Levitika

Toko faha-5

23 raha nanota tamin'izany izy ka mahazo heloka, dia hamerina ny zavatra nangalariny na nalainy an-keriny, ny zavatra napetraka hotehiriziny, ny zava-bery hitany; 24 na izay zavatra rehetra nanaovany fianianana tsy marina. Hamerina ny zavatra manontolo izy, no sady hanampy ampahadimin-tombany koa ambonin'izany; ary androtry ny hanaterany ny sorony fanonerana ihany no hanomezany izany an'izay tompon-javatra. 25 Ondralahy iray tsy misy kilema, avy amin'ny andian'ondriny, izay hotombananao, no hoentiny eo amin'ny mpisorona, hateriny ho an'ny Tompo, hatao sorona fanonerana. 26 Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy eo anatrehan'ny Tompo, dia ho voavela ny otany, na inona na inona ota nahadiso azy.

Toko faha-6

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Omeo an'i Aarona sy ny zanany izao didy izao, lazao azy hoe: Izao no lalàna momba ny sorona dorana: Hirehitra mandritra ny alina, mandra-pahamaraina, eo am-patan'ny otely ny sorona dorana; ary velomina eo mandrakariva ny afon'ny otely. 3 Isa-maraina ny mpisorona, rahefa niakanjo ny toniky rongony madinika, sy nanao ny kalisaona rongony madinika manolo-koditra azy, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny afo nandorana ny sorona dorana eo ambonin'ny otely, ka hametraka azy eo anilan'ny otely. 4 Rahefa izany, havelany ny fanamiana, dia hosoloany hafa, hitondrany ny lavenona any ivelan'ny toby, amin'ny fitoerana madio. 5 Hovelomina tsy havela ho faty ny afo eo ambonin'ny otely. Isa-maraina ny mpisorona no hampirehitra kitay hazo eo, dia handahatra ny sorona dorana eo amboniny, sy handoro ny saboran'ny sorom-pihavanana hanetona eo. 6 Tsy maintsy misy afo tsy maty, mirehitra mandrakariva, eo ambonin'ny otely. 7 Izao no lalàna momba ny fanatitra: Hatolotr'ireo zanak'i Aarona eo anatrehan'ny Tompo, eo anoloan'ny otely izy. 8 Dia hangalan'ny mpisorona eran-tànan'ila ny lafarina tsara indrindra mbamin'ny diloilo ao aminy miaraka amin'ny emboka rehetra eo ambonin'ny fanatitra, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny otely izany ho hanitra ankasitrahana, ho fahatsiarovana an'ny Tompo. 9 Izay sisa amin'ny fanatitra dia hohanin'i Aarona sy ny zanany; ka hohaniny tsy misy lalivay, eo amin'ny fitoerana masina, amin'ny kianjan'ny trano lay fihaonana. 10 Tsy handrahoina amin'ny lalivay izany. Izany no anjarany natokako ho azy avy amin'ny fanatitra hodorana amin'ny afo ho ahy. Zava-masina dia masina izany, toy ny sorona noho ny ota sy ny sorona fanonerana. 11 Ny lahy rehetra amin'ny zanak'i Aarona no hihinana amin'izany. Lalàna tsy tapaka hatrany amin'ny taranakareo izany, ny amin'ny fanatitra atao amin'ny afo, ho an'ny Tompo. Ho masina izay rehetra hikasika izany. 12 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

13 Izao no fanatitra hataon'i Aarona sy ny zanany amin'ny Tompo, amin'ny andro handraisany ny fanosorana: lafarina tsara indrindra ampahafolon'ny efah ho fanatitra tsy tapaka, antsasany maraina, antsasany hariva. 14 Amin'ny lapoaly no handrahoana azy, ka hasiana diloilo; ary rahefa mendy izy, dia hoentinao ka haterinao voavakivaky, ho fanatitra voavakivaky, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 15 Hanao izany fanatitra izany koa izay mpisorona voahosotra ka handimby amin'ny taranany: lalàna tsy tapaka eo anatrehan'ny Tompo izany. Hisondro-ko etona avokoa izy. 16 Ny fanatitra rehetra avy amin'ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina. 17 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

18 Mitenena amin'i Aarona sy ny zanany, ka lazao hoe: Izao no lalàna momba ny sorona noho ny ota: eo amin'ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no famonoana ny sorona noho ny ota, eo anatrehan'ny Tompo; zava-masina dia masina izany. 19 Izay mpisorona hanolotra ny sorona noho ny ota no hihinana azy, ka eo amin'ny toerana masina, amin'ny kianjan'ny trano lay fihaonana no hihinanana azy. 20 Ho masina avokoa izay hikasika ny nofony. Raha misy fitafiana nipitihan'ny rany, dia hosasanao eo amin'ny toerana masina izay faritra nipitihan'ny rà. 21 Izay vilany tany andrahoana azy, dia ho montsanina, fa raha vilany varahina no andrahoana azy, dia hodiovina sy hontsanan-drano. 22 Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no hihinana amin'izany zava-masina dia masina izany. 23 Tsy nisy hohanina anefa ny sorona rehetra noho ny ota, izay angalana ny ràny hoentina ao an-trano lay fihaonana, hanaovam-panavotana ao amin'ny fitoerana masina, fa hodorana amin'ny afo.

Toko faha-7

1 Izao no lalàna momba ny sorona fanonerana; zava-masina dia masina izany.

2 Ao amin'ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona fanonerana. Hararaka manodidina amin'ny otely ny rany. 3 Hatolotra daholo ny saborany, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy, 4 ny voany roa mbamin'ny fonom-boany izay miraikitra amin'ny faritry ny voany, ny saron'atiny izay hoendahana ao akaikin'ny voany. 5 Hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny otely izany ho sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo. Sorona fanonerana izany. 6 Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no hihinana amin'izany, ka eo amin'ny toerana masina no hihinanany azy; zava-masina dia masina izany. 7 Sahala amin'ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana; iray ny lalàna amin'izy roa: an'izay mpisorona manao ny fisoronana ny sorona. 8 Ny mpisorona manolotra ny sorona dorana avy amin'ny olona, dia hanana ny hoditry ny zavatra natao sorona dorana avy aminy. 9 Ny fanatitra rehetra nendasina tamin'ny lafaoro, na nandrahoina tamin'ny kasitrola, na tamin'ny lapoaly, dia an'izay mpisorona manolotra azy. 10 Ny fanatitra rehetra voadity tamin'ny diloilo, na maina, dia an'ny zanak'i Aarona rehetra, ka hiara-misalahy izy. 11 Izao no lalàn'ny sorom-pihavanana haterina ho an'ny Tompo.

12 Raha fisaorana no hanaterana izany, dia izao no hatolotra miaraka amin'ny sorom-pisaorana: mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin'ny diloilo, ary lafarina nendasina ho mofo mamy voadity tamin'ny diloilo. 13 Ary hampiana mofo mamy misy lalivay, ny fanatitra izay haterina miaraka amin'ny sorom-pisaorana hanaovana sorom-pihavanana. 14 Dia samy hanolorana anankiray avy ireo fanatitra ireo natokana ho an'ny Tompo, dia ho an'ny mpisorona izay hamafy ny ràn'ny sorom-pihavanana izany. 15 Amin'ny andro anaterana azy ihany no ihinanana ny henan'ny sorom-pisaorana amin'ny sorom-pihavanana, fa tsy avela hisy tra-maraina. 16 Raha sorona aterina ho fanalam-boady na ho fanatitra an-tsitra-po dia hohanina amin'ny andro hanaterana azy ny sorona, ary izay sisa tavela dia hohanina ny ampitso;

17 izay henan-tsorona tavela hatramin'ny andro fahatelo, dia hodorana amin'ny afo. 18 Raha misy olona mihinana amin'ny andro fahatelo ny hena avy amin'ny sorom-pihavanana nateriny, dia tsy hankasitrahana ny sorona nateriny, tsy ho isaina ho azy nanatitra, ho fahavetavetana izany; ary izay rehetra nihinana amin'izany dia hivesatra ny otany. 19 Tsy fihinana ny hena mikasi-java-maloto, fa hodorana amin'ny afo. Fa ny henan'ny sorom-pihavanana, samy mahazo mihinana amin'izany izay olona madio rehetra. 20 Fa izay ao anatin'ny fahalotoana kosa, raha mihinana amin'ny hena avy amin'ny sorom-pihavanana, izay an'ny Tompo, dia hofongorana tsy ho eo amin'ny fireneny. 21 Ary izay nikasi-java-maloto, na loton'olona na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto; raha mihinana amin'ny henan'ny sorom-pihavanana, izay an'ny Tompo, dia hofongorana tsy ho eo amin'ny fireneny izany olona izany. 22 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

23 Mitenena amin'ny zanak'i Israely, ka izao no lazao azy: Aza mihinana saboran'omby, na ondry, na osy, hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1475