Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-8
46 Ary hoy Jesoa: Nisy nanendry ahy, satria reko fa nisy hery nivoaka tamiko. 47 Nony hitan-dravehivavy fa tsy takona azy izy, dia tera-kovitra izy ka inty tamy niankohoka teo amin'ny tongony, sady nanambara teo imason'ny vahoaka ny anton'ny nanendreny azy sy ny nahasitranany niaraka tamin'izay. 48 Ary hoy Jesoa taminy: Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana. 49 Raha mbola niteny izy, dia nisy olona anankiray avy any amin'ilay lehiben'ny sinagoga tonga nilaza taminy hoe: Efa maty ny zanakao vavy, fa aza manasatra ny Mpampianatra.50 Ren'i Jesoa izany ka hoy izy tamin'ny rain'ilay zazavavy: Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany, dia ho velona ny zanakao. 51 Nony tonga tao an-trano izy, dia tsy nisy navelany hiara-miditra aminy afa-tsy Piera sy Jakoba ary Joany, mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy. 52 Nitomany sy ory azy ny olona rehetra, fa hoy Jesoa: Aza mitomany hianareo, tsy maty izy fa matory. 53 Dia niomehezan'izy ireo izy, satria fantany tsara fa maty razazavavy. 54 Ary Jesoa nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, mitsangàna. 55 Dia nody indray ny ainy, ka nitsangana niaraka tamin'izay izy, ary nasainy nomena hanina. 56 Talanjona ny ray aman-dreniny, fa Jesoa nandrara azy tsy hilazalaza amin'olona izay natao.
Toko faha-9
1 Ary namory ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy Jesoa ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina.2 Ary naniraka azy hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. 3 Dia hoy izy taminy: Aza mitondra na inona na inona any amin'izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa. 4 Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin'izany tanàna izany. 5 Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin'izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin'ny tongotrareo aza dia ahintsano mba ho fiampangana azy ireo. 6 Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza. 7 Ary Heroda tetrarka nandre izay rehetra nataon'i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra, fa ny sasany nanao hoe:
8 Joany no nitsangana tamin'ny maty; ny sasany nilaza hoe: Elia no niseho; ary ny sasany nanao hoe: Ny anankiray tamin'ny mpaminany taloha no efa nitsangana tamin'ny maty. 9 Dia hoy kosa Heroda: Raha ny amin'i Joany, dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray àry izao olona reko manao zava-dehibe izao? Dia naniry hahita azy izy. 10 Ary rahefa niverina ny Apostoly ka nilaza tamin'i Jesoa ny nataony rehetra, dia nentiny hitokana tany amin'ny tany mangingina akaikin'i Betsaida izy ireo.
11 Nony nahare izany ny vahoaka dia nanaraka azy. Noraisin'i Jesoa tsara izy ireo, notorotoroany ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra, sady nositraniny ny marary. 12 Efa ho hariva ny andro ka nanatona ny roa ambin'ny folo lahy nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin'ny vohitra sy ny saha manodidina, fa atý an'efitra isika izao. 13 Fa hoy izy taminy: Omeonareo hanina izy. Dia namaly ireo nanao hoe: Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay mba hisy ho hanin'ireo vahoaka ireo. 14 Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimam-polo avy ny olona. 15 Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. 16 Tamin'izay noraisin'i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nitsodrano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin'ny mpianany, mba harosony eny anoloan'ny vahoaka. 17 Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin'ny folo. 18 Indray andro, raha nivavaka tany amin'ny toerana mangingina izy ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo izy nanao hoe: Ataon'ny vahoaka ho iza moa aho?
19 Ary namaly ireo ka nanao hoe: Ny sasany manao hoe Joany Batista, ny sasany milaza hoe Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin'ny mpaminany taloha no nitsangana tamin'ny maty. 20 Fa hianareo kosa, hoy izy, mba manao ahy ho iza? Dia namaly Piera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra. 21 Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin'olona, 22 sady nampiany hoe: Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak'olona, ka harian'ny loholona sy ny lehiben'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo. 23 Ary hoy koa izy tamin'ny olona rehetra: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka ahy.
24 Izay ta-hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy. 25 Ary inona no soa azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza izy, nefa very ny tenany ka voaheloka izy? 26 Fa izay menatra ahy sy ny teniko, ho menatra azy koa ny Zanak'olona raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy, ary ny an'ny anjely masina. 27 Izaho milaza marina aminareo fa ny sasany amin'izay eto dia tsy hanandrana ny fahafatesana, raha tsy efa mahita ny fanjakan'Andriamanitra. 28 Rahefa tokony ho havaloana taorian'ny nilazany an'izany, dia nitondra an'i Piera sy Jakoba ary Joany izy ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka.
29 Raha mbola nivavaka izy, dia niova toetra ny tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany. 30 Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia Moizy sy Elia, 31 izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema. 32 Navesatry ny tory ny mason'i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesoa mbamin'izy roalahy teo aminy. 33 Ary tamin'izy roa lahy nihataka, dia hoy Piera tamin'i Jesoa: Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra atý, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho anao, ny iray ho an'i Moizy, ary ny iray ho an'i Elia; tsy fantany anefa izay nolazainy. 34 Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo, ka natahotra izy telolahy tamin'ny nidirany tao anatin'ny rahona. 35 Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, henoy izy. 36 Ilay niteny iny ny feo, dia Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin'iza na tamin'iza tamin'izany andro izany izay zavatra hitany teo. 37 Nony ampitso, raha nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia notsenain'ny vahoaka be Jesoa.
38 Dia nisy lehilahy anankiray tao amin'ny vahoaka niantso hoe: Ry Mpampianatra ô, mihanta aminao aho, mba iantrao lahy ny zanako, dia ny zanako lahy tokana, 39 fa azon'ny fanahy ratsy izy, ka vantany vao tongany dia midradradradra sady akapokapony mafy dia mafy ataony mandoa vory, ary tsy avelany raha tsy efa torovana erý.