Eksaody

Toko faha-23

8 Aza mandray kolikoly fa mahajamba ny mahiratra ny kolikoly, ka tsy ahombiazan'ny ady marina. 9 Aza mampahory vahiny fa fantatrao ny fon'ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin'ny tany Ejipta koa hianareo. 10 Mandritra ny enin-taona no hamafazanao ny taninao sy hanangonanao ny vokatra aminy.

11 Fa amin'ny taona fahafito, avelao izy fa aza kasihina, ary hohanin'ny mahantra eo amin'ny firenenao ary hohanin'ny biby any an-tsaha ny sisa tsy lany. Torak'izany koa no hataonao amin'ny tanim-boalobokao sy ny olivanao. 12 Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin'ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman'ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.

13 Tandremo avokoa ny zavatra rehetra nandidiako anao; aza manonona anaran'andriamani-kafa: aoka tsy hisy re aloaky ny vavanao akory izany.

14 Intelo isan-taona no hanaovanao fety fankalazana ahy.

15 Hitandrina ny fetin'ny Azima hianao: mandritra ny hafitoana dia hihinana mofo tsy misy lalivay hianao araka ny nandidiako anao, amin'ny fotoam-boafetra amin'ny volana abiba, fa tamin'io volana io no nivoahanao tany Ejipta; ka aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra. 16 Hotandremanao ny fetin'ny fijinjana, fetin'ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha; ary ny fetin'ny fanangonam-bokatra amin'ny faran'ny taona, izay hanangonanao ny vokatry ny asanao tany an-tsaha; 17 koa intelo isan-taona no hisehoan'ny lehilahy rehetra eo anatrehan'ny Tompo Iaveh. 18 Tsy haterinao miaraka amin'ny mofo misy lalivay ny ràn'ny sorona atao amiko; ary tsy hotahirizina ho tra-maraina ny menaka momba ny fetiko.

19 Haterinao ao an-tranon'ny Tompo Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

20 Indro aho maniraka anjely eo alohanao, hiaro anao eny an-dàlana sy hahatonga anao any amin'ny toerana nomaniko.

21 Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony; aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy, satria ny anarako no ao aminy. 22 Fa raha mihaino ny feony kosa hianao, ka manao izay rehetra holazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao aho, sy ho rafin'ny rafinao. 23 Fa handeha eo alohanao ny anjeliko hitondra anao ho any amin'ny Amoreana, ny Heteana, ny Ferezeana, ny Kananeana, ny Heveana ary ny Jeboseana, dia haringako ireny. 24 Aza mivavaka amin'ny andriamaniny na manompo azy; aza mianatra ny fombany, fa azearao sy montsàny ny tsangam-baton-tsampiny. 25 Manompoa an'ny Tompo Andriamanitrareo, dia hitso-drano ny mofonao aman-dranonao izy ary hampanalaviriko anao ny aretina. 26 Tsy hisy vehivavy afa-jaza, na vehivavy momba eo amin'ny taninao, ary hofenoiko isa ny andronao. 27 Handefa ny fampangorohoroako hialoha anao aho, hampifandritahiko ny firenena rehetra hahatongavanao ary hampiambohoiko anao ny fahavalonao rehetra.

28 Handefa fanenitra hialoha anao aho, ka horoahin'ireny handositra ny tavanao ny Heveana, ny Kananeana mbamin'ny Heteana. 29 Tsy hataoko indray mandroaka eo anatrehanao amin'ny taona iray anefa ireny, fandrao zary efitra ny tany, ka hihamaro ny biby dia hamely anao. 30 Fa horoahiko tsikelikely eo anoloanao izy mandra-pahamaro isa anao, ka hahazoanao mizaka ny tany. 31 Izao no hataoko faritaninao: hatramin'ny ranomasina Mena ka hatramin'ny ony, satria hatolotro eo an-tànanao ny mponina amin'ny tany ka horoahinao hiala eo anoloanao. 32 Tsy hanao fanekem-pihavanana amin'izy ireo na amin'ny andriamanitr'izy ireo hianao. 33 Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao mampanota anao amiko, sao dia hanompo ny andriamaniny hianao ka ho tonga fandrika ho anao izany.

Toko faha-24

1 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Moizy: Miakara aty amin'ny Tompo hianao sy Aarona. Nadaba sy Abio, ary loholona fito-polo amin'Israely, ka mbola lavitra dia miankohofa.

2 Moizy irery no hanakaiky an'ny Tompo, fa ireo hafa tsy hanakaiky; ary ny vahoaka tsy hiara-miakatra aminy. 3 Dia tonga Moizy, nitondra tamin'ny vahoaka ny tenin'ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: Izay teny rehetra voalazan'ny Tompo dia hotanterahinay avokoa.

4 Nosoratan'i Moizy avokoa ny tenin'ny Tompo. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina otely teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangam-bato roa ambin'ny folo ho an'ny fokon'Israely roa ambin'ny folo.

5 Ary naniraka zatovolahy zanak'Israely izy, ka nanolotra sorona dorana tamin'ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana. 6 nalain'i Moizy ny antsasaky ny rà nataony teo amin'ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony otely. 7 Izay vao nalainy ny bokin'ny fanekena ary novakiny teo anatrehan'ny vahoaka, izay namaly hoe: Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan'ny Tompo. 8 Dia nalain'i Moizy ny rà, nafafiny tamin'ny vahoaka sy nolazainy hoe: Ity no ràn'ny fanekena nataon'ny Tompo taminareo momba izany teny rehetra izany. 9 Niakatra Moizy, nomban'i Aarona sy Nadaba ary Abio mbamin'ny fito-polo lahy tamin'ny loholon'Israely,

10 ary nahita ny Andriamanitr'Israely izy ireo: teo ambanin'ny tongony dia nisy toa zavatra voavoatra natao tamin'ny safira mamirapiratra, zavatra mangarangarana toy ny lanitra. 11 Tsy naninjitra ny tànany tamin'ireo olom-boafidin'ny zanak'Israely izy: dia nahita an'Andriamanitra ireo, ka nihinana sy nisotro. 12 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Miakara aty amiko eto an-tendrombohitra ka mijanòna eo, fa homeko anao ny vato fisaka, ny didy aman-dalàna nosoratako hampianarina azy ireo.

13 Dia niainga Moizy nomban'i Josoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr'Andriamanitra. 14 Hoy izy tamin'ireo loholona: Andraso eto izahay, mandra-piverinay aty aminareo. Ary indreo Aarona sy Hora eto aminareo, ka raha misy manana ady dia aoka hanatona azy ireo. 15 Niakatra tao an-tendrombohitra Moizy, ary nosaronan'ny rahona ny tendrombohitra.

16 Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinaia ny voninahitry ny Tompo ka saron'ny rahona io nandritra ny henemana. Tamin'ny andro fahafito dia nantsoin'ny Tompo Moizy, tao anatin'ny rahona. 17 Toy ny afo midedadeda teo an-tampon-tendrombohitra no fisehon'ny voninahitry ny Tompo tamin'ny zanak'Israely. 18 Niditra tao anatin'ny rahona Moizy, dia niakatra tao an-tendrombohitra, ka nijanona teo an-tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Moizy.

Toko faha-25

1 Dia niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Ilazao ny zanak'Israely mba hanokan-javatra hafoy ho ahy, ka horaisinareo amin'izay olona rehetra mahafoy an-tsitra-po malalaka ny zavatra homeny ho ahy. 3 Izao no fanatitra horaisinareo avy amin'izy ireo: volamena sy volafotsy ary varahina; 4 jaky volomparasy, jaky mena mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika sy volon'osy; 5 hodritr'ondrilahy voasoka mena, hodi-dogaona, hazo akasià; 6 solika hatao amin'ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin'ny diloilo fanosorana sy amin'ny zava-manitra fanembohana;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1463