Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-9

40 Nangataka tamin'ny mpianatrao aho mba handroaka azy, fa tsy nahafaka izy ireo. 41 Ary namaly Jesoa ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento àry ny zanakao. 42 Nony nanatona ilay zaza, dia nazeran'ny demony ka nakapony izaitsizy; 43 fa norahonan'i Jesoa ny fanahy maloto, dia nositraniny ilay zazalahy ka nomeny an-drainy. 44 Dia talanjona izy rehetra noho ny halehiben'Andriamanitra. Ilay mbola gaga tamin'izay rehetra nataon'i Jesoa iny izy rehetra, dia hoy izy tamin'ny mpianany: Alatsaho tsara ao amin'ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy hatolotra ao am-pelatanan'ny olona ny Zanak'olona. 45 Fa tsy azon'izy ireo izany teny izany, fa takona taminy ka tsy fantany, sady tsy sahy nanontany azy ny amin'izany izy. 46 Ary nisy hevitra tonga tao an-tsain'ireo, dia ny amin'izay lehibe aminy.

47 Fantatr'i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray izy napetrany teo anilany, 48 dia hoy izy tamin'izy ireo: Na iza na iza mandray itony zazakely itony amin'ny anarako dia mandray ahy, ary na zovy na zovy mandray ahy dia mandray ilay naniraka ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe. 49 Dia niteny Joany nanao hoe: Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsika izy; 50 fa hoy Jesoa taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo. 51 Ary nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana azy, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema izy,

52 ka nandefa iraka nialoha azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny tanàna anankiray tany amin'ny Samaritana, mba hanomana ny fandraisana azy; 53 fa tsy nisy nandray azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny azy. 54 Nony nahita izany Jakoba sy Joany mpianany dia nanao hoe: Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan'ny afo avy any an-danitra izy handevona azy? 55 Fa nitodika izy ka nananatra azy mafy hoe: Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. 56 Ny Zanak'olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy. Dia nankany amin'ny vohitra hafa izy ireo. 57 Raha mbola teny an-dàlana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: Hanaraka anao aho, na aiza na aiza halehanao.

58 Fa hoy Jesoa taminy: Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany. 59 Ary hoy izy tamin'ny anankiray hafa: Manaraha ahy. Dia izao no navalin'io: Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho. 60 Fa hoy Jesoa taminy : Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa hianao kosa mandehana mitory ny fanjakan'Andriamanitra. 61 Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: Hanaraka anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho. 62 Fa hoy Jesoa taminy: Rahefa mety ho mpitana angadin'omby miherika, dia tsy sahaza ny fanjakan'Andriamanitra.

Toko faha-10

1 Nony afaka izany dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha azy, any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.

2 Ary hoy izy tamin'izy ireo: Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin'ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. 3 Mandehana; indro aho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo afovoan'ny amboadia. 4 Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dàlana. 5 Amin'izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin'ity trano ity; 6 ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. 7 Ary mitoera amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. 8 Ary amin'izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo;

9 ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 10 Fa amin'izay tanàna idiranareo kosa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: 11 Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin'ny tongotray aza dia ahintsanay hiampangana anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. 12 Lazaiko aminareo fa amin'izay andro izay, dia ho moramora kokoa ny ho amin'i Sodoma, noho ny ho amin'izany tanàna izany. 13 Loza ho anao ry Korozaïna, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidòna ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin'ny akanjo malailay sy tamin'ny lavenona. 14 Noho izany, amin'ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin'i Tira sy Sidòna noho ny ho aminareo. 15 Ary hianao, ry Kafarnaoma izay misondrotra hanakatra ny lanitra dia haetry hatrany amin'ny afobe hianao. 16 Izay mihaino anareo mihaino ahy, ary izay manamavo anareo manamavo ahy; izay manamavo ahy anefa dia manamavo izay naniraka ahy. 17 Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny anaranao.

18 Dia hoy Jesoa taminy: Nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra aho. 19 Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin'ny hery rehetra ananan'ny fahavalo hianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. 20 Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio. 21 Tamin'izay nientan-kafaliana tamin'ny Fanahy Masina izy ka nanao hoe: Misaotra anao aho, ry Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, noho hianao nanafina izany tamin'ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin'ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitra-ponao.

22 Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanambarana azy. 23 Dia nitodika tamin'ny mpianany izy ka nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo; 24 fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo, fa tsy nandre. 25 Ary indro mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy azy ka nanao hoe: Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?

26 Dia hoy Jesoa taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy? 27 Ary namaly izy ka nanao hoe: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1597