Eksaody

Toko faha-20

1 Ary Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:

2 Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin'ny tany Ejipta, tany amin'ny trano fanandevozana. 3 Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako hianao. 4 Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin'ny lanitra ambony, na ny eny amin'ny tany ambany, na ny any amin'ny rano ambanin'ny tany.

5 Tsy hiankohoka eo anatrehan'ireny na hanompo azy akory hianao, fa izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin'izay mankahala ahy, mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra, 6 ary amin'izay tia ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin'ny taranaka faharivo. 7 Tsy hanonom-poana ny anaran'ny Tompo Andriamanitrao, fa tsy havelan'ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny anarany.

8 Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy.

9 Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao. 10 Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an'ny Tompo Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao. 11 Satria ny andro enina no nanaovan'ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin'izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito dia nitsaharany, ka izany no nanasoavan'ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy. 12 Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro hianao any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao.

13 Tsy hamono olona hianao.

14 Tsy hijangajanga hianao.

15 Tsy hangalatra hianao.

16 Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao hianao.

17 Tsy hitsiriritra ny tranon'ny namanao hianao, tsy hitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, na ny ombiny na ny ampondrany, na inona na inona amin'ny zavatry ny namanao.

18 Ren'ny olona rehetra ny kotroka sy ny feon'ny trompetra, hitany ny lelafo sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ka nangovitra sy nijanona teny lavitra teny izy ireo nony nahita izany.

19 Ary hoy izy tamin'i Moizy: Hianao ihany no aoka hiteny aminay dia hohenoinay; fa aoka tsy ho Andriamanitra no hiteny aminay, fandrao dia maty izahay. 20 Fa hoy Moizy tamin'ny vahoaka: Aza matahotra hianareo fa ny hizaha toetra anareo no nahatongavan'Andriamanitra, ka ho eo aminareo ny fahatahorana azy, mba tsy hanotanareo. 21 Dia nijanona teny lavitra eny ihany ny vahoaka, fa Moizy no nanatona ny rahona izay nisy an'Andriamanitra. 22 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Hilaza amin'ny zanak'Israely hianao hanao hoe: Efa nahita hianareo izay, fa niteny taminareo aho tany an-danitra.

23 Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena eo an-daniko hianareo. 24 Manorena otely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao aho amin'ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny anarako. 25 Raha manorina otely vato ho ahy hianao, aza vato voapaika no harafitra, fa raha manainga ny fandrakao amin'ny vato hianao dia hahatonga azy ho tsy azo atao amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. 26 Aza asianao ambaratonga hiakarana ny oteliko, mba tsy hiseho eo ny fitanjahanao.

Toko faha-21

1 Izao no lalàna homenao azy ireo:

2 Rahefa hividy mpanompo hebrio hianao, enin-taona no hanompoany, fa amin'ny taona fahafito dia hiala izy ka afaka tsy mando na inona na inona. 3 Raha izy irery no niditra dia izy irery no hiala; raha niaraka tamim-bady izy dia hiara-miala aminy koa ny vadiny. 4 Raha ny tompony anefa no nanome vady azy, ka niteraka lahy amana vavy taminy izy dia an'ny tompony ravehivavy sy ny zanany, fa izy kosa dia honjohonjon'izy irery no hiala. 5 Ary raha ny mpanompo kosa no manao hoe: Tsy mahafoy ny tompoko sy ny vady aman-janako aho, ka tsy te-ho afaka, 6 dia ho entin'ny tompony ho eo anatrehan'Andriamanitra izy ka hasainy miolotra ny varavarana na ny tolam-baravarana, ary hotevehiny amin'ny haolo ny sofiny, dia ho mpanompony hanompo azy mandrakizay izy. 7 Raha misy lehilahy mivaro-janakavavy ho mpanompon'olona dia tsy mba ho toy ny an'ny andevolahy ny fahafahany, 8 fa raha ilay tompony izay nihevitra azy ho an'ny tenany no tsy tia azy dia havelany havotana izy; fa tsy ho azony hamidy amin'olon-kafa nony efa nivadihany. 9 Raha ny zanany lahy no kasainy homena azy dia hoentiny araka izay tsy maintsy ho fitondra ny zanakavavy izy. 10 Ary raha mbola maka vehivavy hafa izy dia tsy misy azony ahena ny fanome an-dravehivavy voalohany, na ny momba ny sakafo, na ny momba ny fitafiana, na ny momba ny hanina. 11 Ary raha tsy tanterahiny aminy ireo zavatra telo ireo dia mahazo miala fotsiny izy, fa tsy handoa vola akory. 12 Izay mamono mahafaty olona dia tsy maintsy atao maty.

13 Nefa raha tsy nanao otrika taminy izy, fa tolotr'Andriamanitra no nahavoazan'ny tànany azy dia hoferako aminao izay toerana hahazoany ialofana. 14 Fa raha misy kosa lehilahy nanao an-kasomparana amin'ny namany hamonoany azy an-kafetsena, na mby eo amin'ny oteliko aza, tsoahy eo ka vonoy ho faty. 15 Izay mikapoka ny rainy na ny reniny tsy maintsy atao maty. 16 Izay mangalatra olona, na namidiny izy io, na tratra eo an-tànany, dia tsy maintsy atao maty. 17 Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hoheloin-ko faty. 18 Raha misy olona mifanditra ary asian'ny iray vato na totohondry ny namany, nefa tsy nahafaty azy, fa nampihonaka am-pandriana azy izany, dia ho afaka ilay namono,

19 raha manaritra ny anankiray ka afa-mitsangantsangana any ivelany miankina amin'ny tehina; nefa kosa tsy maintsy onerany ny andro tsy niasany ary hiantohany ny fitsaboana azy. 20 Izay mikapoka hazo ny andevolahiny na ny andevovaviny, ka mahafaty azy eo no ho eo, dia hovaliana tokoa.

21 Fa raha mbola velona indray andro na indroa andro ihany izy, dia tsy hovaliana izy, satria an'ny tompony ihany io. 22 Raha misy olona miady ary mandona vehivavy bevohoka; ka teraka azon'izany ravehivavy nefa tsy maninon-tsy maninona izy, dia izay onitra ilain'ny vadiny sy didian'ny mpitsara haloa ihany no ho sazin'ilay diso.

23 Fa raha misy loza mihatra kosa dia hasainao hoefain'aina ny aina, 24 efai-maso ny maso, efai-nify ny nify, efain-tànana ny tànana, efain-tongotra ny tongotra,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1455