Levitika

Toko faha-4

8 Halaina avokoa ny saboran'ny ombalahy natao sorona noho ny ota, dia ny sabora saron-tsinainy, ny sabora miray amin'ny tsinainy, 9 ny voany roa ary ny fonom-boany izay miraikitra amin'ny faritry ny voany, ary ny saron'atiny izay hendahany ao akaikin'ny voany. 10 Toy ny fanalana izany amin'ny ombalahy atao sorom-pihavanana; hodorany izany hanetona eo ambonin'ny otely fanaovan-tsorona dorana. 11 Fa ny hoditry ny ombalahy, ny henany rehetra, mbamin'ny lohany, ny tongony, ny taovany, ny tain-drorohany, 12 ary ny ombalahy manontolo havoakany any ivelan'ny toby, amin'ny fitoerana madio, fanariana ny lavenona, dia hodorany amin'ny afo eo ambony kitay hazo; ka eo ambonin'ny antontan-davenona no handorany azy. 13 Raha ny fiangonan'Israely rehetra no nanota tsy nahy, fa tsy voatandrin'ny masony izany, ka nahavita zavatra noraran'ny Tompo tsy hatao izy, ary tonga meloka tamin'izany;

14 rahefa fantatra ny ota nataony, dia vantotr'ombalahy iray no haterin'ny fiangonana, ho sorona fanonerana, hoentiny eo anoloan'ny trano lay fihaonana. 15 Ka ny loha fiangonana hametra-tànana eo ambonin'ny lohan'ny ombalahy, eo anatrehan'ny Tompo, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan'ny Tompo. 16 Ny mpisorona voahosotra hitondra amin'ny ràn'ny ombalahy ho ao an-trano lay fihaonana; 17 dia hanoboka ny rantsan-tànany ao amin'ny rà, hamafy izany impito, eo anatrehan'ny Tompo, tandrifin'ny efitra lamba; 18 hanentina rà ny tandroky ny otely, izay eo anatrehan'ny Tompo ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny rà rehetra eo ambodin'ny otely fanaovan-tsorona dorana, izay eo anoloan'ny trano lay fihaonana. 19 Rahefa izany, halainy daholo ny saboran'ny vantotr'ombalahy, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny otely. 20 Toy ny anaovana ny ombalahy natao sorona noho ny ota no hanaovany izany ombalahy izany; toy izany no hanaovany azy; dia izany no hahavitan'ny mpisorona fanonerana ho azy ireo; ka ho voavela ny helony. 21 Havoakany ho any ivelan'ny toby ny ombalahy, dia hodorany toy ilay ombalahy voalohany teo. Izany no sorona noho ny otan'ny fiangonana. 22 Raha mpifehy no nanota, nanao tsy nahy zavatra anankiray amin'izay noraran'ny Tompo Andriamaniny tsy hatao ka tonga meloka tamin'izany,

23 rahefa fantany ny fahotana nataony, dia osilahy tsy misy kilema no fanatitra hoentiny; 24 hametra-tànana eo ambonin'ny lohany izy sy hamono azy eo amin'ny fitoerana famonoana ny sorona dorana, eo anatrehan'ny Tompo, fa fanatitra noho ny ota izany. 25 Ny mpisorona haka amin'ny rantsan-tànany amin'ny ràn'ny sorona noho ny ota, dia hanentina amin'izany ny tandroky ny otely fanaovan-tsorona dorana, sy hanidina ny rà eo an-tongotr'io otely io. 26 Rahefa izany, hodorany daholo eo ambonin'ny otely ny sabora, toy ny fandoroana ny sabora amin'ny sorom-pihavanana. Toy izany no hanaovan'ny mpisorona ny fanonerana ny fahotana ho azy, dia ho voavela ny otany. 27 Raha ny iray amin'ny sarambabem-bahoaka no nanota tsy nahy, nanao ny iray amin'ny zavatra noraran'ny Tompo tsy hatao, ka tonga meloka izy;

28 rahefa fantany ny helony, dia osivavy lava volo, tsy misy kilema, no hatolony hatao fanatitra noho ny fahotana nataony. 29 Hametra-tànana eo ambonin'ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy eo amin'ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana/ 30 Ny mpisorona haka amin'ny rantsan-tànany amin'ny ràn'ny sorona, hanentina amin'izany ny tandroky ny otely fanaovan-tsorona dorana, ary hanidina ny rà rehetra eo an-tongotry ny otely. 31 Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalàna ny sabora amin'ny sorom-pihavanana ka hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny otely, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. Toy izany no hanaovan'ny mpisorona ny fanonerana ho an'izany olona izany, dia ho voavela ny otany. 32 Raha zanak'ondry no entiny hatao sorona noho ny ota, dia izay vavy tsy misy kilema no hoentiny.

33 Hametra-tànana eo ambonin'ny lohan'ny sorona noho ny ota izy sy hamono zay ho sorona fanonerana, eo amin'ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana. 34 Ny mpisorona haka amin'ny rantsan-tànany amin'ny ràn-tsorona, hanentina ny tandroky ny otely fanaovan-tsorona dorana amin'izany, ary hanidina ny rà rehetra eo an-tongotry ny otely. 35 Dia halany daholo ny sabora toy ny fanalàna ny saboran'ny zanak'ondry amin'ny sorom-pihavanana dia hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny otely, eo ambonin'ny sorona atao amin'ny afo, ho an'ny Tompo. Toy izany no hanaovan'ny mpisorona ny fanonerana ho an'izany olona izany noho ny ota nataony, dia ho voavela ny otany.

Toko faha-5

1 Raha misy olona manota noho izy efa nandre ny didin'ny mpitsara, amin'ny maha-vavolombelona azy, nefa tsy milaza izay hitany na izay fantany, dia hivesaran'ny helony izy.

2 Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin'izany, ka nahazo fahotana; 3 toy izany koa izy, raha nahakasika tsy nahy fahalotoan'olona, na inona na inona izany, izay mety hahatonga ho maloto, ka mahita nony avy eo, dia mahazo fahotana izy. 4 Raha misy olona latsa-bava, mianiana hanao soa na ratsy, na inona na inona voalazany amim-pianianana tsy voahevitra, nefa tsy nahafantatra izany izy, fa aty aoriana vao fantany, dia mahazo fahotana izy amin'ny iray amin'ireo zavatra ireo. 5 Koa izay nahazo fahotana tamin'ny iray amin'ireo zavatra ireo, dia hiaiky amin'izay nahadiso azy tamin'ireo.

6 Ary hitondra ho an'ny Tompo ho fanonerana noho ny ota nataony, ny vavy iray amin'ny biby fiompy madinika, na ondry na osy, hatao sorona noho ny fahotany, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy noho ny otany. 7 Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondrivavy na osivavy, dia domohina roa na vanto-boromailala roa no hateriny ho an'ny Tompo ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.

8 Hoentiny ireo ho eo amin'ny mpisorona izay hamonony atao sorona noho ny ota aloha. Hofolahin'ny mpisorona tsy ataony tangarana eo akaikin'ny hatony, ny lohany; 9 hofafazany amin'ny ràn-tsorona noho ny ota ny lafiny amin'ny otely, ary hofiazana eo an-tongotry ny otely ny rà sisa; sorona noho ny ota io. 10 Ary ny vorona anankiray hanaovany sorona dorana araka ny fombany. Toy izany no hanaovan'ny mpisorona ho an'izany olona izany ny fanonerana ny fahotana nataony; dia ho voavela ny otany. 11 Raha tsy manan-katao hahazoany domohina roa na vanto-boromailala roa izy, dia lafarina tsara indrindra ampahafolon'ny efah no hoentiny ho fanatitra noho ny otany, hatao sorona noho ny ota; tsy horarahany diloilo eo amboniny, na hampiany emboka, fa sorona noho ny ota izany.

12 Hitondra izany ho eo amin'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona haka eran-tànan'ila amin'izany ho fahatsiarovana, dia handoro azy hanetona eo ambonin'ny otely, eo ambonin'ny sorona atao amin'ny afo, ho an'ny Tompo; sorona noho ny ota izany. 13 Toy izany no hanaovan'ny mpisorona fanonerana ho an'izany olona izany, noho ny ota nataony amin'ny iray amin'ireny zavatra ireny; dia ho voavela ny otany. Izay sisa dia ho an'ny mpisorona, toy ny amin'ny fanatitra. 14 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

15 Raha misy olona manao ny tsy marina, ka manota tsy nahy ny amin'ny fanatitra masina fanao amin'ny Tompo, dia ondralahy iray tsy misy kilema avy amin'ny andian'ondry izay hotombananao sikla volafotsy araka ny sikla masina no hatolony amin'ny Tompo, hatao sorona fanonerana: dia sorona fanonerana izany. 16 Ary izay tokony ho anjaran'ny fitoerana masina ka notanany, dia haveriny mitongoa ny ampaha-diminy, ka homeny ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy amin'ny ondralahy natolony ho sorona fanonerana; ka dia ho voavela ny otany. 17 Raha misy olona manota, fa nahavita tsy nahy ny anankiray amin'ny zavatra noraran'ny Tompo tsy hatao, dia ho meloka izy sady hivesatra ny otany.

18 Ka ondralahy iray, tsy misy kilema, avy amin'ny andian'ondriny izay hotombananao, no hoentiny ho eo amin'ny mpisorona hatao sorona fanonerana. Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy noho ny ota nataony tsy nahy, fa tsy fantany, dia ho voavela ny otany. 19 Sorona fanonerana izany; tena meloka teo anatrehan'ny Tompo izany olona izany. 20 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

21 Raha misy olona manota, sy manao ny tsy marina amin'ny Tompo, fa mandainga amin'ny namana izy ny amin'ny zavatra napetraka taminy, na amin'ny zavatra natao eo an-tànany ho antoka, na amin'ny zavatra nangalariny, na amin'ny zavatra nalainy an-keriny tamin'ny namana, 22 na mandainga amin'ny zava-bery hitany, na nanao fianianana tsy marina amin'ny iray amin'ireo zavatra mety hanotan'ny olona ireo:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1479