoa dia nivoaka tamin'ny fasana izy ireo, ka niakatra tany an-tanĂ na masina ary niseho tamin'ny maro. 54 Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an'i Jesoa kosa nony nahita ny horohoron-tany mbamin'ny zavatra rehetra tonga teo, dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io. 55 Nisy vehivavy maromaro koa nitazana teny lavidavitra teny, dia ireo izay nanaraka an'i Jesoa sy nanompo azy hatrany Galilea: 56 anisan'ireo Maria Madelena, sy Maria renin'i Jakoba sy Josefa, ary ny renin'ny zanak'i Zebede. 57 Nony hariva ny andro, dia nisy lehilahy manan-karena anankiray avy any Arimatia atao hoe Josefa, izay mpianatr'i Jesoa koa,

58 nanatona an'i Pilaty ka nangataka ny fatin'i Jesoa. Dia nasain'i Pilaty homena azy. 59 Noraisin'i Josefa ny faty, dia nofonosiny lamba fotsy madio, 60 ary naleviny tao amin'ny fasana vaovao nolavahana tamin'ny vatolampy, izay nampanaoviny ho an'ny tenany. Nony nakodiany ny vato makadiry tamin'ny varavaram-pasana, dia lasa izy. 61 Ary Maria Madelena, sy ilay Maria anankiray, dia teo ka nipetraka nanandrify ny fasana. 62 Ny ampitson'iny izay andron'ny fiomanana, dia nivory tany amin'i Pilaty ny lohandohan'ny mpisorona sy ny Farisiana 63 ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona ilay mpamitaka iny dia nanao hoe: Rahefa afaka hateloana dia hitsangana aho. 64 Koa asaovy ambenana ny fasany ambara-pahafaky ny andro fahatelo, fandrao sokoin'ny mpianany ny fatiny, dia lazainy amin'ny vahoaka hoe: Nitsangana tamin'ny maty izy, ka ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. 65 Dia hoy Pilaty taminy: Manam-piambina hianareo, koa mandehana, ambeno araka izay hainareo. 66 Nony nandeha izy ireo, dia sady nasiany tombo-kase ny vato no nametrahany mpiambina teo mba hahazoany antoka marina ny amin'ny fasana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1006