Levitika

Toko voalohany

8 izay vao alahatry ny mpisorona zanak'i Aarona eo ambonin'ny kitay hazo, eo amin'ny afo, ny didin-kena mbamin'ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra. 9 Sasana amin'ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran'ny mpisorona hanetona eo ambony otely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 10 Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak'ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,

11 dia hovonoiny izy io eo amin'ny lafiny avaratry ny otely, eo anatrehan'ny Tompo, ary ny mpisorona zanak'i Aarona handraraka ny rà manodidina eo ambonin'ny otely. 12 Horasaina araka ny didiny izy, mbamin'ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra, dia alahatry ny mpisorona eo ambony kitay hazo voatohoka eo amin'ny afon'ny otely. 13 Hosasany amin'ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray hatolotry ny mpisorona sy hodorany hanetona eo ambony otely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 14 Raha vorona hatao sorona dorana no ateriny amin'ny Tompo, dia domohina na vanto-boromailala no hateriny.

15 Hoentin'ny mpisorona ao amin'ny otely ny vorona, ka hofolahiny amin'ny hohony ny lohany, dia hodorany hanetona eo ambonin'ny otely ny rany. 16 Hoesoriny ny takorobabony mbamin'izay maloto rehetra ao aminy, dia hariany eo akaikin'ny otely amin'ny atsinanany, eo amin'ny fitoeran-davenona. 17 Izay vao hosamahiny amin'ny elany ny vorona, tsy atao hentitra, dia hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny otely, eo ambonin'ny kitay hazo voatohoka amin'ny afo. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo.

Toko faha-2

1 Raha misy olona manolotra zavatra amin'ny Tompo hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.

2 Hoentiny amin'ny mpisorona zanak'i Aarona izany, dia angalan'ny mpisorona eran-tànan'ila miaraka amin'ny lafarina tsara indrindra voararaka diloilo ny emboka rehetra, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny otely izany, ho fahatsiarovana. Sorona atao amin'ny afo izany, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 3 Izay sisa amin'ny fanatitra dia ho an'i Aarona sy ny zanany; zava-masina dia masina amin'ny sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo izany. 4 Raha zavatra endin-dafaoro no hatolotrao ho fanatitra, dia ho mofo mamy vita amin'ny lafarina tsara indrindra tsy misy lalivay, voadity amin'ny diloilo, sy mofo manify, tsy misy lalivay, voararaka diloilo.

5 Ary raha mofo endin-dapoaly no hatolotrao ho fanatitra, dia mofo lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo, tsy misy lalivay.

6 Hovakinao ho tapatapany izy, dia horarahanao diloilo; fanatitra izany. 7 Raha mofo mamy nandrahoina tamin'ny kasitrola no hatolotrao ho fanatitra dia hatao amin'ny lafarina tsara indrindra miharo diloilo. 8 Hoentinao ho ao amin'ny Tompo ny fanatitrao, rahefa voavoatra toy izany; ary rahefa voatolotra amin'ny mpisorona izy, dia hentiny ao amin'ny otely. 9 Havahan'ny mpisorona izay tsy maintsy haterina ho fahatsiarovana dia hodorany hanetona eo ambonin'ny otely; sorona atao amin'ny afo izany, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 10 Izay sisa amin'ny fanatitra dia ho an'i Aarona sy ny zanany; fa zava-masina dia masina amin'ny sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo izany. 11 Ny fanatitra rehetra aterinareo ho an'ny Tompo dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy ho azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo rahefa zavatra misy lalivay na tantely.

12 Fa azonareo atolotra amin'ny Tompo ho fanatitra voaloham-bokatra izany; nefa tsy hisy apetraka eo ambonin'ny otely ho fanatitra misy hanitra ankasitrahana. 13 Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran'ny fanekem-pihavanan'ny Andriamanitrao ny fanatritrao: hanolotra sira ao amin'ny fanatitrao rehetra hianao. 14 Raha fanatitra atao santa-bokatra no entinao amin'ny Tompo, dia salohim-bary voaendy amin'ny afo, lango voatoto, no haterinao ho fanatitra hatao santa-bokatrao.

15 Handrarahanao diloilo eo amboniny ary hampianao emboka; fanatitra izany. 16 Ny sasany amin'ny vary voatoto sy ny diloilo ary ny emboka rehetra, dia hodoran'ny mpisorona hanetona ho fahatsiarovana. Sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo izany.

Toko faha-3

1 Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana ka biby vaventy, lahy na vavy, no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'ny Tompo.

2 Hametra-tànana eo ambonin'ny lohan'ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran'ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak'i Aarona, handraraka ny rà manodidina amin'ny otely. 3 Ny hatolony ho sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo amin'io sorom-pihavanana io, dia ny safo-drorohany sy ny saboran-tsinainy, 4 ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay miraikitra amin'ny faritry ny voany, ny saron'atiny izay hendahiny ao akaikin'ny voany. 5 Hodoran'ny zanak'i Aarona izany hanetona eo ambonin'ny otely, eo ambonin'ny sorona dorana voapetraka eo ambony kitay hazo eo amin'ny afo. Sorona atao amin'ny afo izany, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 6 Raha biby madinika, lahy na vavy, no ateriny ho sorom-pihavanana amin'ny Tompo, dia izay tsy misy kilema no hateriny.

7 Raha zanak'ondry no ateriny ho sorona, dia hatolony eo anatrehan'ny Tompo.

8 Hametra-tànana eo ambonin'ny lohan'ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan'ny trano lay fihaonana, ary ny zanak'i Aarona handraraka ny rà manodidina ao amin'ny otely. 9 Ny hatolony ho sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo amin'io sorom-pihavanana io dia ny saborany, ny hofany manontolo faranana hatreo amin'ny hazon-damosiny, ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miraikitra amin'ny tsinainy; 10 ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay miraikitra amin'ny faritry ny voany: ny saron'atiny izay hendahany ao akaikin'ny voany. 11 Hodoran'ny mpisorona izany hanetona eo ambonin'ny otely. Faham-pisoronana atao amin'ny afo ho an'ny Tompo izany. 12 Raha osivavy ny fanatiny, dia hatolony eo anatrehan'ny Tompo.

13 Hametraka ny tànany eo ambonin'ny lohan'ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan'ny trano lay fihaonana, ary ny zanak'i Aarona handraraka ny rà manodidina ao amin'ny otely. 14 Ny hatolony ho sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo, amin'ny sorona, dia ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miray amin'ny tsinainy, 15 ny voany roa mbamin'ny fonom-boany izay miraikitra amin'ny faritry ny voany, ny saron'atiny izay hendahany ao akaikin'ny voany. 16 Hodoran'ny mpisorona izany hanetona eo ambonin'ny otely. Faham-pisoronana atao amin'ny afo, ho fofona ankasitrahana izany. An'ny Tompo ny sabora rehetra. 17 Lalàna tsy tapaka hatrany amin'ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na rà akory.

Toko faha-4

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin'ny didin'ny Tompo momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin'ireny izy; 3 Raha mpisorona efa voahosotra no nanota, ka nahameloka ny vahoaka amin'izany, dia vantotr'ombalahy iray tsy misy kilema no hatolony amin'ny Tompo, noho ny otany, ho sorona fanonerana.

4 Hitondra ny vantotr'ombalahy ho eo anoloan'ny trano lay fihaonana izy, eo anatrehan'ny Tompo, dia hametraka ny tànany eo ambonin'ny lohan'ny ombalahy sy hamono azy eo anatrehan'ny Tompo. 5 Ny mpisorona efa voahosotra haka amin'ny ràn'ny ombalahy sy hitondra izany ho ao an-trano lay fihaonana, 6 hanoboka ny rantsan-tànany ao amin'ny rà, hamafy izany impito eo anatrehan'ny Tompo, tandrifin'ny efitra lamban'ny fitoerana masina. 7 Ny mpisorona hanentina rà ny tandroky ny otely fandoroan-java-manitra, izay eo anatrehan'ny Tompo ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny rà rehetra avy amin'ny ombalahy eo ambodin'ny otely fanaovan-tsorona dorana, izay eo amin'ny fidiran'ny trano lay fihaonana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1561