Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-22

16 Izaho Jesoa no naniraka ny anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an'ny Eglizy. Dia izaho ilay solofo sy taranak'i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro.

17 Ary hoy ny Fanahy sy ny Ampakarina: Avia! Aoka izay nandre koa hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta, mbamin'izay maniry izany, ka hisotro maimam-poana amin'ny ranon'aina!

18 Ary izao no lazaiko amin'izay rehetra mandre ny teny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy azy, dia hasian'Andriamanitra amin'ny loza voasoratra amin'ity boky ity.

19 Ary raha misy kosa manesotra teny amin'ity boky faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy ny tanĂ na masina voasoratra amin'ity boky ity. 20 Izao no lazain'ilay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana aho. Amena! Avia, ry Jesoa Tompo!

21 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2277