Eksaody

Toko faha-36

36 ary nanaovana andry efatra amin'ny hazo akasià, nopetaham-bolamena, sy faraingony volamena; ary volafotsy no narendrika natao faladiany efatra. 37 Ny fidirana ho ao amin'ny lay, nanaovana varavarana lamba jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina, taozavatra misoratsoratra.

38 Nanaovana andriny dimy mbamin'ny faraingony avy io varavarana lamba io, ary voapetaka takela-bolamena ny koronosin'ireo mbamin'ny anjaka itohizany, ary varahina ny faladiany dimy.

Toko faha-37

1 Hazo akasià no nanaovan'i Beseleela ny fiara: roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

2 Nopetahany takela-bolamena madio ny atiny sy ivelany, nasiany tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy. 3 Nandrendrika masom-bolamena efatra ho azy izy, nataony tamin'ny tongony efatra: masom-bola roa tamin'ny ilany iray, masom-bola roa tamin'ny ilany iray hafa. 4 Nanao bao tamin'ny hazo akasià izy, ary nopetahany takela-bolamena. 5 Natsofony tamin'ireo masom-bola teo amin'ny lanin'ny fiara ny bao hitondrana azy. 6 Nanao fanaovam-panavotana tamin'ny volamena madio izy; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany. 7 Nanao kerobima volamena roa izy, nataony volamena an-tefiny, tao amin'ny tendrony roa amin'ny fanaovam-panavotana. 8 Ny kerobima iray amin'ny tendrony iray ary ny kerobima iray amin'ny tendrony iray hafa, nataony tafahoatra ny fanaovam-panavotana eo amin'ny tendrony roa avy ny kerobima. 9 Nivelatra niakatra ny elatry ny kerobima manaloka ny fanaovam-panavotana ary ny tavany mifanatrika, ary ny tavan'ny kerobima mitodika manatrika ny fanaovam-panavotana. 10 Hazo akasià koa no nanaovany ny latabatra: roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

11 Nopetahany takela-bolamena madio izy, ary nasiany tanjo-miolaka volamena manodidina azy. 12 Nasiany sisiny iray vody voampelatanana manodidina azy, ary io sisiny io nanaovany tanjo-miolaka volamena manodidina. 13 Nandrendrika masom-bolamena efatra izy ary nataony tamin'ny zorony efatra ny masom-bolamena, dia amin'ny tongony efatra. 14 Tao akaikin'ny sisiny ny masom-bola hidiran'ny bao hitondrana ny latabatra. 15 Ny bao dia nataony tamin'ny hazo akasià nopetahana volamena: izany no nitondrana ny latabatra. 16 Nanao fanaka hapetraka eo ambonin'ny latabatra izy, dia ny loviany, ny fitoeran-java-manitra, ny kopiny ary ny tasiny fanaovam-panatitra araraka; volamena madio no nanaovany an'ireo. 17 Volamena madio no nanaovany ny fanaovan-jiro; volamena an-tefiny avokoa, na ny fanaovan-jiro na ny tongony aman-tahony; iray aminy koa ny ravim-boniny mbamin'ny bokony sy ny voniny.

18 Rantsany enina no teo an-daniny roa; ny rantsany telo amin'ny fanaovan-jiro dia tao amin'ny laniny iray; ary ny rantsany telo amin'ny fanaovan-jiro dia tao amin'ny laniny iray hafa. 19 Ka ny rantsany voalohany nisy ravim-boniny telo miendrika vonin'amandia, bokony sy voniny; ny rantsany faharoa nisy ravim-boniny telo miendrika vonin'amandia, bokiny sy voniny; dia nisy toy izany avokoa ny rantsany enina misampana avy amin'ny fanaovan-jiro. 20 Teo amin'ny tahon'ny fanaovan-jiro nisy ravim-boniny efatra miendrika vonin'amandia, bokony sy voniny: 21 bokony iray teo ambanin'ny rantsany roa voalohany, misampana avy amin'ny fanaovan-jiro; bokony iray teo amin'ny rantsany roa manarakaraka avy amin'ny fanaovan-jiro; ary bokony iray teo ambanin'ny rantsany roa farany avy amin'ny fanaovan-jiro, araka ny rantsany enina misampana avy amin'ny fanaovan-jiro. 22 Iray amin'ny fanaovan-jiro ireo bokony aman-drantsany, fa vongam-bolamena an-tefy iray ihany, volamena madio, no nanaovana azy rehetra manontolo. 23 Volamena madio avokoa no nanaovany ny lalampiny fito sy ny hetin-jirony, ary ny fitoeran-davenon-jirony. 24 Volamena madio talenta iray no lany nanaovana ny fanaovan-jiro mbamin'ny fanaka rehetra momba azy. 25 Hazo akasià no nanaovany ny otely fandoroan-java-manitra; iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, efa-joro mitovy lafiny efatra, ary roa hakiho ny hahavony, iray aminy ny tandrony.

26 Nopetahany takela-bolamena madio izy dia ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony; ary nasiany tanjo-miolaka volamena manodidina. 27 Nasiany masom-bolamena roa teo ambanin'ny tanjo-miolaka amin'ny rirany roa; nataony teo an-daniny roa ireo, hidiran'ny bao hitondrana azy. 28 Hazo akasià, nopetahany volamena, no nanaovany ny bao. 29 Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra.

Toko faha-38

1 Hazo akasià no nanaovany ny otely fanaovan-tsorona dorana; dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny sakany, fa mitovy ny lafiny efatra, ary telo hakiho ny hahavony.

2 Ny zorony efatra nasiany tandrony mivoaka avy amin'ny otely, sy nopetahany takela-barahina ny otely. 3 Nataony avokoa ny fanaka momba ny otely: Ny tavin-davenona, ny lapela, ny tavy, ny fitrebika ary ny fatana; varahina no nanaovany an'ireo fanaka rehetra ireo. 4 Nanaovany karakara varahina ny otely, nataony toy ny harato, dia napetrany teo ambanin'ny koronosin'ny otely, avy eo ambany ka hatreo amin'ny fisasahany. 5 Nandrendrika masom-bola efatra izy ho eo amin'ny zorony efatra amin'ny karakara varahina, hitsofohan'ny bao.

6 Hazo akasià nopetahany varahina, no nanaovany ny bao. 7 Natsofony tamin'ny masombola eo andaniny roan'ny otely ny bao hitondrana azy. Nataony hoboka àty tamin'ny hazo fisaka ny otely. 8 Nanao ny tavy varahina sy ny faladiany varahina izy tamin'ny fitaratr'ireo vehivavy mpivory eo amin'ny fidiran'ny trano lay fihaonana.

9 Dia nanao ny kianja izy. Ny fefy lamba tamin'ny lafiny atsimo, ao an-kavanana, dia zato hakiho ny lavany; rongony madinika mihasina no nanaovana azy;

10 roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny faraingo amin'ny andriny sy ny anjaka hitohizany. 11 Tamin'ny lafiny avaratra, zato hakiho ny fefy lamba, roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny faraingo amin'ny andriny sy ny anjaka hitohizany. 12 Tamin'ny lafiny andrefana, dimampolo hakiho ny fefy lamba, folo ny andriny ary folo ny faladiany. 13 Tamin'ny lafiny atsinanana anoloana, dimampolo hakiho koa. 14 Tamin'ny ilany iray, fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho, sy ny andry telo mbamin'ny faladiany telo. 15 Ary tamin'ny ilany iray, - fa samy tamin'ny ilany iray amin'ny vavahadin'ny kianja avy izy, - fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho sy ny andriny telo mbamin'ny faladiany telo. 16 Rongony madinika mihasina avokoa ny lamba rehetra namefy ny kianja; 17 varahina ny faladian'ny andry, volafotsy ny faraingo amin'ny andry sy anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin'ny lohany. Voakambana amin'ny anja-bolafotsy avokoa ny andry amin'ny kianja. 18 Ny lamba varavarana tamin'ny vavahadin'ny kianja dia asan-tenona misoratsoratra, natao tamin'ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina; roapolo hakiho ny halavany, dimy hakiho ny hahavony, tahaka ny sakan'ny fefy lamba amin'ny kianja;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1896