Ny Jenezy

Toko faha-2

20 Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin'ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy. 21 Ka nataon'ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony 22 Ny taolan-tehezana nalain'ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy. 23 Ary hoy ralehilahy: Amin'izao ity no taolana avy amin'ny taolako, sy nofo avy amin'ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy. 24 Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo. 25 Samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahamenatra azy izany.

Toko faha-3

1 Ny bibilava no fetsy indrindra amin'ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon'ny Tompo Andriamanitra.

2 Hoy izy tamin-dravehivavy: Hay va re Andriamanitra nanao hoe: Aza mihinana amin'ny hazo rehetra amin'ny saha hianareo? Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava: Mihinana amin'ny voan'ny hazo amin'ny saha izahay; 3 fa ny voan'ny hazo eo afovoan'ny saha no nanaovan'Andriamanitra taminay hoe: Aza mihinana amin'izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty hianareo. 4 Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy: Tsia, tsy ho faty akory hianareo; 5 fa fantatr'Andriamanitra fa amin'izay andro hihinananareo amin'izany, dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy. 6 Ary hitan-dravehivavy fa ny voan'ilay hazo dia fihinana, mahate-hijery sy mendrika hoirina mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin'ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy. 7 Nisokatra ny mason'izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin'aviavy izy ireo nataony sikina. 8 Tamin'izay dia ren'izy ireo ny feon'ny Tompo Andriamanitra nandalo tao amin'ny saha rahefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery an'ny Tompo Andriamanitra tao anaty hazon'ny saha ralehilahy sy ny vadiny. 9 Fa Iaveh Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe: Aiza moa hianao? 10 Hoy ny navaliny: Nandre ny feonao tao anaty saha aho, ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho. 11 Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Iza no nahafantaranao fa mitanjaka hianao? Moa nihinana tamin'ny hazo norarako tsy hihinananao va hianao? 12 Hoy ny navalin-dralehilahy: Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin'ilay hazo, dia nihinana aho. 13 Hoy Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: Ahoana no nanaovanao izany? Hoy ny navalin-dravehivavy: Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho. 14 Hoy Iaveh Andriamanitra tamin'ny bibilava: Noho hianao nanao izany, dia voaozona hianao amin'ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin'ny kibonao hianao ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao. 15 Ary hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, hianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony. 16 Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka hianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin'ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao. 17 Dia hoy izy tamin-dralehilahy: Noho hianao nihaino ny tenin'ny vadinao ka nihinana tamin'ny hazo norarako tsy hihinananao, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy mandritra ny andro rehetra hiainanao. 18 Tsilo sy hery no vokatra homeny anao; ary anana eny an-tsaha no hohaninao. 19 Ny fahatsembohan'ny tavanao ny hahazoanao hanina mandra-piverinao amin'ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka hianao, ary hody vovoka indray. 20 Ary Eva no nataon'i Adama anaran'ny vadiny, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.

21 Nanaovan'ny Tompo Andriamanitra akanjo hoditra Adama sy ny vadiny dia natafiny azy.

22 Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona raha ny amin'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Fa amin'izao kosa aoka tsy haninjitra ny tànany izy haka amin'ny hazon'aina koa, sy hihinana izany, ka ho velona mandrakizay. 23 Dia navoakan'ny Tompo Andriamanitra hiala tao amin'ny sahan'i Edena izy, mba hiasa ny tany izay nangalana azy. 24 Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan'ny sahan'i Edena, mba hiambina ny làlana mankany amin'ny hazon'aina.

Toko faha-4

1 Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an'i Kaina, sy nanao hoe: Efa nampisy olona anankiray aho tamin'ny fanampian'ny Tompo.

2 Dia niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Abela dia mpiandry ondry ary Kaina dia mpiasa tany. 3 Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany Kaina ho fanatitra ho an'ny Tompo.

4 Ary Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak'ondriny, mbamin'ny taviny. Ary Iaveh nitsinjo an'i Abela sy ny fanatiny, 5 fa tsy nijery an'i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin'izany Kaina, ary kivy endrika izy. 6 Ary hoy Iaveh tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra hianao, ary nahoana no kivy endrika? 7 Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahana va hianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa hianao. 8 Hoy Kaina tamin'i Abela rahalahiny: Andeha isika ho any an-tsaha. Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an'i Abela rahalahiny Kaina ka nahafaty azy.

9 Dia hoy Iaveh tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy ny navaliny: Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho? 10 Hoy Iaveh: Inona no nataonao? fa mitaraina hatraty amiko ny feon'ny ran-drahalahinao avy amin'ny tany. 11 Amin'izao dia voaozon'ny tany hianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tànanao. 12 Rehefa hiasa ny tany hianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary hianao ho mpanjenjena sy mpirenireny any ambonin'ny tany. 13 Dia hoy Kaina tamin'ny Tompo: Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina. 14 Indro roahinao hiala amin'ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin'ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy. 15 Hoy Iaveh taminy: Izao àry: Raha misy hamono an'i Kaina dia valiana faty impito heny Kaina. Ary nasian'ny Tompo famantarana tamin'i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy. 16 Rahefa izany dia niala teo anatrehan'ny Tompo Kaina, ka nonina tany amin'ny Noda, atsinanan'i Edena. 17 Kaina nahalala ny vadiny ka nanana anaka izy, dia niteraka an'i Enaoka; ary nanomboka nanorin-tanàna anankiray Kaina ka nantsoiny hoe Enaoka, araka ny anaran-janany.

18 Irada no naterak'Enaoka, ary Irada niteraka an'i Maviaela; Maviaela niteraka an'i Matosaela; Matosaela niteraka an'i Lameka. 19 Nampirafy roa Lameka; Adà no anaran'ny anankiray, ary Selà no anaran'ilay faharoa.

20 Adà niteraka an'i Jabela; izy no rain'ireo mpitoetra an-day sy ao afovoan'ny biby fiompy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2322