Eksaody

Toko faha-38

19 varahina ny andriny efatra sy ny faladiany efatra; volafotsy ny faraingony sy ny anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin'ny lohany. 20 Varahina avokoa ny tsimatra amin'ny Fonenana sy amin'ny fefin'ny kianja. 21 Ary izao no isan'ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan'ny vavolombelona; ny Levita, notaritin'Itamara, zanak'i Aarona, mpisorona, no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin'i Moizy.

22 Ny nanao izay rehetra nandidian'ny Tompo an'i Moizy dia Beseleela, zanak'i Orì, zanak'i Hora, amin'ny fokon'i Jodà; 23 ary ny nanampy azy dia Ooliaba, zanak'i Akisameka, amin'ny fokon'i Dana, mahay manao sary sokirina, mamorona fomban-taozavatra vaovao, manao tenona misoratsoratra amin'ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika. 24 Ny tontalin'ny volamena nanaovana ny zavatra, izay zavatra rehetra natao momba ny fitoerana masina, dia talenta sivy amby roapolo sy sikla telopolo amby fiton-jato, araka ny sikla masina; volamena avy amin'ny fanatitra ireo. 25 Ny volafotsy avy amin'ny olona voaisa tamin'ny fiangonana kosa, nahatratra talenta zato sy sikla dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo, araka ny sikla masina. 26 Bekà iray isan'olona izany na antsasaky ny sikla iray, araka ny sikla masina, isan'olona, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, izay tratry ny fanisana, dia olona dimampolo amby diman-jato sy telo arivo sy enina hetsy. 27 Ny volafotsy talenta zato narendrika nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina sy ny faladian'ny efitra lamba, faladia zato araka ny talenta zato, talenta isam-paladia. 28 Ary ny dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo sikla, nanaovana ny faraingo amin'ny andry, sy ny peta-bolafotsy amin'ny koronosin'ny lohan'ny andry, ary anjaka itohizany. 29 Ny varahina naterin'ny olona nahatratra talenta fitopolo ary sikla efa-jato amby roa arivo. 30 Ny natao tamin'ireo dia ny faladia eo amin'ny varavaran'ny trano lay fihaonana, ny otely varahina mbamin'ny karakara varahina sy ny fanaka rehetra momba ny otely, ny faladian'ny fefin'ny kianja sy ny faladian'ny vavahadin'ny kianja ary ny tsimatra rehetra amin'ny Fonenana sy ny tsimatra rehetra amin'ny fefin'ny kianja.

Toko faha-39

1 Natao tamin'ny jaky volomparasy, sy jaky mangatrakatraka, ary lamba mena antitra ny fanamiana enti-manao ny fombam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mbamin'ny fanamiana masina ho an'i Aarona, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

2 Ny efoda dia natao tamin'ny volamena sy ny jaky volomparasy ary rongony madinika mihasina.

3 Nofisahana ho takelany manify ny volamena, dia nohetezana ho kofehy, vao nafaho tamin'ny rongony madinika, tenona misoratsoratra. 4 Nasiana sorony roa hanambatra azy, ka dia voakambana tamin'ny tendrony roa izy. 5 Ny fehin-kibo tambonin'ny efoda famehezana azy dia iray aminy, mitovy tenona aminy, natao tamin'ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra ary rongony mihasina, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 6 Namboarina ny vato berila nalatsaka tamin'ny randram-bolamena, ka nosokirina tamin'ireo toy ny fisokitra fanombohan-kase, ny anaran'ny zanak'Israely, 7 dia natao teo ambonin'ny soroky ny efoda ireo, ho vato fahatsiarovana ho an'ny zanak'Israely, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 8 Dia natao ny saron-tratra ka vita ara-pahaizana, toy ny nanenomana ny efoda ihany, tamin'ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony mihasina.

9 Efa-joro mitovy lafiny efatra izy, ary natao roa sosona ny saron-tratra, irain-jehy ny lavany, irain-jehy ny sakany, ary roa sosona izy. 10 Vato efatra andalana no naravaka azy; ny andalana iray dia sardoana, topaza, emeraody, andalana voalohany io; 11 andalana faharoa: eskarbokla, safira, diamondra; 12 andalana fahatelo: opala, agaty, ametista; 13 andalana fahefatra: krizolita, berila, jaspy. Samy voahodidina raozy kely volamena ireo vato ireo avy teo amin'izay nandatsahana azy. 14 Nifanerana tamin'ny anaran'ny zanak'Israely ny isan'izy ireo, fa nisy roa ambin'ny folo, toraky ny anaran'ireo, voasikotra toy ny amin'ny fanombohan-kase izy, ka samy nisy anarana iray avy tamin'ny foko roa ambin'ny folo. 15 Teo amin'ny saron-tratra dia nasiana rojo madinika, volamena madio, voarandrana toy ny tady. 16 Ary nanao randram-bolamena roa sy masom-bolamena roa izy, ka ny masom-bola roa dia natao tamin'ny tendrony roa amin'ny saron-tratra. 17 Natsofoka tamin'ny masom-bola roa ny tady volamena roa teo an-tendron'ny saron-tratra. 18 Ary nofeheziny tamin'ny randram-bolamena roa ny tendrony roa amin'ny rojony roa dia napetraka teo amin'ny soroky ny efoda anoloana. 19 Dia nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo an-tendrony roa ambany amin'ny saron-tratra eo amin'ny sisiny anatiny manolotra ny efoda. 20 Ary nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo ambanin'ny sorony roa amin'ny efoda eo anoloany, akaikin'ny famatorana azy eo ambonin'ny fehin-kibon'ny efoda. 21 Dia nafehiny tamin'ny ribà jaky volomparasy amin'ny masom-bolan'ny efoda ny masom-bolan'ny saron-tratra, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibon'ny efoda ny saron-tratra, ary tsy ho afa-miala eo amin'ny efoda ny saron-tratra, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 22 Jaky volomparasy avokoa no nanaovana ny akanjo lavan'ny efoda, asan-tànan'ny mpanenona.

23 Ny vozony, teo afovoan'ny akanjo lavan'ny efoda, dia nataony toy ny an'ny akanjo fiarovan-tratra: nasiany sisiny vita tenona, manodidina io vozony io, mba tsy haharovitra azy. 24 Ary ny moron-tongony nasiany apongabendanitra jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony mihasina; 25 nanao lakolosy kely, volamena madio izy, nampifanelanelaniny tamin'ny apongabendanitra teo amin'ny moron-tongotry ny akanjo lava manodidina, mifanelanelana amin'ny apogabendanitra: 26 lakolosy kely iray dia apongabendanitra iray, lakolosy kely iray dia apongabendanitra iray, amin'ny moron-tongotry ny akanjo lava manodidina, mba hanaovana ny fanompoam-pivavahana, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 27 Akanjo anaty rongony, asan-tànan'ny mpanenona, no natao ho an'i Aarona sy ireo zanany;

28 ary hamama rongony sy mitra rongony ho fihaingoany, kalisaona fotsy rongony mihasina, 29 ary fehin-kibo rongony mihasina, natao tamin'ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, tenon-damasy, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 30 Volamena madio no nanaovana ilay takelaka natao diadema masina, dia nosokirina teo, toy ny fisikotra fanombohan-kase, ny hoe: Fahamasinana ho an'ny Tompo.

31 Ribà jaky volomparasy no namehezana azy hametrahana azy amin'ny hamama avy ao ambony, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 32 Dia vita ny zavatra rehetra momba ny Fonenana, ny trano lay fihaonana; sady tanteraky ny zanak'Israely araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy avokoa. Izany no nataony.

33 Natolotra an'i Moizy ny Fonenana, ny trano lay mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ny jaigrafiny, ny hazo fisany, ny barany; ny andriny, ny faladiany;

34 ny firakotra hoditr'ondralahy misoka mena, ny firakotra hodi-dogaona, ny efitra lamba fisarahana; 35 ny fiaran'ny vavolombelona mbamin'ny baony sy ny fanaovam-panavotana; 36 ny latabatra sy ny fanaka momba azy, mbamin'ny mofo alahatra; 37 ny fanaovan-jiro volamena madio mbamin'ny lalampiny, dia ny lalampy halahatra eo aminy, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny diloilo hatao amin'ny jiro; 38 ny otely volamena, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, mbamin'ny varavarana lamba fidirana amin'ny trano lay;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1511