Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-11

36 Fa raha ao amin'ny mazava tsy mifangaro aizina ny tenanao manontolo, dia hazava izy rehetra, mova tsy ny hazavain'ny jiro tsara firehitra hianao. 37 Raha mbola niteny izy, dia nisy Farisiana anankiray nanasa azy hisakafo ao aminy, ka niditra izy dia nipetraka nihinana.

38 Fa velona eritreritra ilay Farisiana nahita ity izy tsy nisasa alohan'ny fihinana, 39 ka hoy ny Tompo taminy: Hianareo Farisiana kosa iky mandio ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana. 40 Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy nanao ny atiny koa? 41 Izao ihany e: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra. 42 Fa loza ho anareo, ry Farisiana, satria ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an'Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.

43 Loza ho anareo, ry Farisiana, fa tia ny toerana voalohany ao amin'ny sinagoga sy ny arahaba eny an-kianja hianareo. 44 Loza ho anareo, fa toy ny fasana tsy hita hianareo, ka hitsahin'ny olona fa tsy fantany. 45 Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa hianao.

46 Fa hoy Jesoa: Loza ho anareo koa, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona hianareo, nefa na dia ny rantsan-tànanareo iray aza tsy akasikareo an'izany akory. 47 Loza ho anareo, fa manao fasana ho an'ny mpaminany hianareo, kanefa ny razanareo ihany no namono azy! 48 Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon'ny razanareo hianareo, fa izy moa namono ny mpaminany, hianareo kosa manao fasana ho azy. 49 Izany no nanaovan'ny Fahendren'Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy aho, ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny. 50 mba hampamoahina an'ity taranaka ity avokoa ny ràn'ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin'ny nahariana an'izao tontolo izao, 51 dia hatramin'ny ràn'i Abela ka hatramin'ny ràn'i Zakaria izay novonoina tanelanelan'ny otely sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo fa hampamoahina an'izany tokoa ity taranaka ity. 52 Loza ho anareo ry mpampianatra ny Lalàna, fa nalainareo ny fanalahidin'ny fahalalana, ka hianareo tsy niditra, ny te-hiditra nosakananareo. 53 Raha mbola niteny izany izy, dia nododonan'ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna, ary nozezehany fanontaniana maro,

54 mba hamandrihany azy sy hahazoany vava latsaka hiampangana azy.

Toko faha-12

1 Tamin'izay dia tafangona an'arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin'ny mpianany Jesoa nanao hoe: Tandremo aloha indrindra sao voan'ny lalivain'ny Farisiana hianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy.

2 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. 3 Koa izay rehetra nolazainareo tao amin'ny maizina dia ho re ao amin'ny mazava, ary izay nobitsihinareo tamin'ny sofina tao an-trano, dia hotorina eny an-tafon-trano. 4 Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako: Aza matahotra izay mahafaty ny nofo, nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony; 5 fa hany tokony hatahoranareo dia izao: matahotra izay manam-pahefana hamarina any amin'ny afobe rahefa novonoiny hianareo; eny, hoy izaho aminareo, matahora azy. 6 Moa tsy ilavoamena va no vidin'ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra amin'ireny na dia iray aza. 7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra àry, fa mihoatra lavitra noho ny fody maro hianareo. 8 Ary lazaiko aminareo koa fa na iza na iza haneky ahy eo anatrehan'ny olona dia hoeken'ny Zanak'olona koa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;

9 fa izay handà ahy eo anatrehan'ny olona kosa dia holavina koa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra. 10 Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony. 11 Raha entina ho any amin'ny sinagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana hianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo, 12 fa hatoron'ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo. 13 Tamin'izay dia nisy anankiray tao amin'ny vahoaka nanao taminy hoe: ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko.

14 Fa hoy Jesoa taminy: Ralehilahy ô, iza moa no nanendry ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo? 15 Ary hoy izy tamin'ny olona: Tandremo tsara sao azon'ny fahihirana hianareo, fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'izay ananany. 16 Dia nanao fanoharana tamin'izy ireo izy ka nanao hoe: Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray, 17 ka velona eritreritra toy izao: Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity? 18 Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy: horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, 19 ary holazaiko amin'ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin'ny taona maro hianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be. 20 Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: Ry adala, anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza àry izay novorinao? 21 Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an'ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin'Andriamanitra. 22 Dia hoy Jesoa tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo fa aza manahy izay hanina hivelomanareo, na izay fitafiana hitafian'ny vatanareo;

23 fa ambony noho ny hanina ny aina, ary mihoatra noho ny fitafiana ny tena. 24 Diniho ange ny goaika e: tsy mamafy izy na mijinja, ary tsy manan-trano fitahirizan-kanina, na toeram-bary, fa Andriamanitra no mamelona azy, ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo? 25 Ary na dia hanahy aza hianareo, iza moa no mahay mampitombo ny halavany iray hakiho akory? 26 Koa raha ny kely indrindra aza tsy efanareo, ahoana no anahianareo ny zavatra hafa? 27 Diniho koa ange ny fanirin'ny lisy e: tsy mba miasa na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na Salomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'izy ireny. 28 Koa raha toy izany àry no ampitafian'Andriamanitra ny ahitra izay eny an-tsaha anio nefa hariana any am-patana rahampitso, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana? 29 Ka aoka re hianareo tsy hikaroka izay hohaninareo na izay hosotroinareo, ary aza be ahiahy foana; 30 fa ny jentily amin'izao tontolo izao no manahy ny amin'izany rehetra izany. Fantatry ny Rainareo anie fa ilainareo izany e. 31 Koa katsaho àry aloha ny fanjakan'Andriamanitra, dia homena anareo ho fanampiny izany rehetra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1621