Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-9

1 Niainga Abimeleka zanak'i Jerobaala, ka nankany Sikema amin'ireo anadahin-dreniny, ary nilaza izao teny izao tamin'ireo sy tamin'ny fokon'ny rain-dreniny rehetra:

2 Raha sitrakareo mba lazao kely ho ren'ny mponina rehetra ao Sikema izao: Inona no tsara ho anareo ny hanjakan'izy fitopolo lahy, samy zanak'i Jerobaala, aminareo va, sa ny hanjakan'ny lehilahy iray aminareo? Ary tsarovy fa taolana sy nofonareo ihany aho. 3 Dia nolazain'ireo anadahin-dreniny avokoa izany teny rehetra momba azy izany, ho henon'ny mponina rehetra tao Sikema; ka nitongilana tamin'i Abimeleka ny fon'izy ireo, fa nifampilaza hoe: Rahalahintsika izy. 4 Nomen'izy ireo vola fitopolo sikla izy, izay nalainy tao an-tranon'i Baala-Berita, ka nentin'i Abimeleka nanisihany izao olom-poana sy mpijirika rehetra izao, izay niraikitra taminy. 5 Dia tonga tao an-tranon-drainy, tany Efrà izy, ary namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak'i Jerobaala, teo ambonin'ny vato iray ihany. Tsy nisy afa-nandositra afa-tsy Joatama, ilay faralahin'i Jerobaala, irery satria niery io. 6 Tamin'izay dia nivory ny mponina rehetra ao Sikema mbamin'ny ankohonan'i Melao rehetra, ka tonga izy ary nampanjaka an'i Abimeleka, teo anilan'ny terebintan'ny tsangam-bato any Sikema. 7 Nony nilazana izany Joatama, dia lasa nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Garizima, ka nanandratra ny feony, nanao hoe: Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihenoan'Andriamanitra anareo koa.

8 Niainga, hono, ny hazo, hanosotra mpanjaka handidy azy; ka hoy izy tamin'ny oliva: Manjakà aminay hianao. 9 Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay mahalaza ahy eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olombelona, ka handeha hihevingevina ery ambonin'ny hazo hafa? 10 Dia ny aviavy indray no nataon'ny hazo hoe: Avia, hianao hanjaka aminay. 11 Fa hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny hamamiako sy ny voako kanto, ka handeha hihevingevina ery ambony hazo hafa? 12 Dia ny voaloboka indray no nilazan'ny hazo hoe: Avia hianao hanjaka aminay. 13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny divaiko, izay mampiravoravo an'Andriamanitra sy ny olombelona, ka handeha hihevingevina ery ambonin'ny hazo hafa? 14 Tamin'izay dia hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilo milobolobo: Avia hianao hanjaka aminay. 15 Fa hoy ny tsilo tamin'ny hazo: Raha marina tokoa àry fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka dia avia hianareo, ka mialofa amin'ny alokaloko, fa raha tsy izany, aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan'i Libàna. 16 Koa ankehitriny raha marina sy mahitsy no nataonareo, tamin'ny nampanjakanareo an'i Abimeleka; raha soa no nataonareo tamin'i Jerobaala sy ny ankohonany, ary raha araka ny soa vitan'ny tànany no nataonareo taminy,

17 fa niady ho anareo ny raiko, nanao vy very ny ainy ka nanafaka anareo tamin'ny tànan'i Madiana izy; 18 kanjo nitsangan-kamely ny ankohonan'i dada kosa hianareo androany; ny zanany fitopolo lahy novonoinareo teo ambony vato iray ihany, ary Abimeleka zanak'andevovaviny no natsanganareo ho mpanjakan'ny mponina ao Sikema, satria rahalahinareo io. 19 Koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin'i Jerobaala sy ny ankohonany, dia aoka Abimeleka hampifaly anareo, ary hianareo kosa hampifaly azy. 20 Fa raha tsy izany, dia aoka Abimeleka hivoaka afo ka handevona ny mponina ao Sikema mbamin'ny ankohonan'i Melao ary ny mponina ao Sikema mbamin'ny ankohonan'i Melao koa hivoaka afo ka handevona an'i Abemeleka. 21 Dia lasa Joatama ka nitsoaka nandositra; nankany Berà izy ka nonina tany, fa natahotra an'i Abimeleka rahalahiny.

22 Telo taona no nanapahan'i Abimeleka an'Israely,

23 dia nanirahan'Andriamanitra fanahy ratsy Abimeleka sy ny mponina tao Sikema, ka nivadika tamin'i Abimeleka ny mponina tao Sikema, 24 mba hivaly ny heloka natao tamin'ny zanak'i Jerobaala fitopolo lahy, ka samy hianjeran'ny rany Abimeleka rahalahiny, izay namono azy, sy ny mponina ao Sikema izay nanampy an'io hamono ny rahalahiny. 25 Nisy olona napetraky ny mponina tao Sikema, tany an-tampon'ny tendrombohitra, nataony otrika hamely azy, ka izay rehetra nandalo azy ireo, tamin'ny làlana, nobaboiny avokoa, ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany. 26 Ary tonga niaraka tamin'ny rahalahiny Gaala, zanak'i Obeda, ka nankany Sikema izy. Natoky azy ny mponina tao Sikema,

27 ka nivoaka nankany an-tsaha izy ireo: Nioty ny voalobony, namoritra azy, nanao fety, ary niditra tany an-tranon'ny andriamaniny, nihinana sy nisotro, ary nanozona an'i Abimeleka. 28 Dia hoy Gaala zanak'i Obeda hoe: Iza moa Abimeleka, ary zovy moa Sikema, no hotompointsika? Tsy zanak'i Jerobaala va izy, ary tsy Zebola va no lefiny? Hianareo no manompoa ny taranak'i Emora, rain'i Sikema. Fa raha izahay, ahoana ange no hanompoanay an'i Abimeleka? 29 Nahoana re no tsy izaho no lehiben'ireto vahoaka ireto? Horoahiko mihitsy Abimeleka. Dia hoy izy tamin'i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao, ka mivoaha. 30 Nandre ny vavan'i Gaala, zanak'i Obeda, Zebola, governoran'ny tanàna ka nirehitra ny fahatezerany.

31 Nandefa iraka mangingìna tany amin'i Abimeleka izy, hilaza aminy hoe: Indro Gaala, zanak'i Obeda, tonga eto Sikema, miaraka amin'ny rahalahiny, ka mandrendrika ny tanàna hiodina aminao; 32 koa miarena mbola alina hianao sy ny vahoaka eo aminao, avia hanotrika any an-tsaha. 33 Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza ary mirotsaha amin'ny tanàna; ka rahefa hivoaka hamely anao Gaala sy ny vahoaka momba azy, dia asio, araka izay azonao atao amin'izay. 34 Dia niainga mbola alina Abimeleka sy ny vahoaka momba azy, ka nanao otrika tao akaikin'i Sikema, nizara efa-toko.

35 Ary nivoaka Gaala, zanak'i Obeda, ka nipetraka teo am-bavahadin'ny tanàna. Tamin'izay dia niainga avy ao am-panotrehana Abimeleka sy ny vahoaka momba azy. 36 Nony hitan'i Gaala irery vahoaka, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreny misy olona midina avy any an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy kosa Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra izany ataonao ho olona izany. 37 Niteny indray Gaala nanao hoe: Andian'olona no hitako midina avy eo am-pamatonan-tany, ary antokon'olona no tamy mihazo ny làlana eo amin'ny aokan'ny mpanandro. 38 Dia hoy Zebola taminy: Fa aiza re ilay vavanao nanao hoe: Iza moa Abimeleka no hotompointsika? Mos tsy ireo indrindra va no olona nesoinao? Mivoaha amin'izao, ka miadia aminy. 39 Dia nivoaka nitarika ny olona tao Sikema Gaala, ka niady tamin'i Abimeleka. 40 Kanjo nenjehin'i Abimeleka Gaala ka vaky nandositra teo anoloany, ary maro ny olona maty novonoiny, hatrany anoloan'ny vavahady. 41 Dia nijanona tao Romà Abimeleka, ary Zebola kosa nandroaka an'i Gaala sy ny rahalahiny, izay tsy nahazo nonina tao Sikema intsony. 42 Nony ampitso, nivoaka nankany an-tsaha ny vahoaka. Nandre izany Abimeleka,

43 dia naka ny miaramilany, sy nizara azy ho antokony telo, ary nanao otrika tany an-tsaha. Vao nahita ny vahoaka nivoaka ny tanàna izy, dia nitsangana hamely azy, ka nandresy azy. 44 Abimeleka sy ny antokony izay niaraka taminy niroso teo aloha ka naka toerana teo alohan'ny vavahadin'ny tanàna; ary ny anankiroa amin'ireo antokony ireo kosa niroatra hamely ny tany an-tsaha rehetra, ka nandresy azy. 45 Nananika ny tanàna iny tontolo andro iny Abimeleka dia afany, ka ny vahoaka rehetra tao novonoiny, ary ny tanàna nofongorany sady nofafazany sira. 46 Nony nandre izany ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sikema, dia nankao amin'ny fitoerana mimanda amin'ny tranon 'ny andriamanitra Berita.

47 Fa Abimeleka kosa, nony vao nampandrenesina fa hoe, ny mponina rehetra tamin'ny tilikambon'i Sikema, dia tafavory tao avokoa, 48 dia niakatra tany an-tendrombohitra Abimeleka mbamin'ny vahoaka momba azy, nataon'i Abimeleka an-tànana ny famaky, dia nikapa sampan-kazo anankiray izy, ka naingainy ntaony an-tsoroka, ary hoy izy tamin'ny vahoaka momba azy: Toy izay hitanareo nataoko, no mba ataovinareo faingana koa. 49 Dia samy nikapa sampan-kazo iray avy ny olona rehetra ka nanaraka an'i Abimeleka; napetrak'izy ireo nanolotra ilay fitoerana mimanda ny sampan-kazo, dia nodorany tamin'ny afo io mbamin'izay tao, ka maty tamin'izany avokoa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambon'i Sikema, sahabo ho roa arivo lahy na vavy. 50 Dia nandeha hamely an'i Tebesa Abimeleka, ka nanao fahirano an'i Tebesa sy nahafaka azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0993