Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-12

32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.

33 Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan'ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon'ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba; 34 fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa. 35 Aoka ho voahetra ny valahanareo, ary ho voarehitra ny jironareo.

36 Manaova toy ny olona izay miandry ny fotoana hiverenan'ny tompony avy amin'ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin'izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. 37 Sambatra ireo mpanompo tratran'ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. 38 Na tonga amin'ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin'ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. 39 Ary fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hihavian'ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna. 40 Koa mivonòna koa hianareo, fa ho avy amin'izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak'olona. 41 Dia hoy Piera taminy: Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an'ny olona rehetra koa?

42 Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? 43 Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. 44 Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. 45 Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: Ela vao ho avy ny tompoko, ka amin'izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, 46 dia ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany ny tompon'izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin'ny mpanompo ratsy. 47 Izay mpanompo nahalala ny sitra-pon'ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitra-pony, no hokapohina imbetsaka; 48 fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa. 49 Tonga hanipy afo ety ambonin'ny tany aho, ka akory ity faniriako mba hirehetan'izany sahady!

50 Ary manana batemy hanaovana batemy ahy koa aho, ka ory manao ahoana aho ambara-pahatanterak'izany! 51 Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana ety an-tany aho? Tsia, hoy izaho aminareo, fa fampisarahana aza. 52 Satria hatramin'izao raha olona dimy an-trano iray, dia hanao andaniny, ka hifanohitra ny telo amin'ny roa, ary ny roa amin'ny telo; 53 ny ray amin'ny zanany lahy, ary zanakalahy amin'ny rainy; ny reny amin'ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny; ny rafozambavy amin'ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy. 54 Dia hoy koa izy tamin'ny vahoaka: Raha vao mahita rahona avy any andrefana hianareo, dia manao hoe: Ho avy ny orana, ka avy tokoa izy;

55 ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy hianareo: Hafana ny andro, ka tonga tokoa izany. 56 Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao? 57 Nahoana koa no tsy amantaran'ny tenanareo izay marina?

58 Fa raha miara-mandeha amin'izay manana ady aminao hianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dàlana hianareo, fandrao tongany any amin'ny mpitsara hianao ka atolotry ny mpitsara amin'ny mpamatotra, ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina. 59 Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao hianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.

Toko faha-13

1 Tamin'izany andro izany ihany koa no nisy olona sasany tonga nilaza tamin'i Jesoa ny nanjo an'ireo Galileana, fa nalatsak'i Pilaty niaraka tamin'ny soron'izy ireo ny rany.

2 Ary novaliany hoe: Moa ataonareo fa ireny Galileana ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileana rehetra matoa nozoin-doza toy izany? 3 Tsia, hoy izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra. 4 Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin'ny folo maty nianjeran'ny tilikambon'i Siloe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema? 5 Tsia, hoy izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra. 6 Dia nanao ity fanoharana ity koa izy: Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin'ny tanim-boalobony, ka nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita.

7 Dia hoy izy tamin'ny mpiasa ny tanim-boalobony: Indro efa telo taona izay no tonga mitady voa amin'ity aviavy ity aho, nefa tsy mahita; koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo? 8 Ary hoy ny mpiasa namaly azy: Aoka re ho eo ihany izy amin'ity taona ity, tompoko, dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika; 9 angamba hamoa izy, fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy. 10 Ary nampianatra tao amin'ny sinagoga anankiray Jesoa indray sabata.

11 Ka nisy vehivavy anankiray teo azon'ny demony hatramin'ny valo ambin'ny folo taona, ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy. 12 Nony nahita azy Jesoa dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka ny aretinao. 13 Dia nametrahany tànana izy, ka nitraka niaraka tamin'izay, sy nankalaza an'Andriamanitra. 14 Fa sosotra ny lehiben'ny sinagoga noho Jesoa nanasitrana tamin'ny andro sabata, ka niloa-bava tamin'ny vahoaka nanao hoe: Henemana no andro azo iasana ka tongava hositranina amin'ireo hianareo, fa aza amin'ny andro sabata. 15 Fa hoy ny navalin'ny Tompo azy: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany hiala amin'ny tranony avy hianareo, ka mitondra azy hisotro rano na dia sabata aza ny andro? 16 Ary ity zanakavavin'i Abrahama izay efa nafatotr'i Satana hatramin'ny valo ambin'ny folo taona ity ve tsy tokony hovahana amin'izany fatorana izany amin'ny andro sabata? 17 Tamin'izy niteny izany, izay rehetra nanohitra azy dia nangaihay foana, fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony. 18 Dia hoy koa Jesoa: Ny inona no tahaka ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy?

19 Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'ny olona ka namboleny tamin'ny tanimboliny, dia nitombo ka tonga hazo, ary nitoeran'ny voro-manidina ny rantsany. 20 Dia hoy indray izy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra? 21 Tahaka ny lalivay izay nalain'ny vehivavy anankiray izy, ka nampifangaroiny tamin'ny lafarina intelon'ny famarana mba hampibohaka ny koban-dafarina rehetra. 22 Dia nitety ny tanàna sy ny vohitra izy ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1587