Eksaody

Toko faha-28

9 Ary makà vato berila roa, dia hosokirinao aminy ny anaran'ny zanakalahin'Israely: 10 ny enina amin'ny anarany, amin'ny vato iray, ny anarany enina sisa amin'ny vato iray, alahatra araka ny fizokiany. 11 Tahaka ny fikapa vato sarobidy sy fisokitra fanombohan-kase aminy, no ho fisokitrao ny anaran'ny zanak'Israely amin'ireo vato roa ireo, ary hasianao randram-bolamena manodidina izy. 12 Ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ireo vato roa ireo, ho vato fahatsiarovana ny zanak'Israely, fa hoentin'i Aarona amin'ny sorony roa eo anatrehan'ny Tompo ny anaran'izy ireo ho fahatsiarovana. 13 Ary manaova randram-bolamena, 14 sy rojo volamena madio madinika roa hatao mirandrana toy ny tady, araiketo amin'ny randram-bolemana ny rojo madinika miendri-tady. 15 Dia manaova saron-tratra, fitsarana, asam-panenona mahay; hatao mitovy tenona amin'ny efoda, hatao amin'ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina.

16 Ataovy efa-joro mitovy efatra sy roa sosona izy, irain-jehy ny lavany, irain-jehy ny sakany; 17 ka petaho rava-batosoa an-tranontranony, vatosoa efatra andalana; ny andalana voalohany: sardoana, topaza, emeraoda iray avy. 18 Ny andalana faharoa: ekarbokla, safira, diamondra iray avy. 19 Ny andalana fahatelo: opala, agata, ametista iray avy. 20 Ny andalana fahefatra: krisolita, berila, jaspa iray avy. Hodidino raozy volamena avokoa ireo vato ireo. 21 Hifanisa amin'ny anaran'ny zanak'Israely ny vatosoa, dia roa ambin'ny folo araka ny anaran'izy ireo; ho voasokitra toy ny fanombohan-kase, samy misy ny anarany avy araka ny foko roa ambin'ny folo. 22 Amin'ny saron-tratra asio rojo volamena madio madinika, atao mirandrana toy ny tady; 23 hanaovanao masom-bolamena roa ny saron-tratra, ary hapetakao amin'ny tendrony roa amin'ny saron-tratra ny masom-bolamena roa. 24 Ka ny rojo volamena roa hampidirinao amin'ny masom-bolamena roa, amin'ny tendron'ny saron-tratra; 25 ny tendrony roa amin'ny rojo roa dia hofehezinao amin'ny randram-bola roa, dia hasampinao eo amin'ny sorony roa amin'ny efoda avy eo anoloana. 26 Manaova koa masom-bolamena roa, hatao amin'ny tendrony ambany roa, amin'ny saron-tratra eo amin'ny sisiny anatiny, manolotra ny efoda. 27 Dia manaova koa masom-bolamena roa hatao eo ambanin'ny sorony roa amin'ny efoda, eo anoloana, akaikin'ny famatorana azy sy ambonin'ny fehikibo amin'ny efoda. 28 Hampifamehezina amin'ny ribà jaky volomparasy ny masom-bolamenan'ny saron-tratra sy ny an'ny efoda, hitana ny saron-tratra eo ambonin'ny fehikibo amin'ny efoda, fa tsy hosarahina amin'ny efoda ny saron-tratra. 29 Amin'izay Aarona, rahefa miditra ny fitoerana masina dia hitondra ny anaran'ny zanak'Israely, manolotra ny fony, amin'ny saron-tratra fitsarana, ho fahatsiarovana mandrakizay, eo anatrehan'ny Tompo. 30 Ataovy mikambana amin'ny saron-tratra fitsarana koa ny Orima sy ny Tomima, ka hanolotra ny fon'i Aaarona, rahefa miseho eo anatrehan'ny Tompo izy, ka amin'izany dia hoentin'i Aarona mandrakariva manolotra ny fony eo anatrehan'ny Tompo ny fitsarana ny zanak'Israely. 31 Ataovy amin'ny jaky volomparasy ny akanjo lavan'ny efoda manontolo.

32 Asio vozony, eo afovoany, hidiran'ny loha, ary hisy sisiny manodidina io vozony io ka ho voatenona toy ny fanao amin'ny vozon'akanjo fiarovan-tratra, mba tsy ho rovitra ny akanjo lava. 33 Ny moron-tongony asio sarin'apongabendanitra jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka ary lamba mena antitra, amin'ny morony ambany, atao manodidina, elanelanin'ny lakolosy kely volamena manodidina hatrany: 34 lakolosy kely volamena dia sarin'apongabendanitra, lakolosy kely volamena dia sarin'apongabendanitra, manaraka ny moron-tongotry ny akanjo lava manodidina hatrany. 35 Hiakanjoan'i Aarona izany, rahefa manao ny fanompoam-pivavahana izy, ary ho re ny fanenony amin'ny hidirany sy amin'ny hivoahany ny fitoerana masina eo anatrehan'ny Tompo, ka tsy ho faty izy. 36 Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin'io, toy ny fisokitra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinana ho an'ny Tompo.

37 Dia afehezo amin'ny ribà jaky volomparasy amin'ny hamama dia hatao eo anoloan'ny hamama io. 38 Ho eo an-kandrin'i Aarona izy, mba hitondran'i Aarona ny heloka rehetra natao tamin'ny zava-masina izay hatokan'ny zanak'Israely ho fanatitra masina isan-karazany; ary ho eo an-kandriny lalandava izy eo anatrehan'ny Tompo mba hahitan'izy ireo sitraka amin'ny Tompo. 39 Ataovy rongony madinika ny akanjo anatiny, ataovy rongony madinika koa ny hamama, ary ataovy misoratsoratra ny fehin-kibo. 40 Ny an'ny zanak'i Aarona dia toniky no ataovy ho azy ireo, ary anaovy fehin-kibo sy mitra koa izy, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingoany.

41 Hampiakanjoinao Aarona rahalahinao, sy ny zanany koa, hosoranao izy, hatokanao izy, ho hamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana ahy.

42 Manaova kalisaona rongony fotsy ho azy ireo, hanarona ny fitanjahany; ataovy hatreo amin'ny valahany ka hatreo amin'ny feny. 43 Ireo no hoentin'i Aarona sy ny zanany, na hiditra eo amin'ny trano lay fihaonana izy ireo, na hankeo amin'ny otely hanao ny fanompoam-pivavahana eo amin'ny fitoerana masina. Ary amin'izany dia tsy ho voan-keloka izy ka tsy ho faty. Lalàna mandrakizay izany, ho an'i Aarona sy ny taranany mandimby azy.

Toko faha-29

1 Izao no ataovy amin'ny fanamasinana azy ireo ho mpisorona ho ahy: Makà vantotr'ombalahy iray sy ondralahy roa, samy tsy misy kilema.

2 Mofo tsy misy lalivay, mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin'ny diloilo, mofo mamy manify tsy misy lalivay voatondraka diloilo, ka lafarinim-barim-bazaha tsara indrindra no hanaovana azy. 3 Ataovy an-tsobika iray ihany izy, dia atero izany ao anatin'ny sobika miaraka amin'ny vantotr'ombalahy iray sy ny ondralahy roa. 4 Dia ampandrosoy Aarona sy ireo zanany, ho eo amin'ny fidirana amin'ny trano lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.

5 Rahefa izany alao ireo fanamiana, ka ampiankanjoy an'i Aarona ny akanjo anatiny, ny akanjo lavan'ny efoda, ary ny efoda sy ny saron-tratra, dia hetrao amin'ny fehin-kibon'ny efoda izy. 6 Ataovy eo an-dohany ny hamama, ary ataovy eo amin'ny hamama ilay diademam-pahamasinana. 7 Dia alaovy ny diloilo fanosorana, ka aidino eo amin'ny lohany hanosoranao azy. 8 Ary ampandrosoy koa ireo zanany, ka ampiakanjoy ny toniky. 9 Aarona sy ireo zanany samy hetrao amin'ny fehin-kibo; ary ireo zanak'i Aarona ampisatrohy mitra. Dia ho azy ireo, amin'ny lalàna mandrakizay ny fisoronana; ary hanokana an'i Aarona sy ireo zanany hianao. 10 Ny ombalahy hoentinao mankeo anoloan'ny trano lay fihaonana, ary Aarona sy ireo zanany hametraka ny tànany eo ambonin'ny lohan'ny ombalahy.

11 Hovonoinao eo anatrehan'ny Tompo ny ombalahy eo amin'ny fidirana ho ao an-trano lay fihaonana; 12 ka angalao ny ran'ny ombalahy atenteno amin'ireo tandroky ny otely amin'ny fanondronao, dia araraho eo am-pototry ny otely avokoa ny sisa. 13 Alaovy avokoa ny sabora safodrorohany, ny saron'atiny, ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, ka indray dory hanetona eo ambony otely. 14 Fa ny nofon'ny ombalahy kosa mbamin'ny hodiny sy ny tain-drorohany, dory amin'ny afo any ivelan'ny toby: sorona noho ny ota izany. 15 Alao ny iray amin'ireo ondralahy, ka Aarona sy ny zanany hametraka ny tànany ambonin'ny lohan'ny ondralahy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2005