Eksaody

Toko faha-26

17 Hisy lahiny roa avy, amin'ny hazo fisaka iray, ka hatao izay hifandraisany; ka hataonao toy izany avokoa ny hazo fisaka amin'ny Fonenana. 18 Hanao ny hazo fisaka hatao amin'ny Fonenana hianao; hazo fisaka roa-polo ho an'ny lafiny atsimo, an-kavanana izany. 19 Hasianao faladia volafotsy efa-polo ny fanambanin'ireo hazo fisaka roa-polo ireo, dia faladia roa isan-kazo fisaka izany, no an'ny lafiny roa avy. 20 Ny lafiny anankiray amin'ny Fonenana dia ny lafiny avaratra, hanaovanao hazo fisaka roa-polo koa, 21 mbamin'ny faladia volafotsy efa-polo; faladia roa ambanin'ny hazo fisaka tsirairay avy. 22 Hanao hazo fisaka enina hianao hatao amin'ny faran'ny Fonenana amin'ny lafiny andrefana, 23 hanao hazo fisaka roa hianao hatao amin'ny zoron'ny Fonenana, ao amin'ny farany, 24 dia hakambana tsiroaroa hatraty ambany ireo ka hatao miray tsara hatrany ambony amin'ny masom-bola voalohany. Toy izany no hanaovana azy roa avy; hatao amin'ny zorony roa. 25 Dia ho hazo fisaka valo izy izany mbamin'ny faladiany volafotsy, faladia enina ambin'ny folo, faladia roa avy isam-panambanin'ny hazo fisaka iray. 26 Hanao barany akasià hianao; ny dimy hatao amin'ny hazo fisaka amin'ny lafiny anankiray amin'ny Fonenana. 27 Ny dimy koa hatao amin'ny hazo fisaka amin'ny lafiny faharoa amin'ny Fonenana; ary ny dimy hatao amin'ny hazo fisaka amin'ny lafiny farany amin'ny Fonenana, amin'ny andrefana. 28 Ny barany afovoany hatao manaraka ny hazo fisaka, mahatratra ny sisiny roa. 29 Petaho takela-bolamena ny hazo fisaka; ataovy volamena ny masom-bola hitoerana'ny barany, ary petaho takela-bolamena ny barany. 30 Ataovy toy ny marika naseho anao tany an-tendrombohitra no fananganana ny Fonenana. 31 Manaova efitra lamba amin'ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, asiana sarin-kerobima, asan-tànan'ny mpanenona mahay;

32 ka ahantòny amin'ny andry hazo akasià efatra, samy voapetaka takela-bolamena sy misy faraingo volamena ary miorina amin'ny faladia volafotsy efatra. 33 Apetaho ambonin'ny jaigirafy ny efitra lamba, ka dia ao indrindra no hampidiranao ny fiarana'ny vavolombelona ao ivohon'ny efitra lamba; fa ny efitra lamba no hampisaraka eo imasonareo ny Fitoerana Masina sy ny Fitoerana Masina indrindra. 34 Hataonao eo ambonin'ny fiaran'ny vavolombelona ny fanaovam-panavotana, amin'ny Fitoerana masina indrindra. 35 Hapetrakao eo ivelan'ny efitra lamba ny latabatra, ary eo anoloan'ny latabatra, amin'ny lafiny atsimo amin'ny Fonenana, ny fanaovan-jiro, fa amin'ny avaratra no hametrahanao ny latabatra. 36 Ny fidirana ao amin'ny lay, dia anaovy efitra lamba amin'ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin'ny soratra maro samihafa.

37 Hanaovanao andry akasià dimy io varavarana lamba io, ka petahanao takela-bolamena ny andry sy hasianao faraingo volamena; ary handrendrika varahina hatao faladiany dimy hianao.

Toko faha-27

1 Hanao ny otely amin'ny hazo akasià hianao: dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ka hitovy efatra ny lafiny, ary telo hakiho ny hahavony.

2 Amin'ny zorony efatra hasianao tandrony mivoaka avy ao amin'ny otely, ary petahanao takela-barahina izy. 3 Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny otely hianao, ary sotron'afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahana avokoa ireo fanaka ireo. 4 Ary manaova karakara varahina miendri-karato ho an'ny otely ka asio masom-barahina efatra ny zorony efatra amin'io harato io, 5 dia apetraho eo ambanin'ny koronosin'ny otely avy ao ambany ary ho tonga hatreo amin'ny fisasahan'ny otely ny harato; 6 manaova bao hatao amin'ny otely, bao hazo akasià, ka petaho takela-barahina. 7 Hampidirina eo amin'ny masom-barahina ny bao, eo an-daniny roa amin'ny otely, rahefa hoenti-mifindra izy. 8 Ataovy hobok'aty, amin'ny hazo fisaka, izy: araka ny efa naseho anao tany an-tendrombohitra no hanaovana azy. 9 Manaova ny kianjan'ny Fonenana. Ny lafiny atsimo, ao an-kavanana, ny kianja dia hasianao fafy lamba rongony madinika voahasina hatao zato hakiho ny halavan'ny lafiny.

10 Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin'ny andriny sy ny anjaka itohizany. 11 Toy izany koa ny lafiny avaratra, hisy fefy lamba zato hakiho ny halavany, amin'ny andriny roapolo misy faladia varahina roapolo, volafotsy avokoa ny faraingo amin'ny andriny sy ny anjaka itohizany. 12 Ny amin'ny lafiny andrefana dia hatao dimam-polo hakiho ny halavan'ny fefy lamba amin'ny sakan'ny kianja, ary folo ny andry, folo ny faladiany. 13 Amin'ny lafiny atsinanana eo anoloany dia ho dimam-polo hakiho ny sakan'ny kianja; 14 ka ny ilany iray hasiana fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho mbamin'ny andry telo misy faladia telo, 15 ny ilany iray koa, fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho mbamin'ny andry telo misy faladia telo. 16 Ny amin'ny vavahadin'ny kianja, dia hasiana varavarana lamba, roapolo hakiho, vita amin'ny jaky volomparasy, sy jaky mena mangatrakatraka sy lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, misoratsoratra, mbamin'ny andriny efatra sy faladia efatra. 17 Ny andriny rehetra manodidina ny kianja, dia hakamban'ny anja-bolafotsy, sy hasiana faraingo volafotsy, ary hisy varahina avokoa. 18 Ny lavan'ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany ho dimam-polo avy, ny hahavony ho dimy hakiho, ny fefy lamba ho rongony fotsy madinika voahasina ary ny faladiany ho varahina. 19 Ho varahina avokoa ny fanaka rehetra hampiasaina amin'ny raharahan'ny Fonenana, ny tsimatra rehetra ao aminy, ary ny tsimatry ny kianja. 20 Omeo didy ny zanak'Israely hitondra aminao diloilon'oliva voatoto, hatao jiro hamelona ny lalampy lalandava.

21 Ao an-trano lay fihaonana, ivelan'ny efitra lamba anoloan'ny vavolombelona, no hanamboaran'i Aarona sy ny zanany azy, hirehetany eo anatrehan'ny Tompo hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an'ny zanak'Israely, hatramin'ny taranaka mifandimby.

Toko faha-28

1 Asaovy manatona anao Aarona rahalahinao, mbamin'ny zanany, ao amin'ny zanak'Israely, mba ho mpisorona amin'ny fanompoana ahy, dia Aarona, Nadaba, Abiò, Eleazara, ary Hamora, zanak'i Aarona.

2 Manaova fanamiana masina ho an'i Aarona, rahalahinao, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingony.

3 Ireo olo-mahay rehetra nofenoiko fanahim-pahendrena no hantsoinao, dia izy no hanao ny fanamiana ho an'i Aarona mba hohamasinina izy hanaovany ny fisoronana amiko. 4 Ka izao no fanamiana hataon'izy ireo: saron-tratra iray, efoda iray, akanjo lava iray, akanjo anaty misy amborodao iray, satroka hamama iray ary fehin-kibo iray. Ireo no fanamiana masina hataony ho an'i Aarona rahalahinao, sy ny zanany, mba ho mpisorona hanao fanompoana ahy izy ireo. 5 Ny hanaovany azy dia volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika. 6 Ny efodia dia hataony amin'ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, ampifahoina amin'ny tenona lavorary.

7 Asiana sorony roa izy, hanambatra ny sisiny roa hampikambana azy. 8 Hitovy tenona aminy koa ny fehin-kibo hamehezana azy eo amboniny sy hiray aminy, fa hatao amin'ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1685