Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-10

28 Dia hoy Jesoa taminy: Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona hianao. 29 Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin'i Jesoa hoe: Iza àry no namako? 30 Ary hoy Jesoa taminy: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, azon'ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany. 31 Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin'izany làlana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany. 32 Toy izany koa ity levita anankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany. 33 Fa nisy kosa Samaritana anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. 34 Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy. 35 Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho. 36 Iza amin'izy telo lahy no ataonao ho naman'ilay azon'ny jiolahy? 37 Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: Ilay niantra azy. Mandehana àry, hoy Jesoa taminy, ka manaova toy izany koa. 38 Raha mbola nandeha izy ireo dia niditra tamin'ny vohitra anankiray Jesoa, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray azy tao an-tranony.

39 Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny; 40 fa Marta kosa sahirana tamin'ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: Tompoko, tsy mampaninona anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy. 41 Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby hianao, 42 nefa zavatra iray monja no ilaina; fa Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy.

Toko faha-11

1 Indray andro nivavaka tao amin'ny fitoerana anankiray Jesoa, ka nony nitsahatra izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran'i Joany ny mpianany.

2 Ary hoy izy taminy: Raha mivavaka hianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. 3 Omeo anay anio ny hanina ilainay isan'andro. 4 Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay. 5 Dia hoy indray izy taminy: Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho,

6 fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho, 7 ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho. 8 Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. 9 Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohana. 10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohana. 11 Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, 12 na hanome maingoka azy raha atody no angatahiny? 13 Koa raha hianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zavatsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? 14 Ary nandroaka demony Jesoa, ka moana izany demony izany. Nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana, ka gaga ny vahoaka;

15 fa ny sasany tamin'izay teo nanao hoe: Belzeboba lehiben'ny demony no androahany ny demony; 16 ary ny sasany kosa naka fanahy azy ka nangataka famantarana avy an-danitra taminy. 17 Fa Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe: Rava izay fanjakana miady an-trano; mianjera mifanongoa ny trano; 18 ka raha miady an-trano àry Satana, ahoana no haharetan'ny fanjakany? satria lazainareo fa Belzeboba no androahako ny demony. 19 Ary raha amin'ny herin'i Belzeboba àry no androahako ny demony, amin'ny herin'iza kosa no androahan'ny zanakareo azy? Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo. 20 Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara no miambina ny tranony, dia voaaro ny fananany rehetra;

22 fa raha tonga kosa ny mahery noho izy ka mandresy azy, dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny. 23 Izay tsy momba ahy, dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko, dia manahaka. 24 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra eny amin'ny tanety maina izy, ka nony tsy mahita dia manao hoe: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.

25 Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka, 26 ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra ireo ka mitoetra eo. Ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany. 27 Raha nilaza izany izy, dia nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan'ny vahoaka ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra anao sy ny nono izay ninonoanao!

28 Fa vao mainka sambatra aza, hoy Jesoa, izay mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina azy. 29 Ary nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazany hoe: Taranaka ratsy ity taranaka izy; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran'i Jonasa mpaminany.

30 Fa tahaka ny naha-famantarana an'i Jonasa tamin'ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak'olona koa amin'ity taranaka ity. 31 Hiara-mitsangana amin'ny olona amin'ity taranaka ity ny mpanjakavavy avy any atsimo amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin'ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren'i Salomona, nefa indro misy mihoatra noho Salomona eto. 32 Hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity ny olona tany Niniva amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin'ny toritenin'i Jonasa izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho Jonasa eto. 33 Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-katakonana na ao ambanin'ny vata famarana, fa eo amin'ny fanaovan-jiro izy no apetrany mba hahitan'izay miditra ny mazava.

34 Ny maso no jiron'ny tenanao, ka raha tsara ny masonao dia hazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa izy, dia ho maizina koa ny tenanao. 35 Tandremo àry fandrao zary aizina ny fahazavana ao anatinao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1757