Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-20

8 Dia niakatra tamin'ny tany izy ireo, ka nanodidina ny tobin'ny olo-masina sy ny tanàna malala. 9 Kanjo nisy afo nampidinin'Andriamanitra avy any an-danitra kosa, ka nandevona azy ireo; ary ny demony izay namitaka azy koa nazera any amin'ny farihy afo aman-tsolifara, 10 itoeran'ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, sy hijalian'izy ireo andro aman'alina mandrakizay mandrakizay. 11 Rahefa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;

12 ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin'ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra. 13 Ny ranomasina namoaka ny maty tao aminy; ny Fahafatesana sy ny Fonenan'ny maty koa namoaka ny azy, dia samy notsaraina araka ny asany avy izy. 14 Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin'ny farihy afo: - izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo. 15 Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin'ny bokin'ny fiainana dia natsipy tany amin'ny farihy afo avokoa.

Toko faha-21

1 Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany, sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina.

2 Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin'Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin'ny vadiny. 3 Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin'ny seza fiandrianana nanao hoe: Indro ny tranolain'Andriamanitra tonga eny amin'ny olona, ary izy hiara-monina amin'izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr'izy ireo. 4 Hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha. 5 Dia hoy ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana: Indro havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa izy: Soraty fa marina sy mahatoky ireo teny ireo.

6 Nanaraka izany, dia hoy izy tamiko: Vita izany. Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana. Hampitsotroiko maimaim-poana amin'ny loharanon'aina izay mangetaheta. 7 Ary izay mandresy no hanana ireo zavatra ireo, ka izaho ho Andriamaniny, izy ho zanako. 8 Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin'ny mpandainga rehetra, dia any amin'ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa. 9 Tamin'izay, ny iray tamin'ny anjely fito nitondra ny kapoaka fito feno ny loza fito farany, dia tonga nilaza tamiko hoe: Avia fa hasehoko anao ny Vehivavy ampakarina ho Vadin'ny Zanak'ondry.

10 Dia nentiny am-panahy tany amin'ity tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin'Andriamanitra. 11 Namirapiratry ny voninahitr'Andriamanitra izy, ary voazavan'ny kintana toy ny vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly. 12 Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin'ny folo ny vavahadiny; nisy anjely roa ambin'ny folo tamin'ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran'ny foko roa ambin'ny folon'ny zanak'Israely. 13 Vavahady telo no eo atsinanana, vavahady telo no eo avaratra, vavahady telo no eo atsimo, vavahady telo no eo andrefana. 14 Misy vato fanorenana roa ambin'ny folo ny mandan'ny tanàna; ary misy anarana roa ambin'ny folo amin'ireo, dia ny anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry. 15 Nitondra volotara volamena fandrefesana ilay niteny tamiko, mba handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany.

16 Efa-joro ny tanàna, ary nitovy ny halavany sy ny sakany. Dia nandrefy ny tanàna tamin'ny volotarany izy, ka roa arivo sy iray alina stady, ary nitovy ny halavany sy ny sakany ary ny hahavony. 17 Norefesiny koa ny mandany ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho araka ny refin'ny olona sy ny an'ny anjely koa. 18 Vato jaspa no nanaovana ny mandan'ny tanàna; ary tena volamena madio toy ny fitaratra kristaly ny tanàna. 19 Voaravaka vatosoa isan-karazany ny vato fanorenana ny mandan'ny tanàna. Jaspa ny fanorenana voalohany, safira ny faharoa, kalsedoana ny fahatelo, emeraoda ny fahefatra, 20 sardoniksa ny fahadimy, sardoana ny fahenina, krisaolita ny fahafito, berila ny fahavalo, taopazy ny fahasivy, krisaopazy ny fahafolo, hiasenty ny faharaika ambin'ny folo, ary ametista ny faharoa ambin'ny folo. 21 Ny vavahady roa ambin'ny folo dia voahangy roa ambin'ny folo, fa voahangy iray ihany ny vavahady iray, ary ny lalamben'ny tanàna dia tena volamena madio, manganohano hoatra ny fitaratra. 22 Tsy nahita tempoly tao aho, fa ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanak'ondry no tempoliny.

23 Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr'Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak'ondry no fanilony. 24 Ny firenena rehetra handeha amin'ny fahazavany, ary ny mpanjakan'ny tany hitondra ny fiamboniany ao aminy. 25 Tsy hihidy ny vavahadiny isan'andro, fa ny alina tsy mba hisy ao aminy. 26 Ny laza aman-java-tsoan'ny firenena rehetra ho tapitra ao avokoa; 27 ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry ihany.

Toko faha-22

1 Dia nasehony ahy ity onin-dranovelona, mangarangarana toy ny kristaly, nivoaka avy ao amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry, namaky ny kianjan'ny tanàna.

2 Teo an-daniny roa amin'ny ony, dia nisy hazon'aina mamoa indroa ambin'ny folo, dia indray mandeha isam-bolana, ary mandravina fanasitranana ny firenena. 3 Ny ozona tsy hisy intsony; ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho ao an-tanàna; ary ny mpanompony, hanompo azy,

4 sady hahita ny tavany sy hanana ny anarany eo an-kandriny. 5 Tsy hisy alina intsony; ary tsy hila ny fanazavan'ny jiro, na ny fanazavan'ny masoandro izy ireo, fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; sady hanjaka mandrakizay mandrakizay izy rehetra. 6 Ary hoy ilay anjely tamiko: Marina sy mahatoky ireo teny ireo; ary ny Tompo Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany no efa naniraka ny anjeliny, mba hanambara amin'ny mpanompony ny zavatra rehetra tsy maintsy ho tonga faingana. -

7 Indro, avy faingana aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity. 8 Izaho Joany no nahita sy nandre ireo zavatra ireo. Nony efa nahita sy nandre izany aho, dia nidaboka teo an-tongotr'ilay anjely naneho izany tamiko, mba hiankohoka taminy;

9 nefa hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman'ny mpaminany rahalahinao, mbamin'izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra no tsaohy. 10 Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny teny faminaniana amin'ity boky ity, fa efa antomotra ny fotoana.

11 Ka ny olon-dratsy avelao hanao ratsy ihany; izay maloto avelao hihamaloto ihany. Fa ny olo-marina kosa, aoka hihamarina kokoa, ary ny efa masina aoka hihamasina kokoa. 12 Indro, avy faingana aho; efa eo am-pelatànako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.

13 Izaho no Alfà sy Omegà, ny voalohany sy ny farany, ary ny fiandohana sy ny fiafarana. 14 Sambatra izay manasa ny akanjony amin'ny ràn'ny Zanak'ondry, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina, sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna. 15 Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpinjangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin'izay rehetra tia lainga sy mpandainga.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1807