Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-9

51 Nisy tilikambo fiarovana mafy tao afovoan-tanàna, ka nandositra tao ny mponina rehetra tao an-tanàna na lahy na vavy, nohidian'izy ireo ny varavarana nony tafiditra, dia niakatra tany ambonin'ny tafon'ny tilikambo izy. 52 Nandroso teo amin'ny tilikambo Abimeleka, dia namely azy, sy nanatona ny varavaran'ny tilikambo mba handoro azy amin'ny afo. 53 Kanjo nozeran'ny vehivavy anankiray, vakim-bato fikosoham-bary ny lohan'i Abimeleka, ka vaky tery ny karandohany. 54 Nantsoiny faingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia notrabaran'ilay zatovo izy, ka maty. 55 Nony hitan'ny lehilahy amin'Israely fa maty Abimeleka, dia samy nody ho any an-tranony avy izy. 56 Izany no nampianjeran'Andriamanitra tamin'i Abimeleka ny ratsy nataony tamin-drainy, tamin'ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy,

57 ary nampianjeran'Andriamanitra tamin'ny lohan'ny mponina tao Sikema, ny haratsiany rehetra. Izany no niharan'ny ozona nataon'i Joatama zanak'i Jerobaala tamin'izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2813