Ny Salamo

Toko faha-78

51 Namely ny lahimatoa rehetra tany Ejipta izy, dia ny santatry ny fahatanjahana tao an-dain'i Kama.

52 Nampandeha toy ny ondry, ny vahoakany, nentiny tany an'efitra toy ny andiam-biby fiompy.

53 Notarihiny tamim-pahalalana izy ireo, ka tsy nanan-java-mahatahotra, ary ny fahavalony kosa natelin'ny ranomasina.

54 Nentiny izy ho tonga hatrany an-tsisin-taniny masina, hatrany an-tendrombohitra azon'ny tànany ankavanana.

55 Noroahiny teo anatrehan'izy ireo ny firenena, dia nozarainy ho azy ireo tamin'ny filokana ny zara lovany, ary nampitoeriny tao an-dainy ny fokon'Israely.

56 Na dia izany aza, mbola naka fanahy sy nihantsy an'Andriamanitra Avo indrindra ihany izy ireo, ka tsy nitandrina ny didiny.

57 Fa niodina sy nivadika toy ny razany izy ireo, nibirioka toy ny tsipìka mandainga.

58 Nampahatezitra azy, tamin'ny fitoerana avony; nampahasaro-piaro azy, tamin'ny sampiny.

59 Tezitra Andriamanitra nandre izany, tonga tsy tiany mainty Israely.

60 Tsy nankasitrahany ny fonenana tao Silao, dia ny lay izay nonenany tao amin'ny olombelona.

61 natolony ho babo ny heriny; ary ho eo an-tanan'ny fahavalo ny fiandrianany.

62 Nafoiny ho an'ny sabatra ny vahoakany, ka tezitra tamin'ny lovany izy.

63 Nolevonin'ny afo ny zatovolahiny, ary tsy nahare ny hiram-panambadiana ny zatovovaviny.

64 Lavon'ny sabatra ny mpisorony, ary tsy nigogogogo ny mpitondratena tany aminy.

65 Nifoha, tahaka ny olona natory, ny Tompo, sahala amin'ny mpiady mahery leon-divay.

66 Dia nasiany avy eo aoriana ny fahavalony, ka nataony afa-baraka mandrakizay.

67 Tsy tiany kosa anefa ny lain'i Josefa, ary nariany ny fokon'i Efraima.

68 Fa ny fokon'i Jodà no nofidiny, dia ny tendrombohitr'i Siona izay efa tiany.

69 Dia naoriny ny fitoerany masina, toy ny havoana manakatra ny lanitra, tahaka ny tany naorina ho mandrakizay.

70 Nifidy an'i Davida mpanompony izy, ary nanesotra azy any am-balan'ny ondry;

71 naka azy teny am-piandrasana reniondry, mba hiandry an'i Jakoba vahoakany, sy Isarely lovany.

72 Dia nitarika azy araka ny fahitsian'ny fony, Davida, ary nitondra azy tamin'ny tànana kinga.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1042