Eksaody

Toko faha-35

21 dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an'ny Tompo hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin'ny fanaka rehetra ao aminy, sy ny fanamiana masina. 22 Samy tonga daholo na lahy na vavy; izay rehetra vonona tsara tao am-pony nitondra fampoehana, masom-bola, peratra, fehin-tànana, fanaka volamena isan-karazany; samy nanolotra fanatitra volamena avokoa izy, natokany ho an'ny Tompo. 23 Izay rehetra nanana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, volon'osy, hoditr'ondralahy voasoka mena, ary hodi-dogaona, dia samy nitondra avokoa. 24 Izay rehetra nanokana fanatitra volafotsy na varahina dia samy nitondra ny azy ho an'ny Tompo. Izay rehetra nanan-kazo akasià hanaovana ny zavatra rehetra momba ny fanompoam-pivavahana dia nanolotra izany. 25 Ny vehivavy nanam-pahaizana rehetra namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nataony, dia jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika. 26 Ny vehivavy rehetra izay voatariky ny fo mazoto sady nanam-pahaizana dia namoly volon'osy. 27 Ny loholona kosa nitondra vato berila ary vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin'ny efoda sy ny saron-tratra; 28 zava-manitra aman-diloilo hatao amin'ny fanaovan-jiro sy ny diloilo fanosorana ary ny zava-manitra mamerovero. 29 Ny zanak'Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin'ny asa rehetra nandidian'ny Tompo tamin'ny vavan'i Moizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitra-po ho an'ny Tompo. 30 Ary hoy Moizy tamin'ny zanak'Israely: Aoka ho fantatrareo fa Beseleela, zanak'i Ori, zanak'i Hora, amin'ny fokon'i Jodà, no efa nofidin'ny Tompo.

31 Nofenoiny ny fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina ary fahaizana hanao asa samihafa isan-karazany; 32 ny mamorona taozavatra vaovao, ny manefy volamena sy volafotsy ary varahina, 33 ny misokitra vato halatsaka an-tranontranony, ny mandrafitra hazo ary ny mahavita ny asa samihafa rehetra ilam-pahaizana. 34 Efa nataon'Andriamanitra ao am-pony koa ny fahaiza-mampianatra; ary toy izany no nataony tamin'i Ooliaba, zanak'i Akisameka, amin'ny fokon'i Dana. 35 Samy efa nofenoiny fahaizana hahavitana ny asa rehetra fisokirana sarin-javatra sy ilam-pahaizana, hanenomana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, asina sary samihafa, hanaovana taozavatra samihafa isan-karazany ary hamoronana fomban-taozavatra vaovao.

Toko faha-36

1 Koa Beseleela sy Ooliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay nomen'ny Tompo fahaizana amam-pahakingana hahay manao ny taozavatra rehetra momba ny fanompoana eo amin'ny fitoerana masina no hamita azy araka izay rehetra nodidian'ny Tompo hanaovana azy.

2 Dia nampanalain'i Moizy Beseleela sy Ooliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay norotsahan'ny Tompo fahaizana ny fony, mbamin'izay rehetra notaomin'ny fony amin'izany asa izany mba hahavita azy.

3 Noraisin'izy ireo teo anoloan'i Moizy ny fanatitra rehetra naterin'ny zanak'Israely hanaovana ny taozavatra momba ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina; ary isa-maraina tsy tapaka ny olona nitondra ny fanatitra an-tsitra-po teo amin'i Moizy. 4 Tamin'izay ireo olo-mahay nanao ny asa rehetra momba ny fitoerana masina, samy niato tamin'ny raharaha nataony, 5 ka tonga teo amin'i Moizy nilaza hoe: Tafahoatra noho izay ilaina ny zavatra aterin'ny olona hahavitana ny asa nodidian'ny Tompo hatao. 6 Ka dia nandefa teny Moizy, ka nokabarina tao an-toby ny hoe: Aza misy olona, na lahy na vavy, misahirana intsony amin'ny zavatra haterina ho an'ny fitoerana masina; notohanana ny olona tsy hanatitra intsony, 7 fa ampy sy manan'amby aza ny zavatra voaangona hanaovana izay hatao rehetra. 8 Ny olo-mahay rehetra tamin'izay niasa tamin'io raharaha io, no nanao ny Fonenana tamin'ny ambainy folo: rongony madinika mihasina, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, mbamin'ny kerobima, no nanaovany azy: asan'ny mpanenona mahay.

9 Valo amby roapolo hakiho no halavan'ny ambainy iray ary efatra hakiho no sakany; mitovy avokoa ny haben'ny ambainy rehetra. 10 Navitrana ho iray ny dimy tamin'ireo ambainy ireo, dia navitrana ho iray koa ny dimy sisa. 11 Nasiana tadivavarana jaky volomparasy ny vavan'ny ambainy sisin'ireo navitrana voalohany, dia natao toy izany koa ny vavan'ny ambainy sisin'ireo navitrana faharoa. 12 Tadivavarana dimampolo no natao tamin'ny ambainy voalohany; ary tadivavarana dimampolo koa tamin'ny ambainy farany sisin'ny voavitrana faharoa, ka mifanandrify hatrany ireo tadivavarana ireo. 13 Dia jaigrafy volamena dimampolo no natao hampifanakambana ireo ambainy ireo, ka voatambatra ho iray ihany ny Fonenana. 14 Ambainy volon'osy no natao hanamboarana lay ho ao ambonin'ny Fonenana, ka natao iraika ambin'ny folo ny ambainy.

15 Telopolo hakiho no halavan'ny ambainy iray, ary efatra hakiho no sakan'ny ambainy iray; mitovy avokoa ny haben'ny ambainy iraika ambin'ny folo. 16 Ny dimy tamin'ireo ambainy ireo no nakambana manokana, ary ny enina sisa dia nakambana manokana. 17 Nasiana tadivavarana dimampolo ny vavan'ny ambainy, sisin'ny voavitrana anankiray, ary nasiana tadivavarana dimampolo koa ny vavan'ny ambainy farany sisin'ny voavitrana faharoa. 18 Jaigrafy varahina dimampolo no natao hanakambana ny lay manontolo ho iray ihany. 19 Hoditr'ondralahy voasoka mena no natao firakotry ny lay, ary nisy firakotra hodi-dogaona iray koa tambonin'io. 20 Natao koa ny hazo fisaka momba ny Fonenana; hazo fisaka tamin'ny hazo akasià, natao mitsangana.

21 Folo hakiho no halavan'ny hazo fisaka iray, ary iray hakiho sy sasany no indrabeny. 22 Lahiny roa mifampikambana no tamin'ny hazo fisaka tsirairay; ary natao toy izany avokoa ny hazo fisaka tamin'ny Fonenana. 23 Natao ny hazo fisaka momba ny Fonenana, hazo fisaka roapolo amin'ny lafiny atsimo, an-kavanan'ny Fonenana; 24 ary faladia volafotsy efapolo no natao tao ambanin'ny hazo fisaka roapolo dia faladia roa tao ambanin'isan-kazo fisaka amin'ny lahiny roa. 25 Hazo fisaka roapolo koa no natao amin'ny lafin'ny Fonenana faharoa, ilany avaratra, 26 nombàna ny faladiany volafotsy efapolo, faladia roa tao ambanin'isan-kazo fisaka, 27 hazo fisaka enina no natao amin'ny faran'ny Fonenana lafiny andrefana; 28 ary hazo fisaka roa no natao amin'ny zoron'ny Fonenana ao anatiny, 29 natao roa sosona hatraty ambany ka mikambana ho iray hatrany an-tampony, mipaka amin'ny masom-bola voalohany; nataony toy izany avokoa ny hazo fisaka roa tamin'ny zorony roa. 30 Ary nisy koa hazo fisaka valo samy nanana ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin'ny folo, faladia roa avy, ambanin'ny isan-kazo fisaka. 31 Dia natao ny barany tamin'ny hazo akasià, dimy ho an'ny hazo fisaka amin'ny lafin'ny Fonenana iray. 32 Barany dimy ho an'ny hazo fisaka amin'ny lafin'ny Fonenana faharoa, barany dimy ho an'ny hazo fisaka amin'ny lafin'ny Fonenana andrefana izay ery ivohony. 33 Ny barany afovoany nahatratra ny tendrony roa amin'ny lavan'ny hazo fisaka. 34 Nopetahana takela-bolamena ny hazo fisaka; natao volamena koa ny masom-bola nidiran'ny barany: ary nopetahana volamena koa ny barany. 35 Ny efitra lamba dia natao tamin'ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina, nosoratana sarin-kerobima: asam-panenona mahay;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.161